Genesis 40

Genesis 40:1

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.

ny mpitondra kapoaka

Olona izay nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany.

"mpanao mofony" na "mpanao mofon'ny mpanjaka"

Olona izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany.

nanafintohina ny tompon'izy ireo

"nahatezitra ny tompon'izy ireo"

ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo

"ny mpitarika ny mpitondra kapoaka sy ny mpitarika ny mpanao mofo"

Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo

"Nataony tao amin'ilay fonja izay mifanatrika avy eo amin'ny tranon'ilay lehiben'ny mpiambina izy ireo"

Nogadrainy tao (...) izy ireo

Tsy ilay mpanjaka mivantana no nanao azy ireo tao am-ponja fa nandidy izy ny hanagadraina azy ireo any am-ponja" na "Nandidy ny mpiambiny hanagadra"

tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany

Afaka atao izany hoe: DH: "izany ihany ilay fonja nametrahan'i Potifara an'i Josefa"

Genesis 40:4

Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja

"Nijanona fotoana maharitra tany am-ponja izy ireo"

Genesis 40:6

Tonga (...) tao amin'izy ireo i Josefa

"Tonga tao amin'ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo i Josefa"

Indro, nalahelo izy ireo

Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa. DH: "Gaga izy raha nahita an'izy ireo nalahelo"

ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy

Ilazana ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo izany.

tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony

"Niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony." "Ny tompony" dia ilazana ny tompon'i Josefa, ilay lehiben'ny mpiambina.

Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hanaovana fanindriana. DH: "An'Andriamanitra ny fanomezana dika!" na "Andriamanitra no afaka milaza ny hevitr'ireo nofy!" (UDB)

Mba lazao ahy re

Nanotany azy ireo hanambara aminy ny nofin'izy ireo i Josefa. DH: "Mba lazao ahy ireo nofy, azafady"

Genesis 40:9

ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka

Ilay olona manan-danja indrindra izay mitondra ny zava-pisotro ho an'ny mpanjaka.Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

Tao anatin'ny nofiko, dia indro, nisy voaloboka teo anoloako

"Tao anatin'ny nofiko, dia nahita voaloboka teo anoloako aho!" Nampiasa ny teny hoe "indro" eto ilay mpitondra kapoaka mba hanehoana fa talanjona tamin'izay hitany tao anaty nofy izy ary koa hanaitra an'i Josefa hihaino tsara.

masaka ireo sampam-boaloboka

"masaka am-potony ireo sampam-boaloboka"

nofihazako (...) ireo

Ny heviny dia hoe manala ny ranon'izany. DH: "namihy ny ranon'izany"

Genesis 40:12

Ity no hevitr'izany

"Izao no hevitry ny nofy"

Ny sampam-boaloboka telo dia mira hateloana

"Ny sampam-boaloboka telo dia maneho ny hateloana

Ao anatin'ny hateloana

"Ao anatin'ny telo andro manaraka"

hampitraka ny lohanao

Resahan'i Josefa ny famotsoran'i Farao ny mpitondra kapoaka avy ao am-ponja toy ny hoe mampisandratra ny lohany izany. DH: "hamotsotra anao amin'ny figadrana"

hamerina anao amin'ny asanao

"hamerina ny asanao indray"

toy ny tamin'ny

Eto dia afaka manampy ny teny izay tsy ampy. DH: "toy izay nataonao fony"

Genesis 40:14

ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko

"ary aoka re mba ho tsara fanahy amiko"

Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity

Nasain'i Josefa niteny tamin'i Farao mahakasika azy ilay mpitondra kapoaka mba hamotsoran'i Farao azy ao am-pigadrana. DH: "Ampio aho mba hivoaka ato amin'ity fonja ity amin'ny filazanao amin'i Farao ny mahakasika ahy"

Fa nalaina an-keriny (...) tokoa aho

Afaka atao izany hoe: DH: "Eny tokoa noentin'ny olona aho" na "Eny tokoa noentin'ireo Ismaelita aho"

ny tany Hebreo

"ny tany izay nonenan'ireo Hebreo"

Eto ihany koa dia tsy nisy zavatra nataoko izay tokony nametrahan'izy ireo ahy ato amin'ity fonja ity

"ary koa raha eto Egypta aho, dia tsy nanao zavatra izay tokony hahamendrika ny hanaovana am-ponja ahy" (UDB)

Genesis 40:16

ny lehiben'ny mpanao mofo

Ilazana ny olona izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

Nanofy ihany koa aho, ary

"Izaho dia nahazo nofy, ary tao amin'ny nofiko,"

indro, nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako

"nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako!" Nampiasa ny teny hoe "indro" ilay mpanao mofo mba hanehoana fa talanjona tamin'izay hitany tao anaty nofy izy ary koa hanaitra an'i Josefa hihaino tsara.

karazan-javatra maro natao mofo ho an'i Farao

"sakafo masaka ho an'i Farao"

Genesis 40:18

Izao no hevitr'izany

"Toy izao no dikan'ny nofy"

Ny harona anaky telo dia mira hateloana

"Ny harona telo dia maneho ny telo andro"

hanalana (...) ny lohanao

Nampiasa ny andian-teny "hanalana (...) ny lohanao" i Josefa raha niresaka tamin'ilay mpitondra kapoaka ao amin'ny 40:12. Eto kosa dia manana hevitra hafa izany. Ireo mety ho heviny dia 1) "hanandratra ny lohanao ary hametraka tady manodidina ny vozonao" na 2) hanandratra ny lohanao ary hanapaka izany hiala."

nofo...

Eto ny nofo dia ilazana ny hoditra manify amin'ny vatan'ny olona.

Genesis 40:20

Ary tamin'ny andro fahatelo izay

"Rehefa afaka izany, tamin'ny andro fahatelo." Ny teny "ary" dia nampiasaina eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.

Nanao fanasana (...) izy

"Nanao lanonana (...) izy

ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka

Olona izay mitarika sy mikarakara ary nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka

Ilazana ny olona izay mpitarika ny fanaovana ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

Ny "andraikitry" ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka dia entina ilazana ny asa amin'ny maha lehiben'ny mpitondra kapoaka azy. DH: "Naveriny tamin'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ny asany"

Fa nahantony kosa ny lehiben'ny mpanao mofo

Tsy i Farao mivantana no nanahantona ilay mpanao mofo, fa nandidy ny hanantonana azy izy. DH: "Fa kosa nanome didy mba hanantonana ilay mpanao mofo" na "Fa kosa nandidy ireo mpiambiny hanantona ilay lehiben'ny mpanao mofo"

arak'izay nolazain'i Josefa tamin'izy ireo

Ilazana ny nandikan'i Josefa ny nofin'izy ireo izany. DH: "arak'izay nolazain'i Josefa hitranga raha nandika ny nofin'ireo lehilahy roa izy"