Genesis 41

Genesis 41:1

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

rehefa afaka roa taona mipaka

Roa taona tao aorian'ny nandikan'i Josefa ny nofinin'ireo mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'i Farao, izay tany am-ponja niaraka tamin'i Josefa.

Raha nitsangana (...) izy

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

nitsangana (...) izy

"nitsangana i Farao"

indro

"Tampoka teo." Ny teny hoe "indro" eto dia hanehoana ny fahatalanjonan'i Farao tamin'izay hitany.

mampitsiriritra sy matavy

"velom-bolo sy matavy"

niraoka vilona teo amin'ny sisiny

"nihinam-bilona teo aminy hai-maitso teo amin'ny sisin'ny ony"

"vilona" na "volotara"

bozaka avo sy manify izay maniry eny amin'ny toerana mando

Indro, nisy omby vavy fito hafa

Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa mbola taitra tamin'izay hitany ihany Farao.

tsy maha-te-hotia sy mahia

"marary sy mahia"

amoron'ny renirano

"eo akaikin'ny renirano" na "sisin'ny ony." Tany somary avo eo amin'ny sisin'ny renirano.

Genesis 41:4

tsy maha-te-hotia sy mahia

"farofy sy kaozatina."Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.

mampitsiriritra sy matavy

"salama sy tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.

nifoha

"taitra"

fanindroany

Ny teny "fanindroany" dia roa amin'ny filaharan'isa. DH: "indray"

Indro, nisy salohim-bary fito

Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa mbola taitra tamin'izay hitany ihany Farao.

salohim-bary

Ny salohy dia ampahany amin'ireo zavatra maniry izay misy ny voa izay maniry.

nitsiry avy tamin'ny taho iray

"nipoitra avy eo amin'ny tahony." Ny taho dia ny faritra matevina na lava amin'ny zava-maniry.

taho iray, vokatra be sy tsara

"teo amin'ny tahony iray ary mandrobona sy tsara tarehy"

manify ary main'ny rivotra antsinanana

Afaka atao izany hoe: DH: "izay nahia sy may nohon'ny rivotra mafana avy any antsinanana"

rivotra antsinanana

Rivotra mitsoka avy any antsinana avy any amin'ny tany efitra. Ny hafanan'ny rivotra avy any antsinana dia matetika tena mandrava.

nitsimoka

"nitombo" na "nitombo"

Genesis 41:7

ireo salohy manify

Ny teny hoe "-mbary" dia takatra avy hatrany. DH: "ireo salohim-bary manify"

Nitelina

"nihinana." Azon'i Farao nofy fa ireo akotry izay marary dia nihinana ny akotry tsara toy ny olona mihinana sakafo.

salohy (...) vokatra be sy tsara

"mandrobona sy tsara tarehy" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:4.

Taitra

"nifoha"

indro

Ny teny "indro" eto dia maneho fa talanjona ny amin'izay hitany i Farao"

nofy izany

"nanofy izy"

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

nihorohoro ny fanahiny

Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny zavatra ao anaty na ny fihetseham-po. DH: "nihorohoro ny tao anatiny" na "nihorohoro izy"

Naniraka ka nampiantso

Azo avy hatrany amin'izany fa naniraka mpanompo izy. DH: "Nirahiny ireo mpanompony mba hiantso" na "Naniraka ireo mpanompony hampiantso izy"

ireo mpahay ody sy olon-kendrin'i Egypta rehetra

Ireo mpanjaka taloha sy ireo mpanampaka dia nampiasa ny mpahay ody sy olon-kendry ho mpanolotsaina.

Genesis 41:9

lehiben'ny mpitondra kapoaka

Olona manan-danja indrindra izay nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako

Ny teny hoe "Izao" eto dia nampiasaina ho fanindrina. Ny "fahotany" dia ny amin'ny tokony nilazany aloha tamin'i Farao ny zavatra izay niseho kanefa tsy nataony. DH: "izao vao tsapako fa nanadino niteny zavatra taminao aho"

Tezitra (...) Farao

Manaja an'i Farao ilay mpitondra kapoaka satria izany no fomba rehefa miresaka amin'ny olona manana fahefana noho ny tena. DH: "Ianao, Farao, dia tezitra mafy"

tamin'ireo mpanompony

Eto ny "...ny" dia ilazana an'i Farao. Eto ny "mpanompo..." dia ilazana ilay mpitondra kapoaka sy ny lehibehin'ny mpanao mofo. DH: "taminay, mpanomponao"

nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo

"nanao ahy sy ilay lehiben'ny mpanao mofo tao am-ponja izay nisy ilay kapitenin'ny mpiambina niandraikitra." Eto ny "trano" dia ilazana ny fonja.

kapitenin'ny mpiambina

Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1.

ilay lehiben'ny mpanao mofo

Olona manan-danja indrindra izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.

Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy

"indray alina dia samy nanofy izahay roa lahy"

nanofy izahay

Eto ny "izahay" dia ilazana ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.

Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay

"samy manana ny heviny avy ireo nofinay"

Genesis 41:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka.

Nisy (...) niaraka taminay tao

"Tao am-ponja nisy (...) niaraka tamiko sy ilay lehiben'ny mpanao mofo"

ilay kapitenin'ny mpiambina

Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1.

Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy

"nolazainay azy ireo nofinay ary nanazava ny dikan'izany taminay izy"

Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy

Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana ny tsirairay avy dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofo, fa tsy manondro ilay mpandika ny nofy. DH: "Nohazavainy izay zavatra hitranga aminay roa lahy avy"

Ary

Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany

"izay nohazavainy mahakasika ireo nofy dia nitranga tokoa taty aoriana kely"

Eto ilay mpitondra kapoaka dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. DH: "Navelanao hiverina amin'ny asako aho"

fa ilay iray hafa

"ilay lehiben'ny mpanao mofo"

nahantony

Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana an'i Farao. Ary manondro ireo miaramila izay nobaikon'i Farao hanantona ilay lehiben'ny mpanao mofo. DH: "nandidy ireo miaramilanao ianao hanantona"

Genesis 41:14

Farao naniraka ka nampiantso

Tonga dia mazava avy amin'izany fa naniraka ireo mpanompony i Farao. DH: "naniraka ireo mpanompony haka an'i Josefa i Farao"

(nivoaka) tao an-tranomaizina

"nivoaka ny fonja" na "nivoaka ny figadrana"

Niaratra izy

Fomba fanao mahazatra ny miharatra loha sy manala volombava rehefa miomana andeha ho any amin'i Farao.

nankany amin'i Farao

Eto ny "nankany" dia azo atao hoe "nandeha." DH: "nandeha teo anoloan'i Farao"

fa tsy misy afaka manazava izany

"tsy misy olona afaka manazava ny heviny"

ianao dia afaka manazava izany

"afaka manazava ny heviny ianao"

Tsy ato amiko izany

"Tsy izaho ilay afaka manazava ny hevitr'izany"

Andriamanitra no hamaly an'i Farao araka izay sitrany

"Hanome valin-teny mahafapo an'i Farao Andriamanitra"

Genesis 41:17

indro, nitsangana (...) aho

Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.

ny sisin'i Neily

Tany somary avo eo amin'ny sisin'ny reniranon'i Neily izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1. DH: "eo anilan'i Neily"

Indro, nisy omby vavy fito

Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.

matavy sy mampitsiriritra

"salama sy tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.

niraoka vilona teo amin'ny sisiny

"nihinam-bilona teo aminy hai-maitso teo amin'ny sisin'ny ony"

Genesis 41:19

Indro, nisy omby vavy fito

Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.

tsy maha-te-ho tia, ary mahia

"farofy sy kaozatina."Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.

faharatsiana tahaka izany

Ny anarana "faharatsiana" dia afaka adika koa hoe "ratsy". DH: "omby tena ratsy" na "omby tsy maha-te-hijery"

omby vavy matavy

"tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.

tsy nisy nahafantatra akory hoe nohanin'izy ireo izany

Afaka atao izany hoe: DH: "tsy nisy olona afaka hilaza fa nihinana ireo omby vavy matavy ireo omby vavy mahia"

Genesis 41:22

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nitantara tamin'i Josefa ny nofiny i Farao.

Niverina nanofy indray aho

Fanomboan'ny nofin'i Farao manaraka izay tao aorian'ny nifohazany ka niverenany natory izany. DH: "Avy eo dia nanofy indray aho"

Indro, nisy salohim-bary fito

Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.

nitsimoka tamin'ny taho iray

"nipoitra avy eo amin'ny tahony." Ny taho dia ny faritra matevina na lava amin'ny zava-maniry. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:4.

Indro, nisy salohim-bary fito hafa

Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.

malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana

Afaka atao izany hoe: DH: "izay nalazo, nanify, ary maina nohon'ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana"

nalazo

"simba" na "maina"

rivotra atsinanana

Rivotra avy any atsinanana mitsoka avy any an-tany efitra. Ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana matetika manimba ny voly tokoa.

salohy manify

salohim-bary manify. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:7. DH: "Ireo salohim-bary manify"

nitsimoka

"naniry" na "nitombo"

Nitelina

"nihinana." Azon'i Farao nofy fa ireo akotry izay marary dia nihinana ny akotry tsara toy ny olona mihinana sakafo. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:7.

tsy nisy tamin'izy ireo afaka

"tsy nisy na dia iray aza afaka" na "tsy nisy afaka (...) tamin'izy ireo"

Genesis 41:25

Mitovy ireo nofin'i Farao ireo

Toa milaza izany fa mitovy ny dikan'ireo. DH: "'ireo nofy ireo dia manana hevitra iray ihany"

Izay ho ataon'Andriamanitra, dia nambarany tamin'i Farao

Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. Afaka atao izany hoe: DH: " Maneho aminao ny zavatra izay ho hataony tsy ho ela Andriamanitra"

salohy fito

Ny teny hoe "vary" dia tonga dia mazava avy amin'izany. : DH: "salohim-bary fito"

Genesis 41:27

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nandika ny nofin'i Farao i Josefa

tsy maha-te-hotia sy mahia

"omby mahia sy osa." Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:1.

salohim-bary manify fito main'ny rivotra atsinanana

Afaka atao izany hoe: DH: "salohim-bary manify fito maina nohon'ny rivotra atsinanana"

Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao ... nambarany tamin'i Farao

Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. DH: "Hitranga ireo zavatra ireo araka izay efa nolazaiko anao ... nambara taminao, Farao"

nambarany

"nampahalalany"

Indro

Nampiasaina izany mba hanindrina izay ho lazain'i Josefa manaraka. DH: "Henoy tsara izay lazaiko"

fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra

Miresaka ireo taonan'ny fitobahana toy ny fotoana izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "hisy fito taona izay ho maro be tokoa ny sakafo manerana ny tanin'ny Egypta" (UDB)

Genesis 41:30

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nandika ny nofin'i Farao i Josefa

Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany

Miresaka ireo fito taonan'ny mosary toy ny fotoana izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "Avy eo dia hisy fito taona izay tsy hisy afa-tsy sakafo kely"

ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ... ary handringana ny tany ny mosary. Ho adino (...) ny fitobahana ... nohon'ny mosary izay manaraka izany

Milaza hevitra iray amin'ny fomba roa i Josefa mba hanindrina ny lanjan'izany.

ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Afaka atao izany hoe: DH: "ireo olon'i Egypta dia hanadino ny taona izay nambitobaka ny sakafo"

handringana ny tany

Eto ny "tany" dia ilazana ny nofon-tany, ny olona, ary ilay firenena iray manontolo.

nohon'ny mosary izay manaraka izany

Miresaka ny mosary toy ny zavatra izay mandeha ary manaraka zavatra iray hafa. DH: "satria ny fotoan'ny mosary dia hitranga rehefa afaka izany"

Afaka atao izany hoe: DH: "Nanome anao izany nofy roa izany Andriamanitra hanehoana aminao fa hanao izany zavatra izany tokoa izy"

Genesis 41:33

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Josefa i Farao

Ary

Tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao izany," fa nampiasaina mba hisarihana ny teboka manan-danja izay manaraka eo.

aoka Farao hitady

Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. Afaka atao izany hoe: DH: "Ianao, Farao, dia tokony hijery"

hametraka azy amin'ny tany Egypta

Ny andian-teny "hametraka azy" dia midika ho manome fahefana ny olona iray. DH: "hanome azy fahefana manerana ny fanjakan'i Egypta" na "mametraka azy hisahana ny fanjakan'i Egypta"

tany Egypta

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona sy ny zavatra rehetra ao Egypta.

Aoka izy ireo haka ny ampahadimin'ny vokatr'i Egypta

Ny teny hoe "ampahadimy" dia milaza fizarana. DH: "Aoka ho zarain'izy ireo dimy mitovy tsara ireo vokatr'i Egypta, avy eo dia haka iray amin'ireo fizarana"

amin'ny taona fiton'ny fitobahana

"mandritra ny fito taona izay hitobahan'ny sakafo"

Genesis 41:35

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nanome toro-hevitra an'i Farao i Josefa

Aoka izy ireo hanangona

"Avelao hanangona ireo tompon'andraikitra"

amin'io taona tsara izay ho avy io

Miresaka ireo taona toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "mandritra ny taona tsara izay ho avy tsy ho ela"

hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao

Ny andian-teny "ambany fahefan'i Farao" dia midika hoe i Farao no manome ny fahefana. DH: "mampiasa ny fahefan'i Farao mba hanangonana ny vokatra"

Tokony arovan'izy ireo izany

Manangona ny vokatra mandritra ny fotoana vitsivitsy izay mbola misy sakafo kely. DH: "Ireo tompon'andraikitra dia tokony hanajanona miaramila any hiambina ny vokatra"

Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "Ho an'ny olona izany sakafo izany"

Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Afaka atao izany hoe: DH: "Amin'izany fomba izany no tsy hahamosarena ny olona mandritry ny mosary"

Genesis 41:37

Tsara teo imason'i Farao sy teo imason'ireo mpanompony rehetra izany hevitra izany

Eto ny "maso" dia ilazana ny hevitra na ny fisainan'ny olona. DH: "Hitan'i Farao sy ireo mpanompony fa hevitra tsara izany"

ireo mpanompony

Ny dikany dia hoe ireo manam-pahefanan'i Farao.

olona tahaka izany

"olona tahaka an'i Josefa"

izay ao aminy ny fanahin'Andriamanitra

"izay ao aminy ny hitoeran'ny fanahin'Andriamanitra"

Genesis 41:39

tsy misy hafa misaina lalina

"tsy misy olona hafa afaka mandray fanapahan-kevitra." Jereo ny nandikanao ny "manan-tsaina" ao amin'ny 41:33.

Hitantana ny tranoko ianao

Eto ny "trano" dia ilazana ny lapan'i Farao sy ny olona ao an-dapa. Ny andian-teny "hitantana" dia midika fa i Josefa no hanana ny fahefana amin'ny. DH: "Hisahana ny tsirairay ao an-dapako ianao"

ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra

Eto ny "teny" dia ilazana ny baiko na izay voalaza. Afaka atao izany hoe: DH: "hanapaka ireo oloko ianao ary hanantanteraka ny baikonao izy ireo"

Eo amin'ny seza fiandrianana ihany

Eto ny " seza fiandrianana" dia ilazana ny fanapahan'i Farao amin'ny maha mpanjaka azy. DH: "Amin'ny andraikitro amin'ny maha mpanjaka ahy ihany"

Indro, apetrako aminao

Ny teny hoe "indro" dia manampy hanindrina izay holazain'i Farao manaraka. DH: "Indro, efa nataoko (...) ianao"

apetrako aminao ny tanin'i Egypta rehetra

Ny andian-teny "apetrako aminao" dia midika hoe manome fahefana anao. Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "Apetrako hisahana ny olona rehetra eto Egypta ianao"

Genesis 41:42

Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ... rojo volamena ny vozony

Ireo fihetsika rehetra ireo no mampiseho fa nanome ny fahefana an'i Josefa hanao izay rehetra nokasainy i Farao.

peratra misy ny tombo-kase

Ny peratra izay misy ny tombo-kasen'ny Farao. Manome ny fahefana sy ny vola izay ilaina hanatanterahan'i Josefa ny drafiny.

lamba rongony manify

"Rongony fotsy" dia zavatra malandy, lamba mafy izay vita avy amin'ny voninkazo mamony manga.

Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy

Izany fihetsika izany dia manazava amin'ny olona fa i Josefa no hany faharoa manaraka an'i Farao.

Mandohaliha

"mandohaliha ary omeo voninahitra i Josefa." Ny mandohalika sy ny mitsaoka dia fanomezam-boninahitra sy famatara-panajana.

Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i (...) rehetra izy

Ny andian-teny "nanao anao teo" = Nataon (...) nanapaka teo dia midika hoe nomeny fahefana. Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:39. DH: "Ataoko misahana ny olona rehetra manerana an'i Egypta ianao"

Genesis 41:44

Izaho no Farao, ary ankoatra anao

Manasongadina ny fahefany i Farao. DH: "Amin'ny maha Farao ahy, no handidiko fa ankoatra anao"

ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra

Eto ny "tanana" sy ny "tongotra" dia ilazana ny fihetsikin'ny olona. DH: "tsy misy olona eto Egypta afaka hanao zavatra raha tsy mahazo alalana avy aminao" na "ny olona rehetra eto Egypta dia tsy mainsty maka alalana avy aminao mialohan'ny hanaovan'izy ireo zavatra"

tsy misy olona

Eto ny "olona" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny, fa tsy hoe lehilahy na vehivavy.

Zafenata Panea

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Zafenata Panea dia midika hoe 'mpilaza tsiambaratelo.'''

Nomeny azy ho vady i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona

Ireo mpisorona no ambony sy mana-kaja indrindra. Izany fanambadiana izany no famantarana ny toeram-boninahitra sy fananan'ny Josefa haja.

Nomeny (...) i Asenata

"Asenata" no anaran'ilay vehivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny.

zanaka vavin'i Potifera

"Potifera" no anaran'ilay rain'i Asenata.

mpisoron'i Ona

Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro.

Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa

Nandeha manerana ny tany Egypta i Josefa mba hanara-maso ny fihomanana amin'ny fihavian'ny fahamainana.

Genesis 41:46

Telo-polo taona

"30 taona"

raha nitsangana teo anatrehan'i Farao izy

Eto ny "nitsangana teo anatrehany" dia ilazana ny nanombohan'i Josefa nanompo an'i Farao. DH: "raha nanomboka nanompo an'i Farao izy"

namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra

Nanao fanadihadiana mahakasika ilay firenena i Josefa raha niomana ny amin'ny fanantanterahana ireo drafiny.

Nandritry ny fito taona zina

"Nandritra ny taona fito izay tsara"

namokatra be ny tany

"namokatra voa be dia be ny tany"

Genesis 41:48

Nangoniny avokoa ... Napetrany

Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana ny mpanompon'i Josefa. DH: "Nandidy ny mpanompony hanangona ... dia napetrak'izy ieo"

Nangonin'i Josefa tahaka ny fasiky ny ranomasina ny voa

Mampitaha ny voa amin'ny fasiky ny ranomasina izany hanasongadinana ny habetsahany. DH: "Ireo voa izay nangonin'i Josefa dia betsaka toy ny fasi-dranomasina tokoa "

Nangonin'i Josefa ... nitsahatra (...) izy

Eto ny "Josefa" sy ny "izy" dia ilazana ireo mpanompon'i Josefa. DH: "Nampanangonin'i Josefa ireo mpanompony ... nitsahatra (...) izy ireo"

Genesis 41:50

Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary

Miresaka ireo taona toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "mialohan'ny nanombohan'ireo fito taonan'ny mosary"

Asenata

"Asenata" dia anaram-behivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

zanaka vavin'i Potifera

"Potifera" no anaran'ilay rain'i Asenata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

mpisorona tao Ona

Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

Manase

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Manase dia midika hoe 'mahatonga fanadinoana.'''

ankohonan'ny raiko

Ilazana an'i Jakoba rain'i Josefa sy ireo havany izany.

Efraima

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Efraima dia midika hoe 'mihamaroa' na 'manana zanaka maro."'

nahamaro ahy

Eto ny "mihamaro" dia midika ho ambinina amin'ny fananana zanaka.

teo amin'ny tanin'ny fahoriako

Ny anarana hoe "fahoriana" dia afaka atao hoe "niharitra ny mafy aho." DH: "tany amin'ny tany izay niharetako ny mafy" (UDB)

Genesis 41:53

teo amin'ny tany rehetra

Manerana ireo firenena rehetra any an-dafin'i Egypta, tafiditra ao anatin'izany ny taninin'i Kanana.

kanefa nisy sakafo kosa teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra

Midika izany fa nisy ny sakafo satria i Josefa nandidy ny olony mba hanangona ny sakafo nandritra ireo taona fito tsara.

Genesis 41:55

Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta

Eto ny "tany" dia ilazana ireo olona. DH: "Rehefa mosarena avokoa ireo Egyptiana"

Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary

Ny teny hoe "faritra = faritry" dia ilazana ny velaran'ny tany. DH: "Niparitaka nanerana ny tany ny mosary"

Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana

Eto ny hoe "Josefa" dia ilazana ireo mpanompon'i Josefa. DH: "Nasain'i Josoa nosokafan'ireo mpanompony ireo trano fitehirizana ary nivarotra ireo vokatra tamin'ireo Egyptiana izy"

Tonga tao Egypta avokoa ireo firenena rehetra

Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona avy amin'ireo faritra rehetra. DH: "Nandeha nankany Egypta ny olona avy amin'ireo faritra manodidina rehetra"

tany amin'ny tany rehetra

"manerana ny tany rehetra." Mety ireo mpandraharaha samy hafa sy ireo firenena izay mpiara-miombona antoka ao amin'ny fandraharana ara-barotrin'ny Egyptiana izay niharan'ny hain-tany no tonga tao Egypta mba haka ireo vokatra.