Genesis 39

Genesis 39:1

Nentina nidina tany Egypta i Josefa

Ny mandeha any Egypta dia noheverina foana fa mandeha "midina" izay mifanohitra amin'ny mandeha "miakatra" ho amin'ny tany izay nampanantenana. Afaka atao izany hoe: DH: "Noentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa"

Nomba an'i Josefa i Yaveh

Ny heviny dia nanampy an'i Josefa i Yaveh ary niaraka taminy hatrany. DH: "nitarika an'i Josefa i Yaveh ary nanampy azy"

Nipetraka tao amin'ny trano(...)

Eto ny mpanoratra dia miresaka ny miasa ao an-tranon'ny tompony toy ny mipetraka ao an-tranon'ny tompony. Ny mpanompo hatokisana ihany no mahazo miasa ao an-tranon'ny tompony. : DH: "Niasa tao amin'ilay trano izy" (UDB)

Egyptiana tompony

Lasa andevon'i Potifara i Josefa ankehitriny

Genesis 39:3

Ny tompony nahita fa nomba azy Yaveh

Ny heviny dia hoe nahita ny tompony fa nanampy an'i Josefa Yaveh. DH: "Hitan'ny tompony fa nanampy azy Yaveh"

Yaveh nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony

"nanambina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa Yaveh"

Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa

Ny hevitry ny hoe "nahita sitraka" dia neken'ny olona. Ny fomba fiteny hoe "teo imasony" dia ilazana ny hevitry ny olona. Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "faly tamin'i Josefa i Potifara" na 2) DH: "faly tamin'i Josefa Yaveh"

nanompo an'i Potifara izy

Ny heviny dia hoe mpanompon'i Potifara manokana izy.

Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany

"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara"

nataony teo ambany fiahiany

Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny"

Genesis 39:5

Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay

Izany andian-teny izany dia nampiasaina hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao.

nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany

"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananany"

notahian(a)

Eto ny "notahiana" dia midika hoe nampitranga zavatra tsara na nampahazo tombotsoa ny olona na ny zavatra izay voatahy.

Ny fitahian'i Yaveh dia tao

Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fitahiana izay omen'i Yaveh toy ny zavatra izay manarona ny zavatra iray hafa. DH: "nitahy i Yaveh"

ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha

Ilazana ny ankohonany sy ireo vokatrany ary ireo biby fiompiny. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Ny ankohonan'i Potifara sy ireo vokatrany rehetra mbamin'ireo biby fiompiny"

Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany

Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny." DH: "Koa niandraiketan'i Josefa ny zavatra rehetra izay nananany"

Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy

Tsy nila miahiahy mahakasika ny zavatra izay ao an-tokantranony izy; ny hany nataony dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Afaka atao izany hoe: DH: "ny hany mba noheritretin'i Potifara dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Tsy nila nisaina ny zavatra hafa tao an-tokantranony izy " (UDB)

Ary

Ny teny "ary" dia manamarika fiatona ao amin'ny fizotry ny tantara ary ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra mahakasika an'i Josefa.

tsara tarehy sady mahasarika

Mitovy ihany ny hevitr'ireo teny roa ireo. Ilazana ny endrik'i Josefa izay maha-te-ho tia. Azo antoka tokoa fa tsara tarehy sy matanjaka izy. DH: "tsara tarehy sy matanjaka"

Genesis 39:7

Ary tao aorian'izay

"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.

Indro

"Henoy." Nampiasain'i Josefa izany teny izany hisarihany ny fifantohan'ny vadin'i Potifara.

ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano

"tsy mandrara mahakasika ny ankohonany izay nosahaniny izy." Afaka atao izany hoe: DH: "mahatoky ahy amin'ny fitantanana ny ankohonany ny tompoko"

nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy

Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny." DH: "Koa niandraiketan'i Josefa ny zavatra rehetra izay nananany"

Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity

Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fahefana toy ny zavatra izay tena lehibe. DH: "Manana fahefana ato amin'ity trano ity mihoatra nohon'ny olona hafa aho"

Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy

Afaka atao izany hoe: DH: "Efa nanome ny zavatra rehetra ankoatra anao ho ahy izy"

Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba ho fanasongadinana. DH: "Azo antoka tokoa fa tsy hanao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany aho."

Genesis 39:10

Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy

Ny heviny dia hoe nanohy nangataka azy hiara-mandry aminy izy. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka hazavaina. DH: "Nanohy nangataka an'i Josefa hiara-mandry aminy izy"

hiaraka aminy

"ny ho eo akaikiny"

Ary

"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.

Tsy nisy tamin'ireo lehilahy ao an-trano

"Tsy nisy tamin'ireo lehilahy izay niasa tao an-trano"

nandositra, ary nivoaka tany ivelany

"ary nitsoaka haingana tany ivelany" na "nivoaka faingana tao an-trano"

Genesis 39:13

Ary ... dia nantsoiny

"Ary ... dia niantso." Ny teny hoe "ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny tranga manaraka ao amin'ny tantara.

ary nandositra nivoaka tany ivelany

"ary nitsoaka nivoaka haingana tany ivelany"

ny olona tao an-tranony

"ireo lehilahy izay niasa tao an-tranony"

Jereo

"Henoy." Nampiasa izany teny izany Potifara mba hisarihana ny fifantohan'ireo mpanompo.

Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko

Eto ny vadin'i Potifara dia manasoketa an'i Josefa ho nikasa hisambotra azy sy hiara-mandry aminy.

Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia (...) izy

"Raha nandre ahy nihiakiaka izy, (...) izy." Ny teny "ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny tranga manaraka ao amin'ny tantara.

Genesis 39:16

ny tompony

"ny tompon'i Josefa." Ilazana an'i Potifara izany.

Niteny taminy izao fanazavana izao izy

"Toy izao no nanazavany azy"

nentina(o) ho antsika

Ny teny hoe "antsika" dia ilazana an'i Potifara, ny vadiny, ary ny sisa amin'ny ankohonany.

niditra tato haniratsirara ahy

"niditra tato nanao adalana tamiko." Eto, ny teny hoe "haniratsirara" dia fanalefahan-kevitra ho an'ny "hisambotra sy hiara-mandry." DH: "niditra tao amin'izay nisy ahy ary nikasa ny hanery ahy hiara-mandry aminy" (UDB)

Ary

"Avy eo." Mampiasa izany andian-teny izany ny vadin'i Potifara hanamarihana ny tranga manaraka izay mahakasika ny fitantarany momba ny fikasan'i Josefa hiara-mandry aminy.

nandositra tany ivelany

"nihazakazaka faingana hivoaka ny trano"

Genesis 39:19

Ary

"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.

ny tompony

"ny tompon'i Josefa." Ilazana an'i Potifara izany. Afaka atao mazava izany fampahafantarana izany. DH: "i Potifara, tompon'i Josefa"

henon'ny tompony ny fanazavana notenenin'ny vadiny taminy

"naheno ny fanazavan'ny vadiny taminy izy." Ny teny hoe "..ny" sy ny "izy" eto dia ilazana an'i Potifara.

dia tezitra mafy izy

"tezitra mafy i Potifara"

tany am-ponja, toerana izay nitazomana ireo voafonjan'ny mpanjaka

Afaka atao izany hoe: DH: "ny toerana izay hametrahan'ny mpanjaka ireo gadrany"

tao (...) izy

"nijanona tao i Josefa"

Genesis 39:21

Fa Yaveh nomba an'i Josefa

Ilazana izay nikarakaran'i Yaveh an'i Josefa sy ny fahatsarany taminy izany. DH: "Kanefa Yaveh naneho ny fahatsarany tamin'i Josefa" (UDB) na "Kanefa Yaveh nikarakara an'i Josefa"

Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy

Ny heviny dia hoe nataon'i Yaveh nanaiky sy nitondra azy tsara ny mpiambina ny fonja. DH: "Nataon'i Yaveh nankasitraka an'i Josefa ny mpiambina ny fonja"

ilay mpiambina ny fonja

"ilay mpandraharaha ny fonja" na "ilay lehilahy izay miandraikitra ny fonja"

Nampandray an-tanana an'i Josefa

Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na fitokiana izay ananan'i Josefa. DH: "nampiandraikitra an'i Josefa"

Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa

"Niandraikitra ny zavatra rehetra izay nataon'izy ireo tao i Josefa"

satria nomba azy Yaveh

Ilazana ny nanampian'i Yaveh an'i Josefa sy ny nitarihany azy izany. DH: "satria nitarika an'i Josefa i Yaveh"

Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh

"Nataon'i Yaveh ambinina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa"