Genesis 15

Genesis 15:1

Tao aorian'ireo zavatra ireo

"ireo zavatra ireo" dia manondro ny fotoana izay niadivan'ireo mpanjaka ka nanavotan'i Abrama an'i Lota.

tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Yaveh

Izany fomba fiteny izany dia midika fa niresaka i Yaveh. DH: "Nilaza ny hafany i Yaveh"

ny tenin'i Yaveh

Eto ny "teny" dia maneho ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"

apinganao sy valisoa...

Mampiasa izany sarinteny izany Andriamanitra mba hilazana amin'i Abrama momba ny toetrany sy ny fifandraisany amin'ny Abrama.

Izaho no apinganao

Ireo miaramila dia mampiasa apinga mba hiarovan'izy ireo tena amin'ireo fahavalony. DH: "Hiaro anao toy ny apinga Aho" na "Izaho no ampinga hiaro anao"

valisoa

" fandoavana ny sarany." Izany dia ilazana ny fandoavana ny saran'izay mendrika ny olona. Roa ny mety ho heviny 1) Izaho dia Izaho ihany no ilainao" na 2)" hanome izay rehetra ilainao aho."

Hoy Abrama hoe: ''Satria tsy nomenao ...

"Nanohy niresaka i Abrama ary niteny hoe: 'Satria tsy nomenao ...

Genesis 15:4

Avy eo, dia indro

Ny teny "indro" dia manasongadina fa ny tenin'i Yaveh dia tonga tamin'i Abrama indray.

tonga ... ny tenin'i Yaveh

Midika izany fomba fiteny izany fa niteny Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 15:1. DH: "Nilaza ny hafany i Yaveh"

ny tenin'i Yaveh

Eto ny "teny" dia maneho ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"

Izany lehilahy izany

Ilazana an'i Eliezera avy any Damaskosy izany.

izay avy amin'ny nofonao ihany

"izay naterakao" na "zanakao lahy mihintsy." Ny tena zanak'i Abrama no ho mpandova azy.

isao ireo kintana

"atambaro ny isan'ireo kintana"

Genesis 15:6

Nino an'i Yaveh izy

Midika izany fa nanaiky ary nahatoky fa marina izay nolazain'i Yaveh.

ary nisainy ho fahamarinana ho azy izany

"nisain'i Yaveh ho fahamarinana ny finoan'i Abrama" na "nahita an'i Abrama ho marina i Yaveh satria Abrama nino Azy"

Izaho no Yaveh, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny Ora

Nampahatsiaro an'i Abrama izay efa nataony i Yaveh mba halalan'i Abrama fa Yaveh manana fahefana hanome izay nampanantenainy an'i Abrama.

mba handova izany

"mba hahazo izany" na "mba ho fanananao izany"

ahoana no hahafantarako

Nangataka porofo misimisy kokoa ny amin'ny hanomezan'i Yaveh azy ny tany i Abrama.

Genesis 15:9

ireo karakasy

"fatim-biby na fatim-borona"

noroahin'i Abrama izy ireo

"nandroka ireo vorona Abrama." Nanao izay hahazoana antoka izy fa tsy nihinana ireo fatim-biby ireo vorona.

Genesis 15:12

latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama

Fomba fiteny izany. DH: "rendrikin'ny torimaso Abrama"

haizina lalina sy nampihororo

"haizin-kitroka izay nampitahotra azy fatratra"

nandifotra azy

"nanodidina azy"

vahiny

"mpiavy" na "vahiny"

ho andevozina sy ampahoriana

Afaka atao izany hoe: DH: "ary ireo tompon-tany hanandevo sy hampahory ireo taranakao"

Genesis 15:14

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Abrama i Yaveh nandritra an'i Abrama nanofy.

Hitsara ... Aho

Eto ny "mitsara" dia sarinteny ilazana izay hitranga ao aorian'ny hanaovan'Andriamanitra ny fitsarana. DH: "hanasazy Aho"

izay ho tompoin'izy ireo

Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia azo hazavaina. DH: "izay ho tompoin'ireo taranakao"

fananana mitobaka

Fomba fiteny izany. DH: "fananana be dia be" na "harem-be"

ho any amin'ny razambenao ianao

Fomba mihaja ilazana ny hoe: "ho faty ianao."

razambe

Ny teny hoe "razambe" dia fibangoan-teny ilazana ny razana rehetra. DH: "razambe"

ary halevina amin'ny fahanterana

"Tena ho antitra tokoa ianao vao ho faty ary ireo havanao dia handevina ny fatinao"

amin'ny taranaka faha efatra

Eto ny taranaka iray dia ilazana ny faharetan'ny 100 taona. "Ao aorian'ny efajato taona"

ho tonga eto indray izy ireo

"hiverina eto ireo taranakao." Ho avy any amin'ny tany izay nipetrahan'i Abrama ireo taranak'i Abrama, ny tany izay nampanantenain'i Yaveh homena azy.

tsy mbola nahatratra ny fetrany

"mbola tsy vita" na "mbola hitombo haratsiana mialohan'ny hanasaziko azy ireo"

Genesis 15:17

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singa

Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana amin'i Abrama fa manao fanekena aminy Izy.

nandalo teo anelanelan'ireo vongany

"nandalo teo anelanelan'ireo andalana roan'ireo vongan'ny biby"

fanekena

Amin'izany fanekena izany no hampanantenain' Andriamanitra hitahiana an'i Abrama, ary mbola hanohy ny hitahy azy Izy raha mbola manaraka Azy i Abrama.

Homeko ... etoana ity tany ity

Amin'izany fitenenana izany, no nanomezan'Andriamanitra ny tany ho an'ireo taranak'i Abrama. Ho hataon'Andriamanitra ihany izany, kanefa ireo taranaka dia tsy handeha any amin'ilay tany raha tsy afaka taona maro aty aoriana.

ny renirano lehibe, Eofrata

"ny renirano midadasika, ilay Eofrata." Fomba roa ilazana ny renirano iray ihany izany.

ireo Kenita, Kenizita, Kadmonita, Hetita, Perizita, Refaita, Amorita, Kananita, Girgasita, ary ireo Jebosita

Anaram-bondron'olona izay nonina teo amin'izany tany izany ireo. Avelan'Andriamanitra handresy ireo olona ireo ka haka ny taniny ireo taranak'i Abrama.