Genesis 16

Genesis 16:1

Ary

Amin'ny teny Anglisy dia ampiasaina izany teny izany mba hampidirana fizaran-tantara vaovao sy fampahafantarana fototra mahakasika an'i Saray.

mpanompo vavy

"andevo vavy." Izany karazana andevo izany dia hanampy ny vehivavy amin'ny tokantrano.

amin'ny fananan-janaka

"amin'ny fiterahana zaza"

hahazoako zanaka avy aminy

"avy aminy no hanorenako ny ankohonako"

Nihaino ny feon'i Saray i Abrama

"Nanao izay nolazain'i Saray Abrama"

nijery ny tompo vaviny tamin'ny fanamavoana

"nanao tsinontsinona ny tompo vaviny" na "nihevitra izy fa sarobidy kokoa nohon'ny tompo vaviny"

ny tompo vaviny

Eto izany dia ilazana an'i Saray. Ny tompo vavy dia manana fahefana amin'ny andevony. DH: "ny tompony" na "Saray"

Genesis 16:5

izao ratsy mihatra amiko izao

"izao tsy rariny mihatra amiko izao"

Noho ny aminao ihany izao

"andraikitrao izao" na "fahadisoanao izao"

Nomeko ho eo an-tratranao ny mpanompo vaviko

Nampiasa ny teny hoe: "an-tratra" i Saray eto mba ilazana ny nandriany taminy. DH: "Nomeko ny mpanompo vaviko mba handrianao"

namavoina teo imasony aho

Azo atao izany hoe: DH: "nankahala ahy izy" na "nanomboka nankahala ahy izy" na "nihevitra izy fa tsara kokoa noho izaho"

Aoka Yaveh no hitsara ahy sy ianao

"Tiako Yaveh no ilaza raha adisoako izany na anao" na "Tiako Yaveh no hanapa-kevitra ny amin'izay marina amintsika." Ny dikan'ny andian-teny "hitsara eo..." dia manapa-kevitra ny amin'izay marina eo amin'ny fifandirana eo amin'izy ireo.

Indro

"Mihainoa ahy" na "henoy izao"

eo amin'ny fahefanao

"eo ambanin'ny fahefanao"

nanao fitondrana mafy taminy i Saray

"nampahorian'i Saray mafy i Hagara"

ka nandositra azy izy

"ary Hagara nandositra an'i Saray"

Genesis 16:7

ilay anjelin'i Yaveh

ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely."

an-tany hay

Ny tany hay izay nalehany dia tany an-tany efitra. DH: "efitra"

Sora

Izany no anaran'ilay tanàna atsimon'i Kanana sy atsinanan'i Egypta.

ny tompoko vavy

Eto izany dia ilazana an'i Saray. Ny tompo vavy dia manana fahefana amin'ny andevony. DH: "ny tompoko." Jereo ny nandikanao ny "ny tompony" ao amin'ny 16:1.

Genesis 16:9

Ny anjelin'i Yaveh niteny taminy

"Ny anjelin'i Yaveh niteny tamin'i Hagara"

Ny anjelin'i Yaveh

Jereo ny fanamarihana ambany pejin'ity andian-teny ity ao amin'ny 16:7

ny tompo vavinao

Saray. Jereo ny nandikana ny "ny tompo vaviny" ao amin'ny 16:1.

Ny anjelin'i Yaveh niteny taminy hoe: "Izaho"

Raha niteny izy hoe "Izaho", dia ilazany an'i Yaveh. Rehefa mandika izay ao anaty farango sosona, dia ataovy toy izay nataon'ilay anjelin'i Yaveh ary ampiasao ny teny hoe: "Izaho" rehefa hilaza an'i Yaveh.

Hampitombo isa ny taranakao tokoa Aho

"hanome taranaka maro ho anao Aho"

tsy ho tambo isaina

"maro tokoa ka tsy hisy afaka hanisa azy ireo"

Genesis 16:11

ilay anjelin'i Yaveh

Jereo ny fanamarihana ambany pejin'ity andian-teny ity ao amin'ny 16:7

Indro

"Mihainoa" na "henoy izao"

hiteraka zaza lahy

"hiteraka zaza lahy"

ny anarany dia hataonao hoe

"antsoinao hoe." Ny teny hoe "ianao" dia ilazana an'i Hagara.

Ismaela, satria nandre Yaveh

Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy izay milaza hoe: "Ny anarana hoe Ismaela dia midika hoe' nihaino an'Andriamanitra.'"

fahoriana

Nampahoriana tamin'ny fahoriana sy ny nampilajiana.

Ho boriky dian'ny olona izy

Tsy fitenenan-dratsy izany. Ny mety ho heviny dia ho lasa mahaleo tena i Ismaela ary hatanjaka tahaka ny boriky dia. DH: "Ho tahaka ny boriky dia eo amin'ireo olona izy"

Handrafy ny olona rehetra izy

"Ho fahavalon'ny olona rehetra izy"

ny olona rehetra hirafy aminy

"ho fahavalony ny olona rehetra"

honina lavitry ny

Mety hidika koa izany hoe: "hiaina amin'ny fandrafiana izy."

ireo rahalahy

"havana" na "fianakaviana"

Genesis 16:13

Yaveh izay niresaka taminy

"Yaveh, satria niresaka taminy izy"

Mbola mahita ihany tokoa ve aho, ... ahy ...?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Hagara mba hanehoana fa nitolagaga izy raha mbola velona tao aorian'ny nahitany an'Andriamanitra. Nampoizin'ny olona ny fahafatesana, raha mahita an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Gaga aho hoe mbola velona aho, ...ahy."

Noho izany dia nantsoina hoe Bera-lahai-roy ilay fatsakana

Ireo mpandika teny dia mety afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "ny dikan'ny Bera-lahai-roy dia' fatsakan'ilay velona izay mahita ahy.'"

indro, eo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany

Ny teny hoe "indro" eto dia natao hisintomana ny fifantohana ny amin'ny zaza-misy fa ny fatsakana dia teo amin'ny toerana izay fantatrin'ny mpanoratra sy ny mpamaky. DH: "izany hoe teo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany"

Genesis 16:15

Niteraka i Hagara

Ny fiverenan'i Hagara tany amin'ny Saray sy Abrama dia tsy mazava loatra. Azonao atao mazava kokoa izany. DH: "Koa dia niverina i Hagara ary teraka"

nomeny ... anarana ... ny zanany lahy, izay naterak'i Hagara

"nanome anarana ny zanany lahy avy tamin'i Hagara" na "nanome anarana ny zanak'izy sy Hagara"

Abrama dia

Izany dia mampiditra fampahafantarana fototra mahakasika ny taonan'i Abrama raha nitranga ireo zavatra ireo. Ny fiteninao dia mety hanana fomba manamarika manokana ny fampahafantarana fototra.

niterahana ... an'Ismaela ho any Abrama

Midika izany hoe: "niteraka an'i Ismaela, zanaka lahin'i Abrama." Ny tiana tsindrina dia ny fanana'i Abrama zanaka lahy.