Genesis 14

Genesis 14:1

Fampahafantarana ankapobeny:

Ireo toerana ao amin'ny 14:1 dia tanàna mahaleo tena avokoa.

Ary tamin'ny

Nampiasaina mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao izany andian-teny izany. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia tokony hihevitra ny hampiasa izany ianao eto.

Tamin'ny andron'i

"Tamin'ny fotoanan'i"

nanao ady izy ireo

"nandeha niady izy ireo" na "nanomboka ady izy ireo" na "niomana ho amin'ny ady izy ireo"

Genesis 14:3

Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka

Ny fampahafantarana fa ireo tafika dia miaraka amin'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "Ireto mpanjaka dimy farany sy ireo tafiny dia nifampitaona niaraka"

Roa ambin'ny folo taona no nanompoan'izy ireo

Ny tranga ao amin'ny andininy 4-7 dia niseho talohan'ny andininy 3. Ny fiteninao dia mety hanana fomba fanehoana izany.

nanompoan'izy ireo an'i Kedorlaomera

mety tsy maintsy nandoa hetra sy nanao fanompoana tao amin'ny tafiny tokoa izy ireo. DH: "teo ambany fifehezan'i Kedorlaomera izy ireo"

nikomy izy ireo

"nandà ny hanompo azy izy ireo" na "nitsahatra ny nanompo azy izy ireo"

tonga ... ary nanafika

Nanao izany izy ireo satria nikomy ireo mpanjaka hafa.

Refaita ... Zozima ... Emima ... Horita

Anarana vondron'olona ireo.

Astarta-Kamaima ... Hama ... Save-kiriataima ... Seira ... Elparana

Anaran-toerana ireo.

Elparana, izay akaikin'ny tany efitra

Izany andian-teny izany dia manampy ny mpamaky hahatakatra izay misy an'i Elparana. Azo adika amin'ny fehezanteny misaraka izany raha ilaina. DH: " Elparana. Elparana dia akaikin'ny efitra"

Genesis 14:7

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andininy 8 sy 9 dia mamerina izay voalaza ao amin'ny 14:3 ary manohy mitantara izay nitranga raha avy hiaraka hiady ireo mpanjaka.

niverina izy ireo ary tonga

Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ireo mpanjaka efatra avy any ivelany izay nanafika ny faritry Kanana. Ny anaran'izy ireo dia Amrafela, Arioka, Kedorlaomera, sy Tidala. DH: "niverina izy ireo ary lasa"

ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara

Izany andian-teny izany dia milaza ny toerana izay naharesy ny olona Amorita. Izy ireo dia olona Amorita izay nonina tany amin'ireo toerana hafa.

ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara)

Nantsoina hoe: Zoara ihany koa ny tanàn'i Bela. Izany fampahafantarana izany dia azo apetraka any amin'ny faran'ny fehezanteny. "ary nivoaka ny mpanjakan'i Bela ary nanomana ady. Nantsoina hoe Zoara ihany koa i Bela."

niomana ho amin'ny ady

"nanatevin-daharana ny ady" na "nandahatra miaramila mitandavana." Ireo mpandika teny sasany dia mety mila manampy ihany koa hoe: niady ireo tafika, toy ny nataon'ny UDB ao amin'ny andininy 9.

mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy

Koa satria notanisaina mialoha ireo mpanjaka dimy, ny fiteny sasany mety hisafidy ny handika an'izany hoe" mpanjaka dimy nanohitra ireo efatra."

Genesis 14:10

Ary

Izany teny izany dia mampiditra ny fampahafantarana fototra mahakasika ny lohasahan'i Sidima. Ny fiteninao dia mety manana fomba fampidirana ny fampahafantarana fototra.

feno lavaka misy ditin-tany

"betsaka lavaka misy ditin-tany." Lavaka amin'ny tany izay misy ditin-tany izany.

molanga

zavatra matevina, miraikitra, ranon-javatra mainty izay avy amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:3.

mpanjakan'i Sodoma sy Gomora

Sarinteny ilazana ireo mpanjaka sy ny tafiny izany. DH: ireo mpanjakan'ny Sodoma sy Gomora sy ireo tafiny"

nilatsaka tao izy ireo

ireo mety ho heviny dia 1) ny sasany tamin'ireo miaramilany dia nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany na 2) ireo mpanjaka mihintsy no nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany. Koa satria ny 14:17 nilaza fa nandeha hihaona amin'i Abrama ny mpanjakan'ny Sodoma, ny hevitra voalohany no mety ho marina kokoa.

ireo izay tavela

"ireo izay tsy maty tamin'ny ady sy tsy nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany"

ny fahavalo

Izany dia ilazana an'i Kedorlaomera mpanjaka sy ireo mpanjaka hafa ary ireo tafiny izay niaraka taminy raha nanafika an'i Sodoma sy Gomora.

ireo zavatsoa an'i Sodoma sy Gomora

Ny teny hoe: "Sodoma" sy "Gomora" dia sarinteny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tanàna ireo. DH: "ny haren'ny olon'ny Sodoma sy Gomora" na "ny fananan'ny olon'ny Sodoma sy Gomora"

ireo tahiriny

" ny sakafo sy ranon'izy ireo"

lasa nandeha amin'ny lalan'izy ireo

lasa nandeha izy ireo

nentiny koa i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama, izay nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin'ny fananany rehetra

Ny andian-teny "zana-drahalahin'i Abrahama" sy "izay nipetraka tao Sodoma" dia mampahatsiaro ny mpamaky ny zavatra izay voasoratra teo aloha mahakasika an'i Lota. DH: "nalain'izy ireo ihany koa i Lota, niaraka tamin'ny fananany rehetra. Zana-drahalahin'i Abrahama i Lota izay nipetraka tao Sodoma tamin'izany fotoana izany"

Genesis 14:13

Ilay iray izay afa-nandositra dia tonga

"lehilahy izay nandositra tamin'ny ady ka tonga"

Izy dia nonina

"Abrama dia nonina." Mampiditra fampahafantarana fototra izany.

ireo izay mpiandany amin'i Abrama

"nanao fifanekem-piara-miasa tamin'i Abrama" na "vita fanekem-pihavanana tamin'i Abrama"

ny havany

Entina ilazana an'i Lota zana-drahalahin'i Abrahama izany.

lehilahiny voahofana

"lehilahiny izay voahofana hiady"

lehilahiny izay teraka tao an-tranony

"lehilahiny izay teraka tao an-tokatranon'i Abrama." Zanak'ireo mpanompon'i Abrama izy ireo.

nanaraka azy ireo

"nanenjika azy ireo"

Dana

Tanàna farany lavitra avaratr'iKanana izany, lavitrin'ny fitobian'i Abrama.

Genesis 14:15

Nozarainy ny alina ireo lehilahiny hanohitra azy ireo ary nanafika azy ireo

Mety entina ilazana paik'ady izany eto. "Nozarain'i Abrama ho andiany maro ireo lehilahy, ary nanafika ireo fahavalony avy amin'ny lalana isan-karazany izy ireo" (UDB)

ireo fananana rehetra

Entina ilazana ireo zavatra izay nangalarin'ireo fahavalo avy amin'ny tanànan'i Sodoma sy Gomora izany.

sy ireo zava-tsoany

"sy ny fanan'i Lota izay nangalarin'ireo fahavalo tamin'i Lota"

mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa

"mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa izay nobaboin'ireo mpanjaka efatra"

Genesis 14:17

niverina

Ny fampahafantarana ambadika mahakasika ny toerana izay niverenany dia afaka hazavaina. DH: '"niverina tany amin'ny toerana izay nipetrahany"

Melkizedeka, mpanjakan'i Salema

Eto ny voalohany hanononana an'ity mpanjaka ity.

mofo sy divay

Mahazatra ny olona mihinana mofo sy divay. Jereo ny nandikanao "ny mofo" ao amin'ny 3:17 sy "ny divay" ao amin'ny 9:20.

Genesis 14:19

Nitso-drano azy izy

Nitso-drano an'i Abrama i Melkizedeka mpanjaka.

Ho tahian'Andriamanitra Avo Indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany anie Abrama

Afaka atao izany hoe: DH:" Andriamanitra Avo Indrindra, mpahary ny lanitra sy ny tany, anie hitahy an'i Abrama"

lanitra

Entina ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.

Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra

"Andriamanitra Avo Indrindra, satria nanolotra izy." Ny andian-teny miantomboka amin'ny "izay nanolotra" dia milaza misimisy kokoa amintsika ny momban'Andriamanitra Avo Indrindra.

Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra

Fomba fiderana an'Andriamanitra izany. Jereo ny nandikanao ny "isaorana anie" ao amin'ny 9:26.

teo an-tananao

"teo ambany fifehezanao" na "teo ambany herinao"

Genesis 14:21

Omeo ahy ny olona

Ny andian-teny "ny olona" dia mety ilazana ny olona ao Sodoma izay voababoin'ireo fahavalo. Nanavotra azy ireo Abrama raha nanavotra an'i Lota izy.

Izaho dia efa nanangana ny tanako

"Efa nanao fianianana aho" na "Efa nanao voady aho."

Tsy haka na inona na inona afa-tsy izay efa nohanin'ireo zatovo Aho

"ny hany alaiko aminao dia izay efa nohanin'ireo zatovoko." Nandà ny handray zavatra ho azy Abrama, fa nanaiky kosa fa ireo miaramilany dia efa nihinana tamin'ireo fanampiana nandritra ny dian'ny fiverenana makany Sodoma tao aorian'ny ady.

ny anjaran'ireo lehilahy izay niaraka tamiko

Ny tena hevitra fenon'izany fanambarana izany dia azo azavaina. DH: "ny anjaran'ny fananana voaharo izay an'ireo lehilahy izay nanampy ahy hamerina izany"

Anera, Eskola ary Mamre

Mpiandany amin'i Abrama izy ireo. Noho izy mpiandany amin'i Abrama dia niara-niady taminy izy ireo. Ny tena hevitra fenon'izany fanambarana izany dia afaka azavaina. DH: "ireo mpiandany amiko dia Anera, Eskola ary Mamre"