Genesis 10

Genesis 10:1

Ireto avy ny taranak'ireo zanaka lahin'i Noa

"Fitanisana ny zanaka lahin'i Noa izany." Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fitanisana ny taranak'i Noa ao amin'ny Genesisy 10: 1-11:9.

Genesis 10:2

Nanomboka teo ny nizarazaran'ireo olon'ny moron-tsiraka ary samy nankany amin'ny taniny avy izy ireo

"ireo zanaka lahin'i Javana sy ireo taranany dia nisaraka ka nifindra ho any amin'ny moron-tsiraka sy any amin'ireo nosy"

olon'ny moron-tsiraka

Ilazana ny olona izay mipetraka any amin'ny faritany sy any amin'ireo nosy.

ny taniny izy ireo

"ny tanindrazan'izy ireo." Toerana izay hifindran'ny olona ka hipetrahany izany.

ny tsirairay samy araka ny fiteniny avy

"Ny isam-bondron'olona samy miteny ny fiteniny avy" na "Ny isam-bondron'olona dia nizara araka ny fitenin'izy ireo"

Genesis 10:6

Mizraima

Ny Mizraima dia anarana Hebreon'ny hoe: "Egypta."

Genesis 10:8

mpandresy

Ireo mety ho heviny dia 1) "mpiady mahery" na 2) '"lehilahy mahery" na 3)" mpanapaka mahery."

teo anatrehan'i Yaveh

Ireo mety ho heviny dia 1)"eo imason'i Yaveh" na 2) "amin'ny fanampian'i Yaveh"

Izany no nilazana hoe

Mampiditra ohabolana izany. Ny fiteninao dia mety manana fampidirana ny ohabolana sy fomba fiteny amin'ny fomba hafa. DH: "Izany no mahatonga ny olona hiteny hoe / "izany no mahatonga ny fitenenana hoe"

ireo ivony voalohany

Ireo mety ho heviny dia 1) ireo ivony voalohany izay nampiroboroboany na 2) ireo tanàna manan-danja.

Genesis 10:11

nankany Asyria

"nankany Asyria i Nimroda"

Mizraima niteraka

Nitohy ny fitanisana ireo taranak'i Noa.

Mizraima

Iray amin'ireo zanaka lahin'i Hama i Mizraima. Lasa olon'i Egypta ireo taranany. Mizraima dia anarana Hebreon'ny hoe: "Egypta."

Genesis 10:15

Jebosita ... ireo Amorita ... ireo Girgasita

Ireo anarana ireo dia ilazana ny vondron'olona lehibe izay taranaka avy amin'ny Kanana.

Genesis 10:19

sisiny

"faritany" na "sisin'ny faritanin'izy ireo"

avy any Sidona, mitohy mankany Gerara, ka hatrany Gaza

Azo atao mazava ny hoe lalana mankany atsimo. DH: "avy any amin'ny tanànan'i Sidona any atsimo ka hatrany amin'ny farany atsimon'i tanànan'i Gaza, izay eo akaikin'i Gerara"

ary ny iray izay mankany Sodoma, Gomora, Adma, ary Zeboima, ka hatrany Lasa

Ny hoe lalana mankany "atsinanana" na "afovoan-tany" dia afaka atao mazava raha ilaina. DH: "ary miatsinanana mankany Sodoma, Gomora, Adma, sy any amin'ireo tanànan'i Zeboima, ka hatrany Lasa"

Ireo no zanaka lahin'i Hama

Ny teny hoe "ireo" dia ilazana ny olona sy ny vondron'olona izay notanisaina tao amin'ny andininy 10:6.

araka ny fiteniny avy

"nisaraka araka ny fiteniny isan-karazany avy"

tany amin'ny tanin'izy ireo

"tany amin'ny tanindrazan'izy ireo"

Genesis 10:24

Arpaksada

Arpaksada dia iray amin'ny zanaka lahin'i Sema.

Palega

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Palega dia midika hoe: 'fizarana."'

voazara ny tany

Azo atao izany hoe: DH: "nizara ny olon'ny tany" na "nisaraka ny olon'ny tany" na "Nozarain'Andriamanitra ny olon'ny tany"

Genesis 10:26

Joktana

iray amin'ny zanaka lahin'i Ebara i Joktana.

Ireo rehetra ireo

Ny "Ireo" eto dia ilazana ny zanaka lahin'i Joktana.

Genesis 10:30

Ny faritanin'izy ireo

"Ny tany izay eo ambany fifehezany" na "Ny tany izay hitoerany"

Ireo no zanaka lahin'i Sema

Ny teny hoe "ireo" dia ilazana ireo taranak'i Sema (10:21).

Genesis 10:32

Ireo no foko

Ilazana ny olona rehetra notanisaina tany amin'ny 10:1.

araka ny

"voatanisa araka ny"

Avy amin'ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany

" Avy amin'ireo foko ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany" na "Nizara ireo foko ireo ary nahatonga ireo firenen'ny tany"

tao aorian'ny safo-drano

Azo atao mazava tsara izany na mazava kokoa. DH: "tao aorian'ny nandravan'ny tany ny safo-drano"