Genesis 9

Genesis 9:1

Miteraha maro ary mihamaroa, ary mamenoa ny tany

Tso-dranon'Andriamanitra izany. Niteny an'i Noa sy ny fianakaviany hamokatra olombelona maro tahaka azy ireo, mba ho maro ny tahaka azy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao izany baiko izany ao amin'ny 1:28.

Ny tahotra sy ny horohoro anao dia ho eo amin'ireo biby izay miaina ... amin'ny hazan-dranomasina rehetra

Ny mpanoratra dia miresaka ny tahotra sy ny horohoro toy ny hoe zavatra manana toe-batana ka afaka mankany amin'ny biby. DH: "Ny biby miaina rehetra ... sy ny hazan-dranomasina rehetra dia hihorohoro'ny tahotra anao"

Ny tahotra sy ny horohoro anao

Ny teny "tahotra" sy "horohoro" dia mitovitovy dika ihany ary hanasongadinana ny fahatahoran'ireo biby ny olombelona. DH: "Horohoron'ny tahotra anao" na "tahotra anao mahatsiravina"

ny biby izay miaina ambonin'ny tany rehetra

Voalohany amin'ny vondrona efatrin'ny biby izay notanisain'ny mpanoratra izany, fa tsy famintinana ny ambin'ny biby izay holazainy manaraka.

vorona

Izany dia entina ilazana amin'ny ankapobeny ireo zavatra manidina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20.

eo amin'ny zava-drehetra izay mandeha any ambanin'ny tany

Ao anatin'izany ny karazana bibikely rehetra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:24.

Atolotra eo an-tananao ireo

Ny tanana dia sarin-teny ilazana ny fahefana izay ananan'ny tanana. Azo atao izany hoe: "Omena ho eo ambany fahefanao izy ireo" na "Nataoko ho eo ambany fahefanao izy ireo"

Genesis 9:3

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

aina ... rà

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny rà dia famantaran'ny fiainana." Afaka manampy fanamarihana ambany pejy ihany koa izy ireo hoe: "Nandidy ny vahoakany Andriamanitra tsy hihinana hena raha mbola ao anatin'izany ny ràny."

Genesis 9:5

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

Fa ho an'ny rànareo

Manohitra ny ràn'olombelona amin'ny ràn'ny biby (9:1).

Fa ho an'ny rànareo, ny aina izay ao anatin'ny rànareo

Milaza izany fa ilay rà dia nalatsaka, na nararaka, na nanaparitaka. DH: "raha misy olona manao izay hirarahan'ny rànareo" na "raha misy olona nanaparitaka ny rànareo" na "raha misy olona mamono anao"

aina

Ilazana ny fiainana ara-batana izany.

hitaky ny sandany Aho

Ilazana ny fahafatesan'ny mpamono olona, fa tsy vola izany vidiny izany. DH: "Hitaky ny sandany amin'ny olona izay mamono anareo Aho"

Avy amin'ny tanana

Eto ny teny hoe: "tanana" dia ilazana ny iray izay tompon'andraikitra tamin'ny zavatra izay niseho.

Avy amin'ny tanan'ireo biby no hitakiko izany

"Hotakiako amin'ny biby izay mamono ny ainareo ny sandany"

Avy amin'ny tanan'ny olona, izay, avy amin'ny tanan'ny olona izay namono ny rahalahiny, no hitakiko ny saran'ny fiainan'izany olona izany

"Hotakiako sandany izay olona mamono ny ain'ny olona hafa"

Avy amin'ny tanan'ny

Izany andian-teny izany dia ilazana ilay olona amin'ny fomba manokana kokoa. DH: "avy amin'izany olona izany ihany"

rahalahy

Eto ny "rahalahy" dia ilazana ny havana, ny mpiray foko, fianakaviambe, na vondron'olona amin'ny ankapobeny.

Na iza na iza mandatsaka ny ràn'ny olona iray, dia andatsaka ny ràny ny olona

Ny fandatsahan-drà dia sarin-teny ilazana ny famonoana olona. Midika izany fa raha misy olona mamono olona, dia olona hafa no tsy maintsy hamono azy. Na izany aza, ny "rà" dia tena manan-danja eto amin'ity andalana ity ary tokony ampiasaina ao amin'ny fandikan-teny raha azo atao. Adikao ny "mandatsa-drà" amin'ny teny izay milaza fahaverezana'ny rà be ka mahatonga fahafatesana.

fa tamin'ny endrik'Andriamanitra no nanamboarany ny olona

"Fa nanao ny olona ho tahaka Azy Andriamanitra" na "Fa nanao ny olona ho tahaka ny endriko ihany Aho"

Miteraha maro ary mihamaroa

Tso-dranon'Andriamanitra izany. Niteny an'i Noa sy ny fianakaviany hamokatra olombelona maro tahaka azy ireo, mba ho maro ny tahaka azy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao izany baiko izany ao amin'ny 1:28.

Genesis 9:8

Avy eo Andriamanitra niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy

Efa niresaka tamin'izy ireo Andriamanitra. Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiovana ny amin'izay horesahan'Andriamanitra. DH: "Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra" na "Ary dia nanohy niresaka Andriamanitra"

Raha ny Amiko

Izany andian-teny izany dia ampiasain'ny teny Anglisy hanamarihana ny fiovana amin'izay resahan'Andriamanitra mahakasika izay tokony hataon'i Noa sy ireo zanany lahy sy izay hataon'Andriamanitra.

Hanamafy ny fanekeko aminao

"hanao fanekena amiko sy aminao" Adikao toy ny ao amin'ny 6:18.

Genesis 9:11

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

Izao Aho dia hanamafy ny fanekena nataoko taminareo,

"Amin'ny filazana hoe, hanao ny fanekeko aminao Aho." Jereo ny nandikana ny teny mitovy ao amin'ny 6:18.

ny nofo rehetra

Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.

Ary tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony

"Tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony mandrakizay." Hisy safo-drano, kanefa tsy handrava ny tany manontolo izany.

famantarana

Izany dia midika ho fampatsiahivana ny zavatra izay nampanantenaina.

fanekena ... an'ireo taranaka ho avy rehetra

Mihatra amin'i Noa sy ny fianakaviany ary ny taranaka fara mandimby rehetra ihany koa izany.

Genesis 9:14

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

Izany dia hitranga rehefa

"na oviana na oviana." Izany dia zavatra izay hitranga matetika.

hita ilay avana

Tsy mazava izay olona hahita ilay avana, kanefa satria ilay fanekena dia amin'i Yaveh sy ny olona, raha mila miteny izay hahita ny avana ianao, dia tsara indrindra raha lazainao ny anaran'i Yaveh sy ny olona. Azo adika izany hoe: DH "Izao sy ny olona dia nahita ny avana"

avana

taratra hazavana miloko marevaka izay miseho mandritra ny orana rehefa miposaka avy ao aorian'ny mpijery ny masoandro

ho tsaroako ny fanekeko

Tsy midika izany fa mora manadino Andriamanitra. DH: "Handinika ny fanekeko Aho"

tamiko sy taminareo

Miresaka an'i Noa sy ny zanany lahy Andriamanitra.

ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra

"ny karazana zava-manan'aina rehetra"

ny nofo rehetra

Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 6:11.

Genesis 9:16

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.

mba hahatsiarovana

"mba hotadidiko" na "mba hisainako izany"

teo amin'Andriamanitra sy ireo zava-manan'aina

Andriamanitra no miresaka eto. DH: "eo amiko sy ny zava-manan'aina rehetra"

reo zava-manan'aina'ny nofo rehetra

"ny karazana zava-manan'aina rehetra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:14.

Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa

Efa niresaka tamin'Andriamanitra i Noa. Izany andian-teny izany dia manamarika ny fizarana farany ny amin'izay nolazain'Andriamanitra. DH: "avy niteny tamin'i Noa Andriamanitra" na "ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa"

Genesis 9:18

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andininy faha 18-19 dia mampiditra ireo zanaka telo lahin'i Noa, izay ho fizarana manan-danja tokoa ao amin'ny tantara manaraka.

ray

Ray niteraka an'i Kanana i Hama.

Genesis 9:20

mpamboly

"olon'ny saha (tany)"

mamo

"nisotro divay be"

tsy nitafy

Ny lahatsoratra dia tsy mamaritra manokana izay tsy nirakotra tamin'ny vatan'i Noa raha nandry tamin'ny hamamoana izy. Ny fihetsik'ireo zanany lahy dia maneho fa nahamenatra izany.

Genesis 9:22

ny rainy

Ilazana an'i Noa izany.

Genesis 9:24

Fampahafantarana ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 25-27 i Noa dia manonona ozona ho an'i zanak'i Hama ary tso-drano ho an'ny rahalahin'i Hama. Izay nolazain'i Noa mahakasika azy ireo dia mihatra koa amin'ireo taranany, araka izay haseho ao amin'ny UDB.

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andian-teny mifandimby ao amin'ity andininy ity dia notapatapahana mba hanehoana fa hay kanto izany. Raha azonao atao, dia tazomy ny endrik'ireo andininy ireo mba hanehoana amin'ny mpamaky fa hay kanto izany.

nifoha tamin'ny fahamamoany

"nisava hamamona"

ny zanany faralahy

Ilazana an'i Hama izany. DH: " ny zanany faralahy, dia Hama"

voahozona anie Kanana

"manozona an'i Kanana Aho" na "Hitranga amin'ny Kanana anie ireo zava-dratsy"

Kanana

Iray amin'ny zanaka lahin'i Hama izany. DH: "Kanana zanaka lahin'i Hama"

mpanompon'ireo rahalahiny

"ny mpanompo ambany indrindra an'ireo rahalahiny" na "ny tsy manan-danja indrindra amin'ireo mpanompon'ireo rahalahiny"

ireo rahalahiny

Mety ilazana ireo rahalahin'i Kanana na ny havan'izy ireo amin'ny ankapobeny izany.

Genesis 9:26

Fampahafantarana ankapobeny:

Raha azonao atao, dia tazomy ny endrik'ireo andininy ireo mba hanehoana amin'ny mpamaky fa hay kanto izany.

Isaorana anie Yaveh, Andriamanitr'i Sema,

"Hankalazaina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema," na "Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema, dia mendrika ny fiderana" na "Midera an'i Yaveh aho, ilay Andriamanitr'i Sema" (UDB)

ho mpanompony anie i Kanàna

"Aoka i Kanàna ho mpanompon'i Sema." Tafiditra ao amin'izany ireo taranak'i Kanàna sy Sema.

Hanitatra ny fari-tanin'i Jafeta anie Andriamanitra

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hataon'Andriamanitra lehibe anie ny fari-tanin'i Jafeta" (UDB) na 2) "Andriamanitra anie hahamaro ny taranak'i Jafeta."

ary hamela azy hanorina ny tranony eo amin'ireo lain'i Sema

"ary hamela azy hiaina am-pilaminana (fiadanana) miaraka amin'i Sema." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema.

Ho mpanompony anie i Kanana

"Aoka ho mpanompon'i Jafeta i Kanana." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema.