Genesis 8

Genesis 8:1

nihevitra

"nahatsiaro" na "niheritreritra momba"

sambo fiara

Izany dia ilazana ny vata lehibe izay afaka mitsikafona eny ambony rano na dia amin'ny tafiotra be aza. "sambo lehibe" na "sambo". Adikao toy ny ao amin'ny 6:13 izany.

Nikatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra

"Nitsahatra ny fihavian'ny rano avy amin'ny tany ary ny orana dia nitsahatra niraraka." Afaka atao izany hoe: DH: " Nakaton'Andriamanitra ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra"

loharanon'ny lalina

"rano avy any ambanin'ny tany." Jereo ny nandikana izany tany amin'ny 7:11.

Nakatona ny varavarakelin'ny lanitra

Ilazana ny fitsaharan'ny orana izany. Manoritsoritra ny lanitra toy ny tafo izay mitazona ny rano any ambony tsy hilatsaka ambany amin'ny tany izany. Rehefa mikatona ny varavarakely, na ny varavarana, any an-danitra, dia mitsahatra ny fihavian'ny rano avy amin'izy ireo. DH:"mikatona ny lanitra" na "mikatona ny varavarakelin'ny lanitra." Jereo ny nandikana ny "varavarakelin'ny lanitra" ao amin'ny 7:11.

Genesis 8:4

tonga mba hitsahatra

"niantsona" na "nijanona teo amin'ny tany mafy"

tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana ... volana faha-folo

Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana faha fito sy faha folo amin'ny tetiandro Hebreo, ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy, kanefa tsy dia azo antoka izany.

amin'ny andro voalohan'ny volana

"amin'ny andro voalohany amin'ny volana faha folo"

niseho

Azo atao mazava kokoa izany: "niseho teo ambonin'ny velaran'ny rano."

Genesis 8:6

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera hampiasa izany eto.

Ary ... ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny

Ny andian-teny "izay namboariny" dia miresaka ny varavarakely. Ny fiteny sasany dia mety mila manasaraka izany andian-teny izany: "Namboatra varavarakely tao amin'ilay sambo i Noa. Ary rehefa afaka efapolo andro dia namoha ny varavarankely izy"

goaika

vorona mainty izay mifototra amin'ny fihinana ny nofon'ny fatim-biby

naniditsidina izany

Midika izany fa nandao ny sambo ary niverimberina ilay goaika.

mandra-pahamainan'ny rano

Azo atao izany hoe: "mandra-pifokan'ny rivotra ny rano" na "mandra-pahamainan'ny rano"

Genesis 8:8

nametrahany ny tongony

"hijanonana" na "hitsahatra." Ny dikany izany dia mijanona eo amin'ny zavatra iray mba haka aina amin'ny fanidinana.

ny tongony ... niverina ... ka nitondra azy

Ny teny hoe : "voromailala" amin'ny tenin'ny mpanoratra dia manondro ny vaviny. Afaka adikanao amin'ireo mpisolo manodro "an'izany ... izany ... izany" na "Azy ... izy ... an'azy", ireo andian-teny ireo, miankina amin'izay ilazana ny "voromailala" amin'ny teninao.

izy ... taminy

Raha mampiasa mpisolo manondro lahy ho an'ny teny "voromailala" ianao, dia afaka mampiditra ny anaran'i Noa eto mba hisorohana ny fifangaroana: "namoaka voromailala i Noa," "Naninjitra ny tanany i Noa," sns

Genesis 8:10

Indro

"mihainoa " na "zavatra manan-danja izao"

ravin'oliva vao notangosana

"ravina izay notangosany tamin'ny hazo oliva"

notangosana

"notapahana"

niandry hafitoana indray izy

"mbola niandry hafitoana indray izy"

Tsy niverina teo aminy intsony izy

Raha tsy azon'ny olona izany, dia afaka ataonao mazava: "Tsy niverina teo aminy intsony izy satria nahita toerana hijanonana."

Genesis 8:13

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera hampiasa izany eto.

Tamin'ny faha-iraika amby enin-jato taona

"tamin'ny Noa 601 taona"

tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro voalohan'ny volana

Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo, ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy, kanefa tsy dia azo antoka izany.

ritra ny rano teo amin'ny tany

Azo atao izany hoe: DH: "ny tany izay nandrakotra ny tany dia ritra" na "nohamainin'ny rivotra ny rano nandrakotra ny tany"

ny rakotr'ilay sambo-fiara

Izany dia ilazana ny rakotra izay mitazona ny ranon'orana tsy hiditra ao anatin'ilay sambo fiara.

indro

Ny teny "indro" dia miteny amintsika mba hihaino tsara ny amin'ny fampahafantarana manan-danja izay ho avy manaraka eto.

tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro fahafito amby roampolon'ny volana

andro fahafiton'ny volana - "tamin'ny andro fahafito amby roampolon'ny volana faharoa." Mety mifananaraka amin'ny volana faharoan'ny tetiandro Hebreo izany, kanefa tsy dia azo antoka izany.

maina ny tany

"tena maina tanteraka ny tany" (UDB)

Genesis 8:15

Mivoaha ... Ento mivoaka

"Miala ... Ento." misy ireo fandikan-teny izay mamaky hoe: "Mivoaha ... Ento mivoaka."

ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra

"ireo karazana zava-manan'aina rehetra." Jereo ny nandikanao ny "nofo rehetra" ao amin'ny 6:11.

Miteraha maro ary mihamaroa

Fomba fiteny izany. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 1:28. Tian'Andriamanitra hiteraka ny olombelona sy ny biby, mba ho maro ny tahaka azy ireo.

Genesis 8:18

Nivoaka i Noa

Ny fandikan-teny sasany mamaky hoe: "Nivoaka avy ao i Noa."

araka ny karazany avy

"amin'ny andiany araka ny karazany avy"

Genesis 8:20

Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh

"Nanamboatra alitara voatokana ho an'i Yaveh" na "Nanamboatra alitara hiderana an'i Yaveh." Mety namboariny tamin'ny vato izany.

biby madio ... vorona madio

Eto ny "madio" dia midika fa navelan'Andriamanitra hatao fanatitra ireo biby ireo. Misy biby hafa izay tsy fanao fanatitra ary nantsoina hoe :"maloto."

nanolotra fanatitra dorana

Namono ny biby i Noa ary nandoro azy ireo tanteraka ho fanatitra ho an'Andriamanitra. DH: "nandoro ny biby ho fanatitra ho an'i Yaveh"

hanitra ankasitrahana

Izany dia tahaka ny fofona manitrin'ny hena natono.

nilaza tao am-pony

Eto ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny fisainana sy ny fihetseham-pon'Andriamanitra.

manozona ny tany

"manao zavatra tena ratsy ho an'ny tany" (UDB)

noho ny olombelona

Afaka atao mazava kokoa izany: " satria mpanota ny olombelona."

ny fironan'ny fon'izy ireo dia ratsy hatramin'ny fahazazany

"hatramin'ny fahakeliny dia efa nirona hanao zava-dratsy izy ireo" na "raha mbola tanora izy ireo, dia te hanao zava-dratsy"

ny fironan'ny fon'izy ireo

Eto ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny fisainana, ny fihetseham-po, ny filana, ary ny lalan'ny olona. DH: "ny fironan'izy ireo" na "ny fahazaran'izy ireo"

hatramin'ny fahazazany

Izany dia ilazana ny zaza taloha. DH: "hatramin'ny fahatanorany"

Raha mbola maharitra koa ny tany

"Raha mbola mitoetra ny tany" na "Raha mbola misy koa ny tany"

fotoam-pamafazana

"ny fotoan'ny fambolena"

ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina

Ireo fomba filaza roa ireo dia samy ilazana ny toetr'andro roa lehibe ao anatin'ny taona. Ireo mpandika teny dia mety hampiasa ny fomba filazana misy any an-toerana.

fahavaratra

ilay fotoana mafana, maina ao anatin'ny taona

ririnina

ilay mangatsitsiaka, mando na ny fotoan'ny oram-panala ao anatin'ny taona

tsy hitsahatra

"tsy hitsahatra ny hisy" na "tsy hitsahatra ny hiseho." Afaka atao filaza tsy mandà izany. DH: "hitohy hatrany"