Genesis 11

Genesis 11:1

Ary

Izany teny izany dia maneho fa manomboka fizaran-tantara vaovao ny mpanoratra.

ny tany manontolo

ny olona rehetra manerana ny tany

nampiasa fiteny iray sy teny iombonana

Izany andian-teny roa izany dia mitovitovy hevitra ihany ary manasongadina fa ny olona rehetra dia miteny amin'ny fiteny mitovy.

nandeha

"nifindra" na "nifindrafindra"

niatsinanana

Ireo mety ho heviny dia 1) "tany atsinanana" na 2) "avy any atsinanana" na 3)" ho any atsinanana." Ny safidy tsara indrindra dia "tany atsinanana" satria Sinara dia any atsinanan'ny toerana izay noheverin'ny manam-pahaizana fa niantsonan'ny sambo fiara.

nanorim-ponenana

Nitsahatra nifindrafindra ary nanomboka nonina tao amin'ny toerana iray

Genesis 11:3

Andao

Raha manana fomba ilazana ny fahamaikana sy ny fibaikoana olona hanomboka asa ny fiteninao, tahaka ny teny Anglisy "Koa ndeha!" dia afaka ampiasainao eto izany.

handoro tsara izany

Mamboatra ny biriky amin'ny tanimanga ka mandoro izany amin'ny lafaoro tena mahamay ny olona mba hahamafy sy hampateza izany.

molanga

zavatra matevina, miraikitra, ranon-javatra mainty izay avy amin'ny tany

feta

Zavatra matevina izay natao tamin'ny vovon-tsokay, tanimanga, fasika, ary rano izay nampiasaina hampiraiketana ny vato na ny biriky hitambatra.

ary aoka hamoronantsika anarana ho antsika izany

"Aoka isika hanitatra /hahalehibe ny lazantsika"

anarana

"laza"

hiparitaka isika

Azo atao izany hoe: DH: "hotafasaraka isika ary hipetraka any amin'ny toerana samy hafa"

Genesis 11:5

ireo taranak'i Adama

"ny olona"

nidina

Afaka atao mazava ny mahakasika ny toerana izay nidinany: " nidina avy any an-danitra." Tsy milaza izay fomba nidinany izany. Mampiasa teny mahalaza ny hoe "nidina" amin'ny ankapobeny.

mba hijery

"mba handinika" na "mba hijery akaiky kokoa"

vahoaka iray mitovy fiteny

Ny vahoaka rehetra dia vondrona iray lehibe ary niresaka tamin'ny fiteny mitovy.

ary manomboka manao izany izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1)" efa nanomboka nanao izany izy ireo," izay midika fa efa nanomboka namboatra ny tilikambo izy ireo ary mbola tsy vita izany, na 2)"izany ihany no zavatra voalohany efa nataon'izy ireo", izay midika fa amin'ny ho avy dia hanao zavatra lehibe kokoa izy ireo.

tsy hisy zavatra izay kasain'izy ireo hatao ka tsy ho vitan'izy ireo

Azo atao izany hoe: DH" ny zavatra rehetra izay kasain'izy ireo atao dia ho vitan'izy ireo"

andeha

Raha manana fomba ilazana ny fahamaikana sy ny fibaikoana olona hanomboka asa ny fiteninao, tahaka ny teny Anglisy "Koa ndeha!" dia afaka ampiasainao eto izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:3.

andeha isika hidina

Ny teny hoe "isika" dia ilazana an'Andriamanitra. Ao ireo mandika izany hoe: "Aoka Aho hidina" na "hidina Aho." Raha manao izany ianao, mihevara hanampy fanamarihana ambany pejy milaza fa ilazana mpandray anjara maro. Jereo ny fanamarihana ambany pejy amin'ny hoe "Andeha isika hamorona" ao amin'ny 1:26.

hampifangaro ny fitenin'izy ireo

Midika izany fa hanatsahatra ny fitenenan'ny olona manerana ny tany amin'ny teny mitovy i Yaveh. DH: " hampifangaro ny fitenin'izy ireo "

mba tsy hifankahazo izy ireo

Izany no tanjon'ny fampifangarona ny tenin'izy ireo. DH: "mba tsy hahafahan'izy ireo mahazo izay ifampiresahany" (UDB)

Genesis 11:8

avy teo

"avy teo amin'ilay tanàna"

natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh

Ny anarana hoe: "Babela" dia mitovy fanonona amin'ny teny izay midika hoe "mifanjevo." Ireo mpandika teny dia mety te hanampy fanamarihana ambany pejy mahakasika izany.

nanafangaro ny fiteny manerana ny tany

Midika izany fa nataon'i Yaveh izay tsy iresahan'ny olona maneran-tany amin'ny fiteny mitovy. DH: "nanafangaro ny fiteny manerana ny tany"

Genesis 11:10

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny ambiny sisa amin'ity toko ity dia mitanisa ireo taranak'i Sema hatrany amin'ny Abrama.

Ireto ny taranak'i Sema

Izany fehezanteny izany no fiantomboan'ny fitanisana Ireo ny taranak'i Sema.

safo-drano

Ilay safo-drano tamin'ny andron'i Noa izany raha tonga ratsy ny olona ka nandefa safo-drano manerana ny tany hanarona ny tany manontolo Andriamanitra.

tonga rain'i Arpaksada

"nanana an'i Arpaksada zanany lahy" na "teraka i Arpaksada zanany lahy"

Arpaksada

anaran-dehilahy

Zato ... roa ... dimanjato

Ireo mpandika teny dia mety hanoratra teny na tarehimarika "100", "2", sy "500." (Ny ULB sy ny UDB dia mampiasa ny tarehimarika raha telo na mihoatra ilay andian-teny; soratana amin'ny teny kosa raha teny iray na roa.)

Genesis 11:12

tonga rain'i Sela

"teraka i Sela zanany lahy"

Sela

anaran-dehilahy

Genesis 11:14

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Genesis 11:16

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Genesis 11:18

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Genesis 11:20

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Genesis 11:22

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Genesis 11:24

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.

Abrama, Nahora sy Harana

Tsy fantatsika izay filaharan'ny nahaterahan'ireo zanany lahy ireo.

Genesis 11:27

Ary ireto ireo taranak'i Tera

Izany fehezanteny izany no mampiditra ny tantaran'ireo taranak'i Tera. Ny Genesisy 11:27-25:11 dia miresaka momban'ireo taranak'i Tera, indrindra i Abrama zanany lahy. DH: "Tantaran'ireo taranak'i Tera izany"

Harana dia maty teo amin'ny fanatrehan'ny Tera rainy

Midika izany fa maty i Harana raha mbola velona i Tera rainy. DH: "maty i Harana raha mbola velona i Tera, rainy"

Genesis 11:29

naka vady

"naka ireo vehivavy ho vady"

Iska

anaram-behivavy izany.

Ary

Izany teny izany dia nampiasaina hampidirana ny fampahafantarana vaovao mahakasika an'i Saray izay hanan-danja ao amin'ireo toko manaraka.

momba

Izany teny izany dia manoritsoritra ny vehivavy izay manana toe-batana tsy afakahitoe-jaza na ho bevohoka.

Genesis 11:31

azy (...ny)

Eto ny teny "azy/ ...ny" dia ilazana an'i Tera.

Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany lahy

vinanto, vadin'i Abrama zanany lahy - "Saray vinantovaviny, izay vadin'ny Abrama zanany lahy"

Harana ... Harana

Anarana roa samy hafa izany ary samy manana ny fanonona azy izany amin'ny Hebreo. Ny iray ilazana olona ary ny iray hafa ilazana tanàna. (Ny '"h" ao amin'ny anaran-tanàna dia tononona mafimafy kokoa nohon'ny "h" ao amin'ny anaran'olona.) Amin'ny fiteninao dia afaka mifidy ny fanonona roa samy hafa ianao mba hanehoana izany.