40

1 Ary taorian'izany zavatra rehetra izany, dia nanafintohina ny tompon'izy ireo, ilay mpanjakan'i Egypta, ny mpitondra kapoakan'ny mpanjaka sy ny mpanao mofony. 2 Tezitra tamin'ireo manam-pahefany roa lahy i Farao, dia ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. 3 Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo, tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany. 4 Nanendry an'i Josefa ny lehiben'ny mpiambina mba ho mpanompon'izy ireo. Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja. 5 Samy nanonofy izy ireo—ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'ny mpanjakan'ny Egypta izay nohazonina tao amin'ny fonja—dia samy nanana ny nofiny avy izy roa lahy tamin'io alina io, ary ny nofy tsirairay dia samy nanana ny heviny manokana. 6 Tonga maraina tao amin'izy ireo i Josefa ary nahita azy ireo. Indro, nalahelo izy ireo. 7 Nangataka tamin'ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony izy, nanao hoe: "Nahoana ianareo no toa malahelo izao?" 8 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nanofy izahay roa lahy ary tsy misy afaka ny hilaza ny hevitr'izany." Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany? Mba lazao ahy re." 9 Dia nilaza ny nofiny tamin'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka. Hoy izy taminy hoe: "Tao anatin'ny nofiko, dia indro, nisy voaloboka teo anoloako. 10 Nisy sampana telo tamin'ilay voaloboka. Raha nitsimoka izany, dia namony ny voniny ary masaka ireo sampam-boaloboka. 11 Teo an-tanako ny kapoakan'i Farao. Nalaiko ireo voaloboka ka nofihazako tao anatin'ny kapoakan'i Farao ireo, ary napetrako teo an-tanan'i Farao izany." 12 Niteny taminy Josefa hoe: "Ity no hevitr'izany. Ny sampam-boaloboka telo dia mira hateloana. 13 Ao anatin'ny hateloana i Farao no hampitraka ny lohanao ary hamerina anao amin'ny asanao. Hametraka ny kapoakan'i Farao eo an-tanany ianao, toy ny tamin'ny naha-pitondra ny kapoakany anao. 14 Fa tsarovy aho rehefa milamina ny aminao, ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko. Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity. 15 Fa nalaina an-keriny tamin'ny tany Hebreo tokoa aho. Eto ihany koa dia tsy nisy zavatra nataoko izay tokony nametrahan'izy ireo ahy ato amin'ity fonja ity." 16 Rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny hevitr'izany, dia hoy izy tamin'i Josefa hoe: "Nanofy ihany koa aho, ary, indro, nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako. 17 Teo amin'ny harona ambony indrindra dia nisy ireo karazan-javatra maro natao mofo ho an'i Farao, kanefa nohanin'ireo vorona avy tao amin'ny harona teo ambony lohako izany. 18 Namaly Josefa ary nanao hoe: "Izao no hevitr'izany. Ny harona anaky telo dia mira hateloana. 19 Anatin'ny hateloana no hanalan'i Farao ny lohanao ary hanantonany anao eo ambony hazo. Ary hihinana ny nofonao ireo vorona." 20 Ary tamin'ny andro fahatelo ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Farao. Nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy. "Nasandrany" ny lohan'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ilay lehiben'ny mpanao mofo, teo amin'ireo mpanompony. 21 Naveriny tamin'ny andraikiny ny lehiben'ny mpitondra kapoaka, ary nametraka ilay kapoaka teo an-tanan'i Farao indray izy. 22 Fa nahantony kosa ny lehiben'ny mpanao mofo, arak'izay nolazain'i Josefa tamin'izy ireo. 23 Kanefa tsy mbola nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa adinony aza ny momba azy.