39

1 Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2 Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy. 3 Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony. 4 Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany. 5 Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha. 6 Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika. 7 Ary tao aorian'izay dia nitsiriritra an'i Josefa ny vadin'ny tompony. Hoy izy hoe: "Mandria miaraka amiko." 8 Fa nandà izy ka niteny tamin'ny vadin'ny tompony hoe: "Indro, ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano, ary nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy. 9 Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity. Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy, satria vadiny ianao. Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?" 10 Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy, saingy nandà tsy hiara-handry aminy na hiaraka aminy izy. 11 Ary indray andro dia niditra tao an-trano hanao ny asany izy. Tsy nisy tamin'ireo lehilahy ao an-trano nijanona tao. 12 Nisambotra azy tamin'ny akanjony izy ary niteny hoe: "Mandria miaraka amiko." Navelany teo an-tanany ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy. 13 Ary rehefa hitany fa navelany teo an-tanany ny akanjony ary nandositra nivoaka tany ivelany izy, 14 dia nantsoiny ireo olona tao an-tranony ary nilazany hoe: "Jereo, Potifara nampiditra Hebreo mba hisangy antsika. Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko, dia nihiakiaka aho. 15 Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy." 16 Napetrany teo akaikiny ilay akanjon'i Josefa mandra-pahatonga ny tompony tao an-trano. 17 Niteny taminy izao fanazavana izao izy hoe: "Ilay mpanompo Hebreo izay nentinao ho antsika, dia niditra tato haniratsira ahy. 18 Ary rehefa nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy." 19 Ary rehefa henon'ny tompony ny fanazavana notenenin'ny vadiny taminy hoe: "Izany no nataon'ny mpanomponao tamiko," dia tezitra mafy izy. 20 Naka azy ny tompon'i Josefa ka nametraka azy tany am-ponja, toerana izay nitazomana ireo voafonjan'ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina izy. 21 Fa Yaveh nomba an'i Josefa ka naneho ny tsy fivadiham-panekena taminy. Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy. 22 Nampandray an-tanana an'i Josefa ny voafonja rehetra izay tao an-tranomaizina ilay mpiambina ny fonja. Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa. 23 Ny mpiambina ny fonja dia tsy nanahy ny zavatra rehetra izay teo an-tanany, satria nomba azy Yaveh. Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh.