38

1 Ary tamin'izany andro izany dia nandao ireo rahalahiny i Joda ary niara-nipetraka tamina Adolamita, izay nantsoina hoe Hira. 2 Tany no nihaonany tamin'ny zanaka vavin'ny lehilahy Kananita izay nantsoina hoe Soa. Nanambady azy izy ary niara-nandry taminy. 3 Nanan'anaka izy ary nahazo zazalahy. Era no niantsoana azy. 4 Nanan'anaka indray izy ary nahazo zazalahy. Nantsoiny hoe Onana. 5 Ary mbola nahazo zazalahy indray izy ary nantsoiny hoe Sela. Tany Keziba no niterahany azy. 6 Joda nahita vady ho an'i Era, lahimatoany. Tamara no anarany. 7 Era zanaka lahimatoan'i Joda dia ratsy teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh izy. 8 Hoy Joda tamin'i Onana hoe: "Mandria miaraka amin'ny vadin'ny rahalahinao. Ataovy aminy ny adidy amin'ny maha-zaodahy anao, ary manangàna zanaka ho an'ny rahalahinao." 9 Ary fantatr'i Onana fa ny zaza dia tsy ho azy. Ka isaky ny niara-nandry tamin'ny vadin-drahalahiny izy, dia nararany tamin'ny tany ny tsirin'ainy mba tsy hananany zaza ho an'ny rahalahiny. 10 Ratsy ny nataony teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh ihany koa izy. 11 Ary hoy Joda tamin'i Tamara, vinanto vaviny hoe: "Aoka ianao hijanona mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehibe an'i Sela, zanako lahy." Satria natahotra izy hoe: "Sao ho faty tahaka ireo rahalahiny ihany koa izy." Lasa Tamara ary nipetraka tao an-tranon'ny rainy. 12 Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny vadin'i Joda, zanaka vavin'i Soa. Efa nionona i Joda ary niakatra tany amin'ny mpanety ny ondriny tany Timna, izy sy Hira ilay Adolamita namany. 13 Nisy nilaza tamin'i Tamara hoe: "Indro, ny rafozanao fa miakatra any Timna hanety ny ondriny." 14 Nesoriny ny akanjo maha-mpitondratena azy dia norakofany ny voaliny ary nosaronany ny tenany. Nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay teo akaikin'ny lalana mankany Timna izy. Satria efa hitany fa efa lehibe i Sela kanefa tsy mba natolotra ho vadiny izy. 15 Rehefa nahita azy i Joda dia nihevitra fa mpivaro-tena izy satria nosaronany ny tarehiny. 16 Nanatona azy teny an-dalana izy ary niteny hoe: "Avia, aleo aho mba hiara-mandry aminao" —satria tsy fantany hoe vinantovaviny izy—ary hoy izy hoe: "Inona no homenao ahy dia afaka miara-mandry amiko ianao?" 17 Hoy izy hoe: "Hanaterako zanak'osy amin'ireo ondry aman'osy ianao." Hoy izy hoe: "Hanome antoka ahy ve ianao mandra-panateranao izany?" 18 Hoy izy hoe: "Inona no antoka azoko omena anao?" Namaly izy hoe: "Fanombohan-kase sy ny kofehinao, ary iny tehina eny an-tananao iny." Nomeny azy ireo ary niara-nandry taminy izy, ka dia nitoe-jaza taminy izy. 19 Nitsangana izy ary niala teo. Nesoriny ny voaliny ary nampidiriny ny lamba maha mpitondratena azy. 20 Nampanaterin'i Joda an'ilay Adolamita namany ny zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy mba hahazoany ilay antoka teny an-tanan-dravehivavy, kanefa tsy nahita azy izy. 21 Avy eo dia nanontany ireo lehilahy nonina teo an-toerana ilay Adolamita hoe: "Aiza ilay mpivarotena teto amin'ny lalan'i Enaima?" Hoy izy ireo hoe: "Tsy nisy mpivaro-tena teto." 22 Dia niverina tany amin'i Joda izy ary hoy izy hoe: "Tsy nahita azy aho. Ary hoy koa ireo lehilahy teo an-toerana hoe: 'Tsy nisy mpivaro-tena teto" 23 Hoy i Joda hoe: "Aleo ho tazominy any ireny zavatra ireny, mba tsy hanala baraka antsika. Efa nampanatitra zanak'osy tokoa aho, kanefa ianao tsy nahita azy." 24 Ary rehefa afaka telo volana teo dia nisy nilaza tamin'i Joda hoe: "Nivarotena i Tamara vinantovavinao, ary efa mitoe-jaza noho izany tokoa izy." Hoy Joda hoe: "Ento aty izy ary aoka ho dorana." 25 Ary rehefa navoaka izy dia nampita hafatra tany amin'ny rafozany hoe: "Avy amin'ny lehilahy tompon'ireto no nampitoe-jaza ahy." Hoy izy hoe: "Mba fantaro re hoe an'iza ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto." 26 Ary fantatr'i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: "Marina mihoatra ahy izy, satria izy dia tsy natolotro ho vadin'i Sela zanako." Ary tsy niara-nandry taminy intsony izy. 27 Ary tamin'izany andro izany dia teraka izy, indro, kambana no tao an-kibony. 28 Ary raha teo am-piterahana dia nipoitra ny tanan'ny iray tamin'ireo zaza, ary naka kofehy mena ilay mpampivelona ka nataony voina tamin'ny tanany ary hoy izy hoe: "Ity no teraka voalohany." 29 Ary avy eo dia nahemony ny tanany, ary indro, ny rahalahiny nivoaka voalohany. Hoy ilay mpampivelona hoe: "Tamin'ny fomba ahoana no nahatafavoaka anao!" Koa dia nantsoina hoe Fareza izy. 30 Ary nivoaka indray ilay rahalahiny, izay nisy an'ilay kofehy mena tamin'ny tanany ka nantsoina hoe Zera izy.