37

1 Nonina tany amin'ilay tany izay nitoeran'ny rainy i Jakoba, tao amin'ny tany Kanana. 2 Izao ny tranga mahakasika an'i Jakoba. Josefa, izay tovolahy fito ambin'ny folo taona, dia niambina ireo ondry aman'osy niaraka tamin'ireo rahalahiny. Izy dia niaraka tamin'ireo zanaka lahin'i Bila sy ireo zanaka lahin'i Zilpa, ireo vadin'ny rainy. Nanao tatitra ratsy momba azy ireo tamin'ny rainy i Josefa. 3 Ary dia tian'i Israely mihoatra noho ireo zanany lahy hafa i Josefa noho izy zanakin'ny fahanterany. Nanjairany akanjo tsara tarehy izy. 4 Hitan'ireo rahalahiny fa tian'ny rainy mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra izy. Nankahala azy izy ireo ary tsy niteny am-pitiavana taminy. 5 Nahazo nofy i Josefa, ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany. Vao maika nankahala azy izy ireo. 6 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mba henoy anie izao nofiko izay nonofisiko izao. 7 Indro, namehy amboaram-bary tany an-tsaha isika ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro tsara, ary indro, nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako." 8 Hoy ireo rahalahiny taminy hoe: "Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao?" Vao maika izy ireo nankahala azy noho ireo nofiny sy ireo teniny. 9 Dia mbola nanofy hafa indray izy ka nambarany tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy hoe: "Mbola nahazo nofy hafa indray aho: Niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo." 10 Notantarainy tamin-drainy izany toy ny nataony tamin'ireo rahalahany, ka notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe: "Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao?" 11 Nialona azy ireo rahalahany, fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany tao an-tsainy. 12 Nandeha niandry ireo ondry aman'osin-drainy tany Sekema ireo rahalahiny. 13 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao? Avia, fa hirahiko ho any amin'izy ireo ianao." Hoy Josefa taminy hoe: "Vonona aho." 14 Hoy izy taminy hoe: "Mandehana, ndeha zahao raha salama ireo rahalahinao sy ireo ondry aman'osy, ary tatero aty amiko." Ary dia navoakan'i Jakoba nihoatra ny lohasahan'i Hebrona izy, ary Josefa nankany Sekema. 15 Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha. Nanontany azy ilay lehilahy hoe: "Inona no tadiavinao?" 16 Hoy Josefa hoe: "Mitady ireo rahalahiko aho. Miangavy, mba lazao ahy re, aiza izy ireo no miandry ireo ondry aman'osy." 17 Hoy ilay lehilahy hoe: "Efa nandao ity toerana ity izy ireo, ary reko izy ireo niteny hoe: 'Andeha isika ho any Dotana."' Nanaraka ny dian'ireo rahalahany i Josefa ka nahita azy ireo tany Dotana. 18 Tazan'izy ireo avy lavitra izy, ary talohan'ny nahatongavany teo akaikin'izy ireo, dia nanao tetika hamonoana azy izy ireo. 19 Nifampiresaka ireo rahalahany hoe: "Jereo, tamy ilay mpanonofy. 20 Avia ankehitriny, andeha ho vonointsika izy ka hatsipintsika ao amin'iray amin'ireo lavaka. Ho lazaintsika hoe: 'Narapakin'ny bibidia izy.' Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny." 21 Nandre izany Robena ka namonjy azy teo am-pelan-tanan'izy ireo. Hoy izy hoe: "Aleo tsy esorintsika ny ainy." 22 Hoy Robena tamin'izy ireo hoe: "Aza mandatsa-drà. Atsipazo any amin'ny lavaka izay an'efitra izy, fa aza mikasi-tanana azy"— mba hafahany manavotra azy eo an-tanan'izy ireo ka hitondra azy miverina any amin-drainy. 23 Ary rehefa tonga teo amin'ireo rahalahiny Josefa, dia nendahan'izy ireo taminy ilay akanjo tsara tarehy. 24 Noraisin' izy ireo izy ary natsipiny tao anaty lavaka. Foana ilay lavaka ary tsy nisy rano tao anatiny. 25 Nipetraka izy ireo mba hihinana mofo. Nanandratra ny masony izy ireo ka nijery, indreny, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada, niaraka tamin'ny ramevan'izy ireo izay nitondra hanitra, sy balsama ary miora. Nandeha izy ireo mba hitondra izany hidina ho any Egypta. 26 Hoy Joda tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no tombotsoa ho azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny ràny isika? 27 Ndeha, ary aoka hamidintsika amin'ireo Ismaelita izy ary aoka tsy hisy hikasi-tanana azy isika. Satria rahalahintsika izy, nofontsika izy." Nihaino azy ireo rahalahiny. 28 Nandalo ireo Midianita mpivaro-mandeha. Nosintomin'ireo rahalahiny ary nankariny avy tao an-davaka i Josefa. Namidin'izy ireo farantsa volafotsy roapolo tamin'ireo Ismaelita i Josefa. Dia nentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa. 29 Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, indro, tsy tao anaty lavaka i Josefa. Norovitiny ny fitafiany. 30 Niverina tany amin'ireo rahalahiny izy ary niteny hoe: "Tsy ao ilay zazalahy! Aiza no tany halehako?" 31 Namono osy iray izy ireo ary naka ny akanjon'i Josefa ka nanatsoboka izany tao amin'ilay rà. 32 Ary dia nentin'izy ireo tany amin'ny rainy izany ary hoy izy ireo hoe: "Hitanay ity. Mba jereo raha akanjon'ny zanakao ity na tsia." 33 Fantatr'i Jakoba izany ary hoy izy hoe: "Akanjon'ny zanako ity. Narapaky ny bibidia izy. Tena rotidrotika tokoa Josefa." 34 Nandrovitra ny fitafiany Jakoba ary nisikina lamba fisaonana teo am-balahany. Nisaona ny zanany nandritry ny andro maro izy. 35 Nitsangana nampionona azy avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina izy. Hoy izy hoe: "Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona ny zanako lahy." Nitomany azy ny rainy. 36 Namidin'ireo Midianita tany Egypta tamin'i Potifara izy, tandapan'i Farao, ilay lehiben'ny mpiambina.