41

1 Ary rehefa afaka roa taona naninjitra dia nanana nofy iray Farao. Raha nitsangana teo amin'i Neily izy. 2 Dia indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, mampitsiriritra sy matavy, ary niraoka vilona teo amin'ny sisiny ireo. 3 Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka avy tao amin'i Neily taorian'ireo, tsy maha te-ho tia sy mahia. Nankeo akaikin'ireo omby vavy hafa teo amoron'ny renirano ireo. 4 Avy eo ireo omby vavy marary sy mahia nihinana ireo omby vavy mampitsiriritra sy matavy fito. Avy eo nifoha i Farao. 5 Natory indray izy ary nanofy fanindroany. Indro, nisy salohim-bary fito nitsiry avy tamin'ny taho iray, vokatra be sy tsara. 6 Indro, nisy salohim-bary fito hafa, manify ary main'ny rivotra antsinanana, nitsimoka taorian'ireo. 7 Nitelina ireo salohy fito vokatra be sy tsara ireo salohy manify. Taitra Farao, ary, indro, nofy izany. 8 Ary tonga ny maraina ka nihorohoro ny fanahiny. Naniraka ka nampiantso ireo mpahay ody sy olon-kendrin'i Egypta rehetra izy. Nolazain'i Farao tamin'izy ireo ny nofiny, fa tsy nisy iray tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamin'i Farao. 9 Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka niteny tamin'i Farao hoe: "Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako. 10 Tezitra tamin'ireo mpanompony i Farao, ka nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo. 11 Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy. Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay. 12 Nisy tovolahy Hebreo niaraka taminay tao, mpanompon'ilay kapitenin'ny mpiambina. Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy. Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy. 13 Ary raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany. Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho, fa ilay iray hafa nahantony." 14 Avy eo Farao naniraka ka nampiantso an'i Josefa. Navoakan'izy ireo faingana tao an-tranomaizina izy. Niaratra izy, nisolo akanjo, ary nankany amin'i Farao. 15 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Nanofy aho, fa tsy misy afaka manazava izany. Fa nandre momba anao aho, fa rehefa mahare nofy ianao dia afaka manazava izany. 16 Namaly an'i Farao i Josefa, nanao hoe: "Tsy ato amiko izany. Andriamanitra no hamaly an'i Farao araka izay sitrany." 17 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Tao amin'ny nofiko, dia indro, nitsangana teo amin'ny sisin'i Neily aho. 18 Indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, matavy sy mampitsiriritra, ary niraoka bozaka teo amin'ny sisiny ireo. 19 Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka tao aorian'izy ireo, tsy maha-te-ho tia, ary mahia. Tsy mbola nahitana faharatsiana tahaka izany mihitsy aho nanerana ny tanin'i Egypta manontolo. 20 Ireo mahia sy omby vavy ratsy no nihinana ireo omby vavy matavy voalohany. 21 Rehefa lanin'izy ireo izany, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe nohanin'izy ireo izany, satria mbola ratsy toy ny teo aloha ihany izy ireo. Avy eo dia nifoha aho. 22 Niverina nanofy indray aho, ary, indro, nisy salohim-bary fito nitsimoka tamin'ny taho iray, vokatra be ary tsara. 23 Indro, nisy salohim-bary fito hafa, malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana, nitsimoka taorian'ireo. 24 Nitelina ireo salohim-bary fito tsara ireo salohim-bary manify. Nolazaiko tamin'ireo mpahay ody izany, fa tsy nisy tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamiko." 25 Hoy Josefa tamin'i Farao hoe: "Mitovy ireo nofin'i Farao ireo. Izay ho ataon'Andriamanitra, dia nambarany tamin'i Farao. 26 Ireo omby vavy fito tsara dia ny fito taona, ary ny salohim-bary fito dia ny fito taona. Mitovy ireo nofy ireo. 27 Ireo omby vavy fito mahia sy tsy maha-te-hotia izay tonga taorian'izy ireo dia taona fito, ary ireo salohim-bary manify fito main'ny rivotra atsinanana ihany koa dia taona fiton'ny mosary. 28 Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao. Izay ho ataon'Andriamanitra dia nambarany tamin'i Farao. 29 Indro, fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra. 30 Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany, ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta, ary handringana ny tany ny mosary. 31 Ho adino ao amin'ilay faritra ny fitobahana nohon'ny mosary izay manaraka izany, dia hasiaka tokoa. 32 Naverimberina tamin'i Farao izany nofy izany satria izany tranga izany dia efa novolavolain'Andriamanitra, ary hanao izany tsy ho ela Andriamanitra. 33 Ary aoka Farao hitady olona manan-tsaina sy hendry, ka hametraka azy amin'ny tany Egypta. 34 Aoka Farao hanao izao: aoka izy hanendry mpiandraikitra ny tany. Aoka izy ireo haka ny ampahadimin'ny vokatr'i Egypta amin'ny taona fiton'ny fitobahana. 35 Aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra amin'io taona tsara izay ho avy io ka hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao, mba ho sakafo ho an'ireo mponina. Tokony arovan'izy ireo izany. 36 Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany amin'ny fito taonan'ny mosary izay ho ao amin'ny tany Egypta. Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary. 37 Tsara teo imason'i Farao sy teo imason'ireo mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38 Hoy Farao tamin'ireo mpanompony rehetra hoe: "Afaka mahita olona tahaka izany ve isika, izay ao aminy ny Fanahin'Andriamanitra?" 39 Ka hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Satria Andriamanitra nampiseho anao izany rehetra izany, dia tsy misy hafa misaina lalina sy hendry tahaka anao. 40 Hitantana ny tranoko ianao, ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra. Eo amin'ny seza fiandrianana ihany aho no ho ambony noho ianao. 41 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Indro, apetrako aminao ny tanin'i Egypta rehetra." 42 Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ary natsofony tamin'ny tanan'i Josefa. Nampiankanjoany lamba rongony manify izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. 43 Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy. Nihiakiaka nanoloana azy ny olona hoe: "Mandohaliha." Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra izy. 44 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Izaho no Farao, ary ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra. 45 Niantso ny anaran'i Josefa hoe: "Zafenata Panea" i Farao. Nomeny ho vadiny i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona. Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa. 46 Telopolo taona Josefa raha nitsangana teo anatrehan'i Farao izy, ilay mpanjakan'i Egypta. Niala teo amin'ny fanatrehan'i Farao izy, ary namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra. 47 Nandritry ny fito taona zina dia namokatra be ny tany. 48 Nangoniny avokoa ny sakafo rehetra nandritry ny fito taona izay tao amin'ny tany Egypta ary napetrany tany amin'ireo tanàn-dehibe. Napetrany isaky ny tanàna ny sakafo izay avy amin'ny saha manodidina izany. 49 Nangonin'i Josefa tahaka ny fasiky ny ranomasina ny voa, betsaka loatra ka nitsahatra nanisa izy, satria tsy hita isa izany. 50 Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary, dia nanana zanaka roa lahy, tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona, i Josefa. 51 Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nampanadino ahy ny olana rehetra sy ny ankohonan'ny raiko rehetra." 52 Nantsoiny hoe Efraima ny zanaka lahiny faharoa, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nahamaro ahy teo amin'ny tanin'ny fahoriako." 53 Andalam-pifaranana ireo fito taonan'ny fahabetsahana tao amin'ny tany Egypta. 54 Nanomboka ny fito taonan'ny mosary, araka ny nolazain'i Josefa. Nisy mosary teo amin'ny tany rehetra, kanefa nisy sakafo kosa teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra. 55 Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta, dia niantsoantso sakafo tamin'i Farao ny vahoaka. Hoy Farao tamin'ireo Egyptiana rehetra hoe: "Mankanesa any amin'i Josefa ary ataovy izay lazainy anareo." 56 Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary. Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana. Mafy tokoa ny mosary tao amin'ny tanin'i Egypta. 57 Tonga tao Egypta avokoa ireo firenena rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.