34

1 Ary Dina, zanaka vavin'i Lea tamin'i Jakoba, nandeha mba hihaona amin'ireo zazavavin'ilay faritra. 2 Sekema zanaka lahin'i Hamora Hivita, ilay andriandahin'ny tany, nahita azy dia naka an-keriny azy, sy nanery azy ary niara-nandry taminy. 3 Nahasarika azy tokoa i Dina, ilay zanaka vavin'i Jakoba. Tia an'ilay zazavavy izy ary niresaka tam-pitiavana taminy. 4 Niresaka tamin'i Hamora rainy i Sekema, nanao hoe: "Alaivo mba ho vadiko io tovovavy io." 5 Ary Jakoba nandre fa efa nandoto an'i Dina ilay zanany vavy izy. Tany an-tsaha niaraka tamin'ireo biby fiompy ireo zanany lahy, noho izany dia nitazona ny fahanginany mandra-pahatongan'izy ireo i Jakoba. 6 Nankany amin'i Jakoba mba hiresaka aminy i Hamora rain'i Sekema. 7 Tonga avy any an-tsaha ireo zanaka lahin'i Jakoba raha nandre ny olana. Tohina tokoa ireo lehilahy ireo. Tezitra mafy izy ireo satria nanala baraka an'Israely izy tamin'ny fanaovany an-keriny ny zanaka vavin'i Jakoba, fa izany karazan-javatra izany dia tsy tokony natao. 8 Niresaka tamin'izy ireo i Hamora, nanao hoe: "Sekema zanako lahy dia tia ny zanakao vavy. Ka mba omeo ho vadiny re izy. 9 Mifanambadia aminay, omeo anay ny zanakao vavy, ary alaivo ho anareo ny zanakay vavy. 10 Hiara-honina aminay ianareo, ary ny tany hisokatra ho anareo mba hitoerana sy hanaovana varotra, ary ho lasa fananana." 11 Hoy Sekema tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny hoe: "Aoka hahita sitraka eo imasonareo aho, ary na inona na inona lazainareo ahy dia homeko. 12 Angataho amiko na dia lafo aza ny sandan'ny vady sy ny fanomezana araka izay sitrakareo, ary homeko anareo na inona na inona teneninareo amiko, fa omeo ho vadiko ilay tovovavy. 13 Namaly am-pitaka an'i Sekema sy Hamora rainy ireo zanaka lahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabavin'izy ireo i Sekema. 14 Hoy ireo tamin'izy ireo hoe: "Tsy afaka manao izany zavatra izany izahay, hanome ny anabavinay ho an'ny olona izay tsy voafora; fa ho fahafaham-baraka ho anay izany. 15 Amin'izao fepetra izao ihany no hanekenay anareo: raha mifora toa anay ianao, ary raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo aminao. 16 Dia homenay anareo ireo zanakay vavy, ary ho alainay ho anay ireo zanakareo vavy, dia hiara-honina isika ka ho tonga vahoaka iray. 17 Fa raha tsy mihaino anay ianareo ka tsy mifora, dia ho entinay ny anabavinay ary handeha izahay." 18 Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo. 19 Fa ilay tovolahy dia tsy nitaredretra nanao izay nolazain'izy ireo, satria finaritra tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba izy, ary satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra. 20 Nankany amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo i Hamora sy Sekema ary niresaka tamin'ireo olon'ny tanàna, nanao hoe: 21 "Mihavana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy ireo honina amin'ny tany sy hanao varotra eo amin'izany, satria tokoa, tena, midadasika ampy ho azy ireo ny tany. Haka ny zanaka vavin'izy ireo ho vady isika, ary hanome azy ireo ny zanantsika vavy. 22 Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo. 23 Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra? Koa aoka hanaiky azy ireo isika, dia honina eo amintsika izy ireo." 24 Nihaino an'i Hamora sy Sekema, ilay zanany lahy avokoa ny olona rehetra tao an-tanàna. Noforaina avokoa ny lehilahy rehetra. 25 Tamin'ny andro fahatelo, raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo, ny roa tamin'ny zanaka lahin'i Jakoba (Simeona sy Levy, anadahin'i Dina), dia samy nandray ny sabatrany ary nanafika ny tanàna izay azo antoka ny fiarovana azy, izy ireo, ka namono ny lehilahy rehetra. 26 Novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatr'izy ireo i Hamora sy Sekema zanany. Nalain'izy ireo tao an-tranon'i Sekema i Dina ary lasa izy ireo. 27 Nankeo amin'ireo faty ireo zanaka lahy hafan'i Jakoba ary nandroba ny tanàna, satria efa nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona. 28 Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo, ny ombin'izy ireo, ny borikin'izy ireo, ary ny zavatra rehetra tao amin'ny tanàna sy izay nanodidina ny saha 29 niaraka tamin'ny haren'izy ireo rehetra. Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo. Nalain'izy ireo hatramin'ny zavatra rehetra izay tao an-trano. 30 Hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy hoe: "Nitondra olana ho ahy ianareo, nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany, ireo Kananita sy ireo Perizita. Vitsy an'isa aho. Raha miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako." 31 Fa Simeona sy Levy nanao hoe: "Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?"