35

1 Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe: "Mitsangàna, mandehana miakatra any Betela ary mipetraha any. Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra, izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Esao rahalahinao." 2 Ary Jakoba niteny tamin'ny ankohonany sy ireo rehetra niaraka taminy hoe: "Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo, diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo. 3 Andao isika hanainga ho any Betela. Hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra, izay namonjy ahy tamin'ny andro fahoriko, sy niaraka tamiko foana na taiza na taiza nalehako." 4 Dia nomen'izy ireo an'i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay teny an-tanany, sy ireo kavina teny an-tsofin'izy ireo. Nalevin'i Jakoba tao ambanin'ny hazo teribina izay akaikin'i Sikema ireo. 5 Raha nandeha izy ireo, dia nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna manodidina azy ireo, koa dia tsy nanenjika ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo olona ireo. 6 Tonga tao Lozy i Jakoba (izay ao Betela ihany), izay ao amin'ny tany Kanana, izy sy ireo olona rehetra izay niaraka taminy. 7 Nanangana alitara tao izy ary nantsoiny hoe El-betela izany toerana izany, satria tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy, raha nandositra ny rahalahiny izy. 8 Ary maty i Debora, mpitaiza an'i Rebeka. Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela tao amban'ilay hazo terebinta izy, koa dia nantsoina izany hoe Alona-bakota. 9 Rehefa niverina avy any Padan-Arama i Jakoba, dia niseho taminy indray Andriamanitra ary nitso-drano azy. 10 Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Jakoba no anaranao, kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao. Fa atao hoe Israely." Dia natsoin'Andriamanitra hoe Israely ny anarany. 11 Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Miteraha maro ary mihamaroa. Hisy firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao, ary mpanjaka no ho eo amin'ireo taranakao. 12 Ilay tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka, dia homeko anao. Ho an'ireo taranakao izay mandimby anao dia homeko an'ilay tany ihany koa. 13 Dia niakatra ka niala teo aminy, teo amin'ilay toerana izay niresahany taminy Andriamanitra. 14 Nanorina tsangam-bato teo amin'ilay toerana niresahan'Andriamanitra taminy i Jakoba, tsangam-bato vita tamin'ny vato. Nandraraka fanatitra sotroina sy nandraraka diloilo teo amin'izany izy. 15 Nantsoin'i Jakoba hoe Betela ilay toerana izay niresahan'Andriananitra taminy. 16 Niala tao Betela izy ireo. Raha mbola lavidavitra an'i Efratà izy ireo, dia nihetsi-jaza Rahely. Saro-piterahana izy. 17 Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy, dia nilaza taminy ilay mpampivelona hoe: "Aza matahotra, fa izao dia hahazo zazalahy iray hafa ianao." 18 Ary raha teo am-pialany aina, tamin'ny fara-fofonainy no niantsoiny azy hoe Benony izy, kanefa ny rainy niantso azy hoe Benjamina. 19 Maty Rahely ary nalevina teny amin'ny lalana mankany Efratà (izay atao hoe Betlehema). 20 Nanangana tsangam-bato teo ambonin'ny fasany i Jakoba. Izany no famantarana ny fasan'i Rahely hatramin'izao. 21 Nanohy ny diany Israely ary nanangana ny lainy tao ambadiky ny tilikambo fiambenana ireo ondry aman'osy. 22 Raha nipetraka tao amin'izany tany izany Israely, dia niara-nandry tamin'i Bila izay vaditsindranon-drainy i Robena, ka ren'i Israely izany. Ary nanan-janaka lahy roa ambin'ny folo i Jakoba. 23 Ireo zanany lahy avy tamin'i Lea dia Robena, ilay lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona, Levi, Joda, Isakara, ary Zebolona. 24 Ireo zanany lahy avy amin'i Rahely dia Josefa sy Bejamina. 25 Ireo zanany lahy avy amin'i Bila, izay mpanompovavin'i Rahely, dia Dana sy Naftaly. 26 Ireo zanaka lahy avy amin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea, dia Gada sy Asera. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama. 27 Jakoba tonga tany amin'i Isaka, rainy, tany Mamre any Kiriat-Arba (na Hebròna ihany koa), toerana izay nipetrahan'i Abrahama sy Isaka. 28 Niaina valopolo amby zato taona Isaka. Niala aina i Isaka ka maty ary nangonina ho any amin'ireo razambeny, zokiolona voky andro izy. 29 Esao sy Jakoba, ary ireo zanany lahy, no nandevina azy.