33

1 Nitazana ambony Jakoba ary, indro Esao nanatona, ary nisy lehilahy efajato niaraka taminy. Notsinjarain'i Jakoba tamin'i Lea, Rahely, ary ireo mpanompo vavy ireo ankizy. 2 Avy eo dia napetrany teny aloha ireo mpanompo vavy sy ny zanak'izy ireo, narahin'i Lea sy ireo zanany, ary narahin'i Rahely sy Josefa ny farany indrindra. 3 Izy mihitsy no nandeha nialoha azy ireo. Niankohoka impito teo amin'ny tany izy, mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny. 4 Nihazakazaka mba hitsena azy Esao, namihina azy, nisakambina ny tendany ary nanoroka azy. Avy eo dia nitomany izy ireo. 5 Rehefa nitazana ambony Esao, dia nahita ireo zaza amam-behivavy izy. Hoy izy hoe: "Iza ireo olona miaraka aminao ireo?" Hoy Jakoba hoe: "Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao." 6 Avy eo nandroso teny aloha ilay mpanompo vavy niaraka tamin'ireo zanany, ary niankohoka izy ireo. 7 Avy eo dia nanatona teny aloha ihany koa Lea sy ireo zanany ary niankohoka. Ary farany Josefa sy Rahely nanatona teny aloha ary niankohoka. 8 Hoy Esao hoe: "Inona no dikan'ny nandefasanao ireny vondrona rehetra nifanena tamiko ireny?" Hoy Jakoba hoe: "Mba hahazoana sitraka eo imason'ny tompoko." 9 Hoy Esao hoe: "Efa manana ny ampy aho, ry rahalahiko. Hazony ho an'ny tenanao izay anananao." 10 Hoy Jakoba hoe: "Tsia, miangavy re, raha efa nahita fitia eo imasonao aho, dia ekeo ny fanomezana avy amiko, izay eo an-tanako, eny tokoa, efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany, ary dia noraisinao aho. 11 Mba raiso re ny fanomezana izay nentina ho anao, satria efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra, ary satria efa manana ny ampy aho." Dia toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany. 12 Ary hoy Esao hoe: "Andeha isika hanainga. Handeha eo alohanareo aho." 13 Hoy Jakoba taminy hoe: "Ny tompoko dia mahafantatra fa mbola kely ireto ankizy, ary mbola mitaiza ny zanany ireo ondry sy omby. Raha entina mafy na dia iray andro monja aza izy ireo, dia ho faty avokoa ireo biby rehetra. 14 Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony. Handeha moramora kokoa aho, araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako, ary araka ny dian'ireto zaza, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira." 15 Hoy Esao hoe: "Avelao hajanoko aminao ny sasany amin'ireo lehilahy miaraka amiko." Fa hoy Jakoba hoe: "Nahoana no manao izany? Efa ampy ny hatsaram-panahin'ny tompoko tamiko." 16 Koa dia nanomboka ny diany hiverina ho any Seira i Esao tamin'io andro io. 17 Nandeha tany Sokota i Jakoba, nanangana trano ho azy, ary nanao fialofana ho an'ireo biby fiompiny. Noho izany dia nantsoina hoe Sokota io toerana io. 18 Rehefa avy tany Padana-Arama i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao amin'ny tanànan'i Sekema, izay tao amin'ny tany Kanana. Nitoby teo akaikin'ny tanàna izy. 19 Avy eo izy nividy ny ampahan-tany izay nanorenany ny lainy tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, tamin'ny volafotsy madinika zato. 20 Teo no nanorenany alitara ary nantsoiny hoe El-Elohe Israely izany.