32

1 Nandeha tamin'ny lalany ihany koa Jakoba, ary nihaona taminy ny anjelin'Andriamanitra. 2 Rehefa nahita azy ireo Jakoba, dia hoy izy hoe: "Ity no tobin' Andriamanitra," ka Mahanaima no niantsoany izany toerana izany. 3 Nandefa mpitondra hafatra nialoha azy Jakoba mba ho any amin'i Esao rahalahiny any amin'ny tanin'ny Seira, any amin'ny faritr'i Edoma. 4 Nibaiko azy ireo izy, niteny hoe: "Izao no ho lazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no vaolazan'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa nonina niaraka tamin'i Labana aho, ary nanemotra ny fodiako hatramin'izao. 5 Manana omby, boriky, ondry aman'osy, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy aho. Nandefa ity hafatra ity tany amin'ny tompoko aho, mba hahazoako sitraka eo imasonao.'" 6 Niverina tany amin'i Jakoba ireo mpitondra hafatra ary niteny hoe: "Nandeha tany amin'i Esao rahalahinao izahay. Ho avy hihaona aminao izy, ary efajato lahy no hiaraka aminy." 7 Ary natahotra mafy sy nihorohoro Jakoba. Ka nozarainy ireo vahoaka niaraka taminy mba ho antoko anankiroa, ary koa ireo ondry aman'osy, omby, rameva. 8 Hoy izy hoe: "Raha tonga amin'ny antoko iray Esao ka manafika izany, dia ho afa-mandositra ny antoko iray ambiny." 9 Hoy Jakoba hoe: "Ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, sy Andriamanitr'Isaka raiko, ry Yaveh, izay niteny tamiko hoe: 'Modia any amin'ny taninao sy ny havanao, ary Izaho hanambina anao,' 10 tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho. Fa ny tehiko no hany nentiko nita ity Jordana ity, ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho. 11 Mba vonjeo amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao aho, fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy hanafika ahy sy ny reny mbamin'ny zaza. 12 Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao, izay tsy ho tambo isaina.'" 13 Nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Naka ny sasany tamin'izay nananany niaraka taminy izy mba ho fanomezana ho an'i Esao rahalahiny: 14 osy vavy roanjato ary osy lahy roapolo, ondry vavy roanjato sy ondry lahy roapolo, 15 rameva be ronono telopolo ary ireo zana-borikin'izy ireo, omby vavy efapolo sy omby lahy folo, ampondra vavy roapolo ary ampondra lahy folo. 16 Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy. Niteny tamin'ny mpanompony izy hoe: "Mandehana eo alohako ary asio elanelana isaky ny andiam-biby." 17 Nanome toromarika ny mpanompo voalohany izy, niteny hoe: "Rehefa mifanena aminareo Esao rahalahiko ka manontany anareo, manaohoe: 'Olon'iza ianareo? Ho aiza ianareo? An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?' 18 Dia hiteny ianareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.'" 19 Nanome toromarika ny vondrona faharoa, ny fahatelo, ary ny lehilahy rehetra izay nanaraka ireo andiam-biby ihany koa i Jakoba. Hoy izy hoe: "Hilaza zavatra mitovy amin'i Esao ianareo rehefa mifanena aminy. 20 Tsy maintsy miteny ihany koa ianareo hoe: 'Jakoba mpanomponao dia avy ao afaranay.'" Fa nihevitra izy hoe: "Hampitony azy amin'ny fanomezana izay alefako eo alohako aho. Ary avy eo, rehefa hitako izy, dia angamba mety handray ahy izy." 21 Koa nalefa nialoha azy ireo fanomezana. Izy tenany nijanona tao an-toby iny alina iny. 22 Nifoha Jakoba nandritry ny alina, ary naka ny vadiny anankiroa, ny ankizivaviny anankiroa, ary ny zanany lahy iraika ambin'ny folo. Nalefany tany ampitan'ny fitàn'i Jaboka izy ireo. 23 Tamin'io no nampitany azy ireo tany ampitan'ny rano mandeha niaraka tamin'ireo fananany rehetra. 24 Tavela irery Jakoba, ary nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-parain'ny andro. 25 Rehefa hitan'ilay lehilahy fa tsy haharesy azy izy, dia novelesiny ny foto-pen'i Jakoba. Nipitsoka ny fotopen'i Jakoba raha nitolona taminy izy. 26 Niteny ilay lehilahy hoe: "Aleo aho handeha, fa efa ho mangiran-dratsy." Ary Jakoba niteny hoe: "Tsy hamela anao handeha aho raha tsy mitso-drano ahy ianao." 27 Dia hoy ilay lehilahy taminy hoe: "Iza no anaranao? "Jakoba namaly hoe: "Jakoba." 28 Hoy ilay lehilahy hoe: "Ny anaranao dia tsy ho Jakoba intsony, fa Israely. Satria ianao nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny vahoaka ary efa nandresy." 29 Nanontany azy Jakoba hoe: "Mba lazao ahy tompoko ny anaranao." Hoy izy hoe: "Nahoana ianao no manontany ny anarako?" Avy eo nitso-drano azy teo izy. 30 Jakoba niantso ny anaran'ilay toerana hoe Peniela satria hoy izy hoe: "Efa nifanatri-tava tamin'Andriamanitra aho, ary avotra ny aiko." 31 Niposaka ny masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nandringa izy nohon'ny foto-peny. 32 Izany no antony tsy nihinanan'ny vahoakan'i Israely ny hozatry ny foto-pe izay eo amin'ny fitohizan'ny fe mandrak'ankehitriny, satria nandratra ireo hozatra ireo ilay lehilahy raha nanapitsoka ny foto-pen'i Jakob.