27

1 Rehefa antitra Isaka ka mpahina ireo masony koa dia tsy nahita izy, ary nampiantso an'i Esao, zanany lahimatoa izy, ka niteny taminy hoe: "Ry zanako." Ary hoy izy taminy hoe: "Inty aho." 2 Ary hoy izy hoe: "Henoy tsara, efa antitra aho. Tsy fantatro ny andro hahafatesako. 3 Noho izany raiso ireto fitaovam-piadianao, ny fitifitrao ary ny tsipïkao, ka mandehana any an-tsaha ary mihazà bibi-dia ho ahy. 4 Handrahoy sakafo matsiro, amin'ilay tena tiko aho, ary ento aty amiko izany hafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao mialohan'ny hahafatesako." 5 Ary ren'i Rebeka izany rehefa niresaka tamin'i Esao zanany lahy i Isaka. Nankany an-tsaha i Esao mba hihaza bibi-dia ary hitondra izany hody. 6 Niresaka tamin'i Jakoba zanany i Rebeka ary niteny hoe: "Henoy tsara, reko ny rainao niresaka tamin'i Esao rahalahinao. Hoy izy hoe: 7 'Hitondray haza aho ary hanamboary sakafo matsiro, mba hahafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh mialohan'ny hahafatesako.' 8 Ary noho izany, ry anaka, dia ankatoavy ny teniko araka izay handidiako anao. 9 Mandehana mankany amin'ny ondry aman'osy, ka angalao zanak'osy roa tsara aho; dia hanao sakafo matsiro amin'ireo ho an'ny rainao aho, tahaka ny tiany. 10 Ary ho entinao mankany amin'ny rainao izany, mba hahafahany mihinana izany, ka hanomezany tso-drano anao mialohan'ny hahafatesany." 11 Niteny tamin'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: "Jereo, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho kosa dia lehilahy malama hoditra. Mety hikasika ahy ny raiko, ka ho fantany fa mamitaka azy aho. 12 Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano." 13 Hoy ny reniny taminy hoe: "Anaka, aleo ny rainao hanozona ahy. Araho fotsiny ny teniko, dia mandehana, ento aty amiko ireo." 14 Koa nandeha naka ireo zanak'osy i Jakoba ary nitondra ireo tany amin'ny reniny, ka nanao sakafo matsiro ny reniny, araka ny hitiavan'ny rainy azy. 15 Nalain'i Rebeka ny fitafiana tsara indrindran'i Esao, zanany lahimatoa, izay niaraka taminy tao an-trano, ary nampitafiany an'i Jakoba, ilay zanany faralahy. 16 Napetrany teny amin'ny tanany sy ny faritra malama eny amin'ny vozony ny hoditrin'ireo zanak'osy. 17 Napetrany teny an-tanan'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy. 18 Nankany amin'ny rainy i Jakoba ka nanao hoe: "Raiko o!" Hoy izy hoe: "Inty aho; iza moa ianao, anaka?" 19 Hoy Jakoba tamin'ny rainy hoe: "Esao ilay lahimatoanao; efa vitako izay nasainao nataoko. Mipetraha ary mihinàna ny hazako, mba hitsofanao rano ahy." 20 Hoy Isaka tamin'ny zanany lahy hoe: "Ahoana no nataonao nahitana izany tao anaty fotoana fohy anaka?" Hoy izy hoe: "Satria Yaveh Andriamanitrao no nitondra izany tamiko." 21 Dia hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: "Manatòna eto akaikiko, mba hahafahako mikasika anao, ry zanako, ka hahafantarana raha tena Esao zanako marina ianao na tsia." 22 Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba; ary nikasika azy Isaka ka nanao hoe: "Ilay feo dia ny feon'i Jakoba, fa ireo tanana kosa dia an'i Esao." 23 Tsy nahafantatra azy Isaka, satria voloina ny tanany, tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny, ka dia nitso-drano azy Isaka. 24 Hoy izy hoe: "Tena Esao zanako marina ve ianao?" Namaly izy hoe: "Izaho tokoa." 25 Hoy Isaka hoe: "Arosoy eto amiko ny sakafo fa hohaniko ny hazanao, mba hafahako mitso-drano anao." Nentin'i Jakoba teny aminy ny sakafo. Dia nihinana Isaka, ary nitondran'i Jakoba divay izy, ka nisotro. 26 Avy eo dia hoy Isaka rainy taminy hoe: "Manatòna akaiky ahy izao ary orohy aho, anaka." 27 Nanatona i Jakoba ka nanoroka azy, ary nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy. Hoy izy hoe: "Indro, ny fofon'ny zanako dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahian'i Yaveh. 28 Andriamanitra anie hanome anao anjara amin'ny andon'ny lanitra, anjara amin'ny tsiron'ny tany, ary voa sy divay vaovao betsaka. 29 Hanompo anao anie ireo olona ary hiankohoka eo anatrehanao ireo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao anie ireo zanakin'ny reninao. Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao; ary ho tahiana anie ireo rehetra mitso-drano anao." 30 Vantany vao avy nitso-drano an'i Jakoba i Isaka, ary nivoaka tamin-tahotra niala teo amin'ny fanatrehan'ny rainy i Jakoba, ary niverina avy nihaza i Esao rahalahiny. 31 Nanao sakafo matsiro ihany koa izy ary nitondra izany tany amin'ny rainy. Ho izy tamin'ny rainy hoe: "Ray o, mifohaza ary mihinàna amin'ireto hazan'ny zanakao ireto, mba hahafahanao mitso-drano ahy." 32 Hoy Isaka rainy taminy hoe: "Fa iza ianao?" Hoy izy hoe: "Zanakao aho, zanakao lahimatoa, Esao." 33 Nangovitra mafy Isaka ka niteny hoe: "Fa iza no nihaza ny osy ary nitondra izany tamiko? Nohaniko daholo izany mialohan'ny natongavanao, ary efa nitso-drano azy aho. Dia ho tahina tokoa izy." 34 Rehefa nandre ireo tenin'ny rainy i Esao, dia nitomany mafy, ary niteny tamin'ny rainy hoe: "Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." 35 Hoy Isaka hoe: "Ny rahalahinao no efa tonga teto namitaka ahy ary naka ny tso-dranonao." 36 Hoy Esao hoe: "Tsy izy ve ilay antsoina hoe Jakoba? Fa izy dia efa namitaka ahy indroa. Efa nalainy ny maha-lahimatoa ahy, ary izao dia mbola nalainy ihany koa ny tso-drano tokony ho ahy." Hoy izy avy eo hoe: "Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve?" 37 Namaly Isaka ary niteny tamin'i Esao hoe: "Indro, efa voahosotro ho tomponareo izy ary efa natolotro ho mpanompony ireo rahalahiny, ary efa nomeko azy ny voa sy divay vaovao. Inona no mbola afaka ataoko ho anao, ry anaka?" 38 Hoy Esao tamin'ny rainy hoe: "Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko? Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." Nitomany mafy Esao. 39 Namaly Isaka rainy ary niteny taminy hoe: "Indro, ny toerana izay misy anao dia lavitry ny tany lonaka, lavitry ny andon'ny lanitra ambony. 40 Amin'ny alalan'ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Fa rehefa mikomy ianao, dia hanala ny tenanao amin'ny fitondrany." 41 Nankahala an'i Jakoba i Esao nohon'ny tso-drano izay nomen'ny rainy azy. Niteny tao am-pony Esao hoe: "Manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko; aorian'izay dia ho vonoiko Jakoba rahalahiko." 42 Ireo tenin'i Esao zanany lahimatoa dia notantaraina tany amin'i Rebeka. Koa nandefa ary nampiantso an'i Jakoba zanany faralahy izy ary niteny taminy hoe: "Indro, Esao rahalahinao dia mampionona ny tenany amin'ny fikasana hamono anao. 43 Ary noho izany, anaka, araho ny teniko ary mandosira any amin'i Labana, anadahiko, ao Harana. 44 Mijanona miaraka aminy fotoana fohy, mandra-pihenan'ny fahatezeran'ny rahalahinao, 45 mandra-paha-afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao, ka hanadinoany izay nataonao taminy. Avy eo dia hampaka anao any aho. Ataoko ahona no hamoy anareo roa anatin'ny andro iray? 46 Hoy Rebeka tamin'Isaka hoe: "Tezitra mafy aho noho ireo zanakavavin'i Hetita. Raha maka vady amin'ny iray amin'ireo zanakavavin'i Hetita i Jakoba, tahak'ireny vehivavy mipetraka amin'io tany io ireny, dia inona no soa ho ahy amin'ny fiainako?"