28

1 Ary Isaka niantso an'i Jakoba, nitso-drano azy, ary nandidy azy hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy Kananita ianao. 2 Mitsangàna, ka mandehana any Padana-Arama, ho any amin'ny taranak'i Betoela rain'ny reninao, dia makà vady any, iray amin'ireo zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreninao. 3 Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao, hampamokatra anao ary hahamaro anao, mba hahatonga anao ho firenena maro. 4 Homeny anao anie ny tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho an'ireo taranaka mandimby anao, mba handovanao ny tany izay efa nonenanao, izay nomen'Andriamanitra an'i Abrahama." 5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba. Nankany Padana-Arama i Jakoba, ho any amin'i Labana zanak'i Betoela Syriana, anadahin'i Rebeka, renin'i Jakoba sy Esao. 6 Ary hitan'i Esao fa notsofin'Isaka rano Jakoba ary nampodiany tany Padana-Arama, mba haka vady avy any. Nahita ihany koa izy fa nitso-drano sy nanome baiko azy i Isaka, nanao hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy avy any Kanàna ianao." 7 Hitan'i Esao ihany koa fa nankatò ny ray sy reniny Jakoba, ary nandeha tany Padan-Arama. 8 Ary hitan'i Esao fa tsy nankasitraka ireo vehivavy avy any Kanàna i Isaka rainy. 9 Koa ankoatra ireo vady izay efa nananany, dia lasa izy nankany amin'Ismaela, ary naka an'i Mahalota, zanaka vavin' Ismaela, zanak'i Abrahama, anabavin'i Nebaiota mba ho vadiny. 10 Niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana. 11 Ary tonga teo amin'ny toerana iray izy ka nijanona teo nandritry ny alina tontolo, satria efa nody ny masoandro. Naka iray tamin'ireo vato teo amin'izany toerana izany izy, nametraka izany tao ambany lohany, dia nitsilany teo amin'ilay toerana mba hatory. 12 Nanofy izy ka nahita tohatra niorina tamin'ny tany. Nipaka tamin'ny lanitra ny tendrony ary niakatra sy nidina tamin'izany ireo anjelin' Andriamanitra. 13 Indro, Yaveh nitsangana teo ambonin'izany ary niteny hoe: "Izaho no Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama rainao, sy Andriamanitr'Isaka. Ny tany izay handrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao. 14 Ho toy ny vovoka amin'ny tany ny taranakao, ary hiely lavitra hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo ianao. Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra. 15 Indro, momba anao Aho, ary hiaro anao na aiza na aiza halehanao. Hitondra anao amin'ity tany ity indray Aho; fa tsy handao anao Aho. Ho ataoko avokoa izay rehetra nampanantenaiko anao." 16 Nifoha tamin'ny torimasony Jakoba, ka hoy izy hoe: "Azo antoka tokoa fa eto amin'ity toerana ity Yaveh, fa izaho no tsy nahalala." 17 Raiki-tahotra izy ka niteny hoe: "Tena mampatahotra ity toerana ity! Tsy inona akory fa tranon'Andriamanitra ity. Ity no vavahadin'ny lanitra." 18 Nifoha maraina Jakoba dia naka ilay vato izay napetrany tao ambany lohany. Nataony ho tsangam-bato izany ary nandrarahany menaka teo an-tampon'izany. 19 Ary dia nantsoiny hoe Betela ny anaran'izany toerana izany, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany am-piandohana. 20 Ary nanao voady Jakoba, niteny hoe: "Raha homba sy hiharo ahy amin'ity lalana izay andehanako ity Andriamanitra, ka hanome ahy mofo hohanina, sy akanjo ho tafiana, 21 mba hafahako miverina soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia Yaveh no ho Andriamanitro. 22 Ary ho lasa vato masina ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity. Amin'izay rehetra omenao ahy, dia ho haveriko aminao tokoa ny ampahafolony."