26

1 Ary nisy mosary nitranga teo amin'ilay tany, ankoatran'ilay niseho voalohany tamin'ny andron'i Abrahama. Nankany amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina tany Gerara i Isaka. 2 Ary niseho taminy Yaveh ary niteny hoe: "Aza midina any Egypta ianao; mitoera amin'ny tany izay lazaiko anao. 3 Mijanòna amin'io tany io, homba sy hitahy anao Aho; fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo, ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao. 4 Ho hampitomboiko toy ireo kintan'ny lanitra ireo taranakao, ary homeko ireo taranakao ireo tany rehetra ireo. Avy amin'ireo taranakao no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany. 5 Ho ataoko izany satria Abrahama dia nankatò ny feoko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko." 6 Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka. 7 Rehefa nanontany azy momban'ny vadiny ireo lehilahy teo an-toerana, dia hoy izy hoe: "Anabaviko izy." Natahotra izy hilaza hoe: "Vadiko izy," satria niheritreritra izy hoe: "Hamono ahy ireo lehilahy eto an-toerana mba hahazoana an'i Rebeka, satria tena tsara tarehy izy." 8 Rehefa nitoetra ela tao Isaka, dia nisy fotoana Abimeleka mpanjakan'i Filistina nitazana teo ambaravarankely. Indro, hitany i Isaka nanafosafo an'i Rebeka, vadiny. 9 Nampiantso an'Isaka i Abimeleka ary niteny hoe: "Ita tokoa izao fa vadinao izy. Nahoana ianao no niteny hoe: 'Anabaviko izy'?" Hoy Isaka taminy hoe: "Satria nihevitra aho fa ho vonoin'ny olona aho mba hahazoana azy." 10 Hoy Abimaleka hoe: "Fa inona izao nataonao anay izao? Mety efa nisy olona iray tamin'ireo vahoaka niaraka natory mora foana tamin'ny vadinao, ary dia nitondra fanamelohana eto aminay ianao." 11 Koa nampitandrina ny olona rehetra Abimeleka ary niteny hoe: "Na iza na iza mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa." 12 Namboly masom-boly tamin'izany tany izany Isaka ary nahavokatra avo zato heny tamin'io taona io ihany, satria nitahy azy Yaveh. 13 Lasa nanan-karena ralehilahy, ary nitombo hatrany izany mandra-pahatonga azy ho mpanakarem-be. 14 Nanana ondry sy omby, ary ankohonana marobe izy. Nialona azy ireo Filistina. 15 Ary ireo fantsakana rehetra izay nohadian'ireo mpanompon'ny rainy tamin'ny andron'i Abrahama rainy, dia natsahatr'ireo Filistina izany tamin'ny fanotofana tany izany. 16 Hoy Abimeleka tamin'Isaka hoe: "Mialà lavitra anay, satria mahery lavitra noho izahay ianao." 17 Koa dia niala teo Isaka ary nanorim-ponenana tany an-dohasahan'i Gerara, ary nonina tany. 18 Naverin'Isaka nohadiana indray ireo lava-drano, izay efa voahady tamin'ny andron'i Abrahama rainy. Izay efa novonoin'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama. Ireo lava-drano ireo dia nataon'Isaka tahaka izay efa niantsoan'ny rainy azy ihany. 19 Rehefa nandavaka teny an-dohasaha ny mpanompon'Isaka, dia nahita loharano velona teny izy ireo. 20 Nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ireo mpiandry omby tao Gerara, ary niteny hoe: "Anay io rano io." Koa dia nantsoin'Isaka hoe "Eseka" ilay lava-drano, satria nifanditra taminy izy ireo. 21 Ary dia nihady lava-drano hafa indray izy ireo, ary mbola nifandiran'izy ireo koa izany, ka dia nantsoiny hoe "Sitna" izany. 22 Niala teo izy ary mbola nihady lava-drano hafa, kanefa tsy mba nifandiran'izy ireo izany. Ary dia natsoiny hoe "Rehobota" izany, ary hoy izy hoe: "Ankehitriny efa nanamboatra fonenana ho antsika Yaveh, ary ho hambinina eo amin'ilay tany isika." 23 Dia niakatra avy tany Isaka ka nankany Beri-sheba. 24 Niseho taminy i Yaveh tamin'io alina io ihany ary niteny hoe: "Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra, fa homba sy hitahy anao Aho ary hampitombo ireo taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko." 25 Nanorina alitara teo Isaka ary niantso ny anaran'i Yaveh. Teo no nanorenany ny lainy, ary nandavaka fantsakana ireo mpanompony. 26 Avy eo Abimeleka niala tao Gerara ho any aminy, niaraka tamin'i Ahozata, namany, ary Pikola lehiben'ny tafikany. 27 Hoy Isaka tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no makaty amiko, nefa nankahalana ahy sy nandroaka ahy taminareo ianareo. 28 Avy eo hoy izy ireo hoe: "Hitanay tsara izao fa efa nomba anao Yaveh. Ka dia nanapa-kevitra izahay fa tokony hisy fianianana eo amintsika, eny, eo aminay sy ianao. Aoka izahay hanao fifanekena aminao, 29 fa tsy hanao ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanaovanay ratsy taminao, sy tahaka ny fomba tsara nitondranay anao ary nandefasanay am-pitoniana anao. Voatahin'i Yaveh tokoa ianao." 30 Ary dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo. 31 Nifoha maraim-be izy ireo ary nifampianiana. Avy eo dia nalefan'Isaka nandeha izy ireo, ary nandao azy am-pitoniana izy ireo. 32 Tamin'io andro io ihany dia nanatona ireo mpanompon'Isaka ary nilaza taminy momban'ny lava-drano izay nohadian'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Efa nahita rano izahay." 33 Nantsoiny hoe Sheba ilay lava-drano, ary ny anaran'izany tanàna izany dia Beri-sheba mandrak'ankehitriny. 34 Rehefa efapolo taona Esao, dia naka vady an'i Jodita zanaka vavin'i Bery Hetita, sy Basemata zanaka vavin'i Elona Hetita. 35 Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka izy ireo.