Toko faha 9

1 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Ambarako aminareo marigny tatôbe, fao misy aminareo zay mitsangagna aketo no tsy hagnandragna zany fahafataisagna zany alôhan'ny hahitan-jareo ny fanjakan-Jagnahary zay ho avy amin'ny hery lehibe." 2 Ary enigny andro tatô afara, dia nindesin'i jesôsy niaraka taminazy Petera ndraiky Jakoba ary Jaona tagny an-tampontanety hambo, ary zareo fogna tagny. Avy eo niaova saora teo agnilan-jareo Izy. 3 Ny lambanazy niaova nangilangilatra salakady mavaza, ary taigna fôtsy, fôtsy mihoatran'ny raha nankafotsigny teto ambonin'ny tany. 4 Avy eo Elia ndraiky Mosesy niboaka tamin-jareo, salakady nikoragna tamin'i Jesôsy zareo. 5 Petera namaly kay nivolagna tamin'i Jesôsy hoe: " Mpagnanatra ô, tsara raha mitoby aketo atsika,kay andeha hagnano lay telo, ny araiky nihinao,ny araiky nihin'ny Mosesy, ary ny araiky nihin'ny Elia." 6 ( Fao tsy hainy raha tokony ho volagniny, satria natahotro mafy zare.) 7 Nisy zavogno avy kay nandrakotro zareo. Ary nisy volagna niboaka avy tamin-javogno hoe : " Tô zanako tiako, mitandrignaisa Azy." 8 Tampoko teo, raha nizaha magnodidigny zareo, dia tsy nahita na zôvy na zôvy eky, koafa tsy Jesôsy zeraiky edy. 9 Koafa nandrôrogno avy tan-tampon-tanety zareo, dia nirarany mafy mbo tsy hivolambolagna na amin-jôvy na amin-jôvy ny raha hitan-jareo, koa tsy raha mitsangagna amin'ny maty edy ny Zanak'Ologno. 10 Ary dia nitanan-jareo hoan-jareo fogna zany volagna zany, kanaifa nifampagnotany zareo ny amin'ny tôkony ho dikany zany " fitsanganagna amin'ny maty" zany. 11 Nagnontany Azy zareo hoe: " Nagnino zareo mpanoratra lalàgna no magnambara fao tsy maintsy hoavy alaoha Elia?" 12 Nivôlagna Izy tamin-jareo hoe : "Afa tonga voalohany Elia hagnarigny raha jiaby." Ary nagnino no voasoratra fao ny Zanak'Ologno dia hijaly mafy amin'ny raha maro ary hatao mitôvy amin'ologno tsisy dikany? 13 Kanaifa ambarako aminareo fao afa avy Elia, ary natan'ologno taminazy raha jiaby tiany fôny, araka zay afa nivolagnin'ny Soratra Masigny mahakasiky azy." 14 Koafa nimpôdy tamin'ny mpianatra zareo, dia nahita ologno maro magnodidigny zareo ary zareo mpanoratra lalàgna niady hevitry taminazy. 15 Koafa nahita Jesôsy zareo, dia gaga vahoaka jiaby ary raha igny nihazakazaka nagnatogno Azy igny zareo dia nagnamia finaritry Azy. 16 Nagnontany reo mpianany Izy hoe: "Mahakasiky ino raha hiadiavanareo hevitry amin-jareo." 17 Ary nisy araiky taminjareo vahoaka namaly Azy hoe: "Mpagnanatra ô, nindesiky aketo aminao ny zanako lalahy. Misy fagnahy maloto tsy mampivolagna azy izy. 18 Manambotro azy io kay mandavondavo azy aveo mifaotafaota izy, mihidy nify, ary nanjary mihainjagna izy. Nangavigny tamin'iregny mpianatrao zaho mbo hagnaboaka zany hiala amin'azy, kanaifa tsy vitan-jareo zany. 19 "Ary namaly zareo Izy hoe: "Oa taranaka tsy mino, manomboka afiriagna no hibidaohako eto aminareo?" manbomoka afiriagna no handifairako aminareo? Ndeso atô aminaha izy." 20 Ary nindesigny teo aminy lehy zazalalahy, ary koafa nahita Jesôsy lehy fagnahy ratsy, dia nampifanintontsitogno azy zany. Lavo tamin'ny tany lehy zazalalahy aveo feno raninivy ny vavany. 21 Jesôsy nagnontany babany hoe: "tafiriagna nampagnantô azy?" Dia nivôlagna babany: "Nanomboko izy mbala hely. 22 " Ndraikindraiky io fagnahy ratsy io nandavo azy tagny agnaty môtro na tagny agnaty rano ary nagnandragna ny hagnapotiky azy. Koà mahay magnano raha jiaby anao, dia miantrà zahay aveo ampià zahay." 23 Jesôsy nivolagna taminazy hoe: "koà mahay anao? 24 Raha jiaby dia hainy ze mino." Ary niaraka tamin-jany ny baban'ny iehy zaza dia nangaiky mafy hoe: " Mino zaho! Ampia zaho amin'ny tsy finoagnanaha! " 25 Koafa hitan'i Jesôsy regny vahoàka nihazakazaka nagnatogno azy zareo, dia nivolagniny mafy lehy fagnahy ratsy nagnano hoe: "Oa fagnahy möa salakady maregnigny, mandidy anao Zaho, miboaha aminazy, ary aza mimpôdy miditra aminazy eky." 26 Nangaikingaiky mafy izany kay nampifanintogno lehy zazalalahy avekeo niboaka. Mitôvy ôlogno maty lehy zazalalahy, kay maro ny nivolagna hoe: "Maty zy. 27 " Fao jesôsy nalaka azy tamin'ny tagnagna kay nagnako azy, dia nitsangana lehy zazalalahy. 28 Koafa niditry tantragno Jesôsy, dia nagnontany Azy manôkagna ny mpianany hoe: "Nagnino zahay no tsy nahavoaroaka lehy fagnahy ratsy? 29 " Nivôlagna Izy taminjareo hoe: "Raha tôrotro regny dia tsy afaka roasigny koa tsy amin'ny alalan'ny vavaka." 30 Niala teo zareo ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiàny ho hain-jôvy na zôvy hoe taiza zareo, 31 fa nampianatra reo mpianany Izy. Nivôlagna Izy tamin-jare hoe : " Ny Zanak'Ologno dia hatôlotro agny antagnagnan'ologno, kay hivonon-jareo Izy. Ary koafa voavono Izy, dia hitsangagna amin'ny maty ndraiky afaka telo andro. 32 "Fa tsy takatra zareo io fagnambaragna io, ary natahotro zare hagnontany Azy. 33 Avakeo tonga tagny Kaperinaomy zareo. Koafa avy niditry tantragno Izy dia nagnontany azy zareo hoe: "Ino raha nifampikoragnanareo tagny andàlagna?" 34 Fao nangigny zareo. Satria afa niady hevitry tagny an-dalagna zareo ny amin'ny ze tegna gaida. 35 Nipaitraka dia nagnantso regny aroa ambinifolo lahy niaraka Izy ary nivôlagna tami-jareo hoe: "koa misy tehi- voaloahany, dia tsy maintsy farany amin'ny jiaby izy, ary ho andevony jiaby." 36 Nangala zazahely araiky Izy aveo natany tagnivon-jareo.Nivotrovotrony tamin'ny trarany izy ary nivôlagna tamin-jareo hoe: 37 "Na zôvy na zôvy mangala ny zaza tôrotro tô amin'ny agnarako, dia mangala Zaho koa,ary koa misy mangala Zaho,dia tsy mangala Zaho zeraiky izy, fa Lehy nagniraka Zaho koa. 38 Nivôlagna Jaona taminazy hoe: "Mpagnanatra ô, nahita ôlogno nagnaboaka masantôko tamin'ny agnaragnao zahay aveo nisakananay izy, satria tsy magnaraka atsika." 39 Fao Jesôsy nivolagna hoe: "Aza manakagna azy, fa tsisy ôlogno hagnano asa gaida amin'ny agnarako kanaifa tsy aila afaran'izay aby dia hivôlagna raha ratsy mahakasiky Zaho. 40 Na zôvy na zôvy tsy manohitry atsika dia miaraka amintsika. 41 Na zôvy na zôvy magnamia anao rano airan'ny kôpy higiahigny satria nihin'i Kristy anao, dia volagniky aminao marigny koa , fa tsy hovery ny valim-pitiavany. 42 Na zôvy na zôvy no manafintohigny ny araiky amin-jareo hely mino Zaho reo, dia tsara aminazy ny agnantôgnagna vato gaida fikisôham-bary mifehy eo amin'ny ambozony ary hatsipy agny amin'ny ranomasigny. 43 Koa tagnagnanao no mahatonga anao ho tafintohigny, tapaho zany.Fa tsara aminao no miditry kilemaigny agny amin'ny fiainagna, tsitôko zay managna tagnagna aroa ary handaiha agny amin'ny afobe, agny amin'ny môtro tsy manjary vonogny. 44 [Fagnamarignagna: ny fandikagna tegna tsara dia tsy maintsy ny fehefanteny agny amin'ny andininy faha 44 ndraiky faha 46: "Zay tsy maty lehite ny kankan-jareo ary ny môtro tsy hifoaty barikidintany."] 45 Koa hongotroa no manafintohigny anao, tapaho zany. Tsaratsara aminao ny miditry misy antsa agny amin'ny fiainagna tsitôko managna hongotro aroa ary hariagna agny amin'ny ofobe. 46 [Zahao ny fagnamarignagna agny amin'ny andininy faha 44] 47 Koa masona no mahafintohigny anao, alao agny zany. Tsara aminao no miditry ny fanjakagnan-Jagnahary miaraka amin'ny maso araiky tsitôko maso aroa ary hariagna agny amin'ny afobe, 48 agny amin'ny toairagna zay tsy mahafaty ny kankan-jareo, ary ny môtro tsy manjary vonogny. 49 Fao ôlogno jiaby dia samby ho voasira amin'ny môtro, 50 Tsara ny sira, fao raha ny sira manjary matsatso, manakôry no ahafanao mampasira azy ndraiky? Asiavo sira ao aminareo, aveo mihavagna amin'ny tseraikiraiky aby."