Toko faha 8

1 Tamin-jany andro zany, dia nisy vahoaka fôntry koa, ary tsisy raha hoanigny zareo. Dia nagnantso ny mpianany Jesôsy avakeo nivaolagna tamin-jareo hoe: 2 "Maforaigny zaho reo vahoaka, satria afa telo andro zareo nizôhy zaho ary tsisy raha hoanigny. 3 Raha alaifako môdy akagny an-tragnony dia tsy mihinagna zareo, dia mety azomafo andalagna. Ny sanany amin-jareo dia avy akagny an-tany lavitry." 4 Namaly Azy reo mpianany hoe: "Aiza hitsakarahantsika môfo hahavôky reo vahoaka reo an-tany tsisy raha tô?" 5 Nagnotany zareo Izy hoe: " Firy moa môfo misy aminareo?" Ninainagna zareo hoe: "Fito" 6 Nagniraka ny vahoaka mbô hibafoka amin’ny fôtaka Izy. Nalainy ny môfo fito, dia nagnamia misaotra Izy, avakeo nitapahany reo. Namiany ny mpianany zany mbô ho rasain-jareo amin’ny vahoaka, avakeo napaitran-jareo teo alohakan'ny vahoaka zany. 7 Ary mboala nanagna lako madiniky vitsivitsy koa zareo, koafa afavy nagnamia misaotra reo Izy, dia nagniraka reo mpianatra mbô hagnamia zany koa Izy. 8 Dia nihinagna zareo kay vôky, aveo nalain-jareo ny lambilambiny tavaila, zay mboala nahafeno garaba fito giaida. 9 Tôkony ho efatr'arivo teo ho eo ny ôlogno tamin’ny zany. Avakeo dia nalaifan'ny nôdy zareo. 10 Tonga dia nakatra tao agnatin’ny lakagna niaraka tamin’ny reo mpianany Izy, ary nandaiha tagny amin'ny faritr'i Dalmanota zareo. 11 Dia niboaka reo fariseo avakeo nanomboko nimalo taminy. Nitsakaraka famantaragna avy akagny an-dangitry tamin-jareo, mbô hitsapagna Azy. 12 Nihetsiketsika ny tarifôn’Azy avakeo nivaolagna hoe: "Nagnino moa mizaha famantaragna tô taminga tô? Naifa volagniky marigny aminareo, fa tsisy famantaragna amiagna tô taminga tô zany." 13 Aveo dia nilahaosany zareo, nakatra tao agnatin'ny lakagna koa, avakeo niala lavitry handaiha akagny andafirô. 14 Ary tsitsaroan'ny mpianatra ny ninday môfo niaraka tamin-jareo. Tsy nanagna mihoatra ny araiky zareo tao agnaty sambo. 15 Dia nampitandrigny zareo Izy kay nivaolagna hoe: "Mivognôsa avakeo mangalao honondraha amin'ny lailamamin'ny reo Fariseo sindraiky lailamamin'i Heroda." 16 Dia nifagnontany taigna ny mpianatra hoe: "Nohon'ny atsika tsy managna môfo zany." 17 Hain'i Jesôsy zany, avakeo nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa amin'ny tsy fanagnagna môfo ny diniky areo? Mboala tsy azonareo moa? Mboala tsy takatrareo faogna? Nanjary donty moa ny fônareo? " 18 Managna maso areo, fao tsy mahita moa? Manan-tsôfigny areo, fao tsy mitandregny moa? Tsy tsaroanareo moa? 19 Koafa nanapaka môfo dimy hamiagna ôlogno dimy arivo Zaho, dia garaba firy feno lambilambiny môfo no nafômpognoareo?" Nivaolagna zareo Taminazy hoe: " Roambinifôlo." 20 Koafa nanapaka reo môfo fito hamiagn'ôlogno aifatr'arivo Zaho, firy garaba lambiny nafômpognoareo?" Nivaolagna zareo Taminazy hoe: "Fito." 21 Ary novaolagna Izy hoe: " Mboala tsy hainareo faogna moa?" 22 Tonga tagny Betsaida zareo. Aveo nisy gila araiky nindesin'ôlogno Taminazy ary nangavian-jareo Jesôsy mbô hikasiky azy. 23 Nindesin'i Jesôsy tamin'ny tagnagna lehy gila, avakeo nitariky azy hiboaka ny tanàgna. Koafa nandrora teo amin'ny masony Izy avakeo nagnapaitraka ny tagnany teo aminy, dia nagnontany azy Izy hoe: "Mahita raha moa anao?" 24 Dia nianko lôha izy, kay nivaolagna hoe: "Mahita ôlogno karaha kakazo mandaihandaiha zaho. 25 "Napaitrak'i Jesôsy teo amin'ny masony koa ny tagnany, avakeo naboliakany lehy lalahy ny masony, dia nimpôdy tamin'ny laoniny ny fizahagnanazy, ary nahita mazava tsara ny raha jiaby izy. 26 Dia nalaifan'i Jesôsy nôdy izy avakeo nivolagniny hoe: "Aza mitsôfotro akao an-tanàgna." 27 Nandaiha niboaka Jesôsy sindraiky ny mpianany nandaiha tagny amin'ny tanagnan'i Kaisaria Filipo. Tagny an-dalagna dia nagnontany reo mpianany Izy hoe: "Hatan'ôlogno ho zôvy moa Zaho?" 28 Namaly Azy zareo kay nivaolagna hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny sanany mivaolagna hoe: "Elia', avakeo ny sanany hoe: 'Araiky amin'ny reo mpagnazary.'" 29 Nagnontany zareo Izy hoe: "Fao areo ndraiky moa magnano Zaho Zôvy?" Dia namaly Azy Petera hoe: "Anao no Kristy." 30 Nampitandrigny zareo Jesôsy mbô tsy hivaolagna ny mahakasiky Azy na amin-jôvy na amin-jôvy. 31 Nanomboko nagnampianatra zareo Izy fao tsy maintsy hijaly ny Zanak'ôlogno, ary tsy hankatoavin'ny lohandôhan'ôlogno sindraiky reo lôhan'ny mpisôrogno avakeo mpanoratra lalàgna, ary ho vonogny, kay hitsangagna amin'ny maty afaka telo andro. 32 Nambarany mazava tsara zany. Aveo nantsôvin'i Petera mangingigny Jesôsy kay nanomboko ninainagna mafy Azy. 33 Naifa nitodiky Jesôsy dia nizaha reo mpianany ary avakeo ninainagna mafy an'i Petera kay nagnano hoe: "Mialà marikitry Zaho, ana masantôko! Tsy mbô misaigny ny rahan-Jagnahary anao, fa ny rahan'ôlogno." 34 Avakeo dia nagnantso ny vahoaka sindraiky ny mpianany niaraka Izy, ary nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Raha misy tia-hagnaraka Zaho, dia tsy maintsy mahafoy haignianazy izy, mangala ny kakazo fijaliagna, avakeo magnaraka Zaho. 35 Na zôvy na zôvy tia-hamomjy ny haignianazy dia hagnary zany, ary lehy magnary ny haigniny noho ny Aminaha sindraiky ny vaovao maharavoravo, dia hamonjy zany. 36 Fao ino ndraiky moa tombontsoa hazon'ôlogno araiky, raha mahazo tany jiaby, ary avakeo very ny haignianazy? 37 Ino moa raha araiky hafaka takalozan'ôlogno haignianazy? 38 Na vôvy na zôvy maignatra Zaho sindraiky koragnanahy aketo amin'ny tô taminga mijangajanga avakeo mpanota tô, dia ho maignatra azy koa ny Zanak'ôlogno koafa tonga akao amin'ny vogninahitry ny Baba miaraka amin'ny reo anjely masigny Izy."