Faha 7

1 Niala teo amin'ny zany toeragna zany Jesôsy, avy eo nandaiha tagny amin'ny faritr'i Jodia ndraiky tagny amin'ny faritra ambanin'ny reniranon'i Jordana, avy eo nandaiha taminazy ndraiky ny vahaoka. Ary araka ny fatany, dia nampianatra zareo ndraiky Izy. 2 Aveo nagnontany Azy zareo fariseo mbô hitsapa Azy kay nagnontany hoe: "Ara-dàlagna amin'ny lalahy moa misaraka amin'ny vadiny?" 3 Namaly Izy hoe: "Ino moa raha nandidian'i Mosesy areo?" 4 Nivolagna zareo hoe: "Mosesy dia nagnambela lalahy araiky hanoratra taratasy fagnamarinagna fisaraham-panambadiagna ary nandaifa azy aveo." 5 Nivolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Nohony hamafisany fônareo no nanoratany aminareo zany làlagna zany." 6 Fao tagny ampiandohagnan'ny famoraonagna, 'Zagnahary nagnano zareo lalahy ndraiky vaiavy.' 7 Amin-jany antony zany dia hiala ny Babany ndraiky Nininy ny lalahy kay hikambagna amin'ny vadiny, 8 aveo hanjary nôfotro araiky zareo roa. " Kay tsy ho araiky eky zareo fao ho nôfotro araiky faogna. 9 Kay zay nakamban-Jagnahary, dia tsy tôkony ho sarahin'ôlombelogno." 10 Raha afa tantragno zareo, dia mbola nagnampôdy nagnontany mahakasika zany ndraiky reo mpianatra. 11 Nivolagna Izy tamin-jareo hoe: "Na zôvy na zôvy lalahy misaraka amin'ny vadiny kay mampakatra vaiavy hafa dia mijanganjanga. 12 Raha misaraka amin'ny vadiny ny vaiavy kay manambady lalahy hafa, dia mijanganjanga izy." 13 Aveo zareo dia nitondra ny zanaka zareo tamin'Azy mbô hampitrahagna tagnagna, fao nasiahan'ny mpianatra zareo. 14 Fa raha hain'i Jesôsy zany, dia vingitry mafy Izy kay nivolagna tamin-jareo hoe: "Ambilao ny zaza hagnatogno zaho, aveo aza sakanagna zareo, fao ny fanajakan-Jagnahary dia amin-jareo mitôvy zareo. 15 Volagniko aminareo marigny koa: na zôvy na zôvy tsy mandray ny fanjakan-Jagnahary mitôvy ny gamadiniky dia tsy hitsôfotro amin' zany velively. 16 Aveo dia nivotrovotrony reo zaza reo kay notsofony rano salakady namitrahany tagnagna. 17 Aveo raha nanomboka nandaiha Izy, dia nisy lalahy nihazakazaka kay nandongoalitry talohany, ary nagnontany hoe: "Oa Mpagnanatra tsara, ino raha tôkony atako mbô handovàko ny fianagna bariky ditany?" 18 Jesôsy nivolagna hoe: "Nagnino moa antsôvinao hoe tsara Zaho? tsisy raha tsara, kô tsy Zagnahary araiky fôgna. 19 Hainao ny didy hoe: 'Aza mamono ôlogno, aza mijanganjanga, aza mangalatra, Aza mijoro ho vavolombelogno tsy marigny, aza mavady, hajay ny Babanao ndraiky Nininao." 20 Nivolagna lehy lalahy hoe: "Mpagnanatra ô, afa narahiko nanomboka tamin'ny fahatanorako jiaby zareo jiaby reo." 21 Nizaha azy jesôsy dia tia azy. Ary nivolagna Izy taminy hoe: "Misy raha tsy feno araiky aminao. Tsy maintsy avidinao zay raha jiaby anagnanao, aveo amiazo ny mijaly zany, dia hanagna hariagna agny andangitry anao. Aveo, mizohià zaho." 22 Fa nohony zany fagnambaragna zany dia nalahelo izy kay nandaiha nangahiahy, satria nanankariagna maro izy. 23 Nizaha ny magnodidigny Azy Jesôsy aveo nivolagna tamin-jareo mpianany hoe: "Taigna sarotro ho amin'areo manankariagna ny mitsôfotro amin'ny fajakan-Jagnahary!" 24 Dia gaga tamin'ny teniny reo mpianatra. Nivolagna ndraiky Jesôsy tamin-jareo hoe: "Zanako, sarotro ny fitsofaoragna ao amin'ny fajakan-Jagnahary!" 25 Moramora amin-dramaiva ny miditry amin'ny vodim-panjaitry tsy tôko hidiran'ny mpanankariagna ao amin'ny fanjakan-Jagnahary." 26 Dia mbola gaga ndraiky ny mpianatra aveo dia nifagnontany zareo hoe: "Zôvy zany no mety havaotagna?" 27 Nizaha zareo Jesôsy kay nivaolagna Izy hoe: "Tsy haifan'ôlogno zany, fao vitan-jagnahary. Satria ny raha jiaby dia hain-jagnahary tsabógny." 28 Dia nanomboka nivaolagna taminy i Petera hoe: "Zahavo, zahay jiaby dia nahafoy ny raha jiaby aveo nagnaraka Anao." 32 Tagny an-dalagna zareo, hakatra akagny Jerosaleme, ary Jesôsy nandaiha talohaka zareo. Gaga zareo mpianatra, ary zareo zay nagnaraka Azy tafara dia natahotro. Nantsovin'ny Jesôsy handaiha Aminy ndraiky zareo aroa ambinifolo aveo dia nanomboko nagnambara raha hihiatra Aminazy tsy ho aila Izy.33 "Zahavo, miakatra handaiha akagny Jerosalema atsika zeo io, ary ny Zanak'Ologno dia atolotro ny mpisoronabe ndraiky ny mpanoratra lalàgna. Ho helohin-jareo ho foaty Izy aveo hatolony jentilisa. 34 Zareo dia hagnaratsy Azy, handrora Azy, hamboko Azy, ndraiky hamono Azy. Fao afaka telo andro dia hitsangagna amin'ny maty Izy." 35 Jakoba ndraiky Jaona, zanak'i Zebedio, nagnatogno Azy ary nivolagna hoe: "Mpagnanatro ô, mbo tiànay raha mbo atanao zay raha jiaby angahonay aminao." 36 Dia nivolagna Izy tamin-jareo hoe: "Ino no tiànareo ho atako aminareo?" 37 Nivolagna zareo hoe: "Ambilao zahay hiara-hipaitraka aminao akao amin'ny vogninahitriao, kay ny araiky akeo an-tagnagna ankaherinao aveo ny araiky akeo ankavianao." 38 Fao Jesôsy namaly zareo hoe: "Tsy hainareo zay angahonareo. Areo moa afaka migiaka amin'ny kapoaka zay higiahako na hiaritry hatao batisa amin'ny zay hanaovagna batisa Zaho. 39 Nivolagna zareo Taminazy hoe: "Vitanay zany." Ary nivolagna tamin-jareo Jesôsy hoe: "Ny kapoaka zay higiahako, dia higiahanareo, ary amin'ny batisa zay hanaovam-batisa Zaho, ni hanaovam-batisa areo koa. 40 Fao zay hipairaka akeo an-tagnagna ankaherinaha na akeo ankavianaha ndraiky dia tsy miankigny aminaha zany, fao zany dia hoan-jareo zay nagnomagna zany. 41 Koafa naharegny ny mahakasiky zany zareo mpianatra folo hafa, dia nanomboko vingitry mafy tamin'i Jakoba ndraiky Jaona. 42 Nantsovin'i Jesôsy handaiha aminanazy zareo ary nivolagna hoe: "Hainareo fao zareo zay antenaigny ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo zareo, aveo ny lehibe mpifehy zareo dia magnampatra fahefagna amin-jareo. 43 Fa tsy tôkony hagnan-jany ny aminareo. Fao na zôvy na zôvy magniry ho lehibe aminareo dia aoka izy ho mpanomponareo, 44 ary na zôvy na zôvy no magniry ho voalohany aminareo dia aoka izy ho andevonarreo jiaby. 45 Fao ny Zanak'Ologno tsy avy mbo hitompogny, fa mbo hanompo, ndraiky hanolotro ny aigniny ho takalon'aigny ho an'ny maro. 46 Homby tao Jeriko zareo. Koafa niboaka ny tanàgna niaraka tamin'ny mpianany ndraiky vahoaka marobe Izy, ny zanak'i TImeo, Bartolomeo zay mpangaho salakady gila, nantotry teo amoron-dalàlagna.47 Koafa naharegny izy fao Jesôsy avy agny Nazareta zany, dia nanomboko nangaikingaiky mafy izy salakady nivolagna hoe: "Ry Jesôsy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fô aminaha! " 48 Maro no nivolagna mafy lehy gila, nivolagna taminy mbô hangigny. Fa vao maika izy nangaiky mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindra fô aminaha! "