Toko faha 11

1 Ary koafa nandaiha tagny Jerosalema zareo, dia narikitry an'i Betifaga ndraiky Betania,agny an-tampon-tanety Oliva, ary Jesôsy nagniraka aroa tamin-jareo mpianany 2 salakady nivaolagna tamin-jareo hoe: " Mandihiana amin'ny rô tanagna hely marikitra atsika rô. Izy koa tafatsôfotro akao areo, dia hahita zana-boriky araiky mbala tsy nitikignan'ologno. Vahao izy dia ndeso atô aminaha. 3 Izikoa misy ologno mivaolagna aminaremo hoe: "Nagnino areo no magnano zao? " Dia atôvo hoe: " Misy ilan'ny Tompo azy dia hampodiny malaky atô izy." 4 Nandaiha niboaka zareo dia nahita zana-boriky araiky nirôhy ake ambailan'ny tragno ankilan'ny tamiagna araiky akeo magnôlo-dalàlagna, ary nivotsôran-jareo ny tadinazy. 5 Nisy ologno sasany nitsangagna teo salakady nivaolagna tamin-jareo hoe: "Ino tô atanareo, mamaha io zana-boriky io? 6 "Dia nambarany zareo ny vaolagnan'i Jesôsy tamin-jareo, ary navailan'ny ologno nandaiha amin'ny lalany zareo. 7 Ary nindesin-jareo mpianatra aroa lahy teo amin'ny Jesôsy ny zana-boriky dia natany teo agnambon'ny zany ny lamban-jareo kay afaka nitikigny azy Jesôsy. 8 Fôntry ny ôlogno namailatra ny lambany tagny an-dalagna, ary sasany ndraiky namailatra rantsan-kakazo zay nitapatapahagna avy tagny an-tsaha. 9 Zareo zay nandaihateo alohany ndraiky zareo nagnaraka Azy nagnantsognantso hoe: "Hosana! Deraigny lehy araiky avy amin'ny agnaragnan'ny Tompo. 10 Deraigny ny fanjakagna ho avin'i Davida babantsika! Hosana agny amin'ny taigna ambony " 11 Aveo Jesôsy nitsôfotro tao Jerosalema kay nandaiha an-kianjan'ny tempoly ary nizahazaha raha jiaby. Ary afa nahai- ariva ny andro, dia nagnano diabe nandaiha tagny Betania Izy ndraiky zareo aroa ambinifolo lahy. 12 Ny andro fagnaraka, koafa nimpody avy agny Betania zareo, dia tihinagna Izy. 13 Ary nahita kakazon'aviavy misiraviny avy tarô lavidavitry, dia nagnatogno Izy hizaha raha misy taignany taminazy, ary koafa nandaiha tamin'izany Izy, dia tsy nahita na ino na ino koa tsiraha raviny edy, fao tsy mbala fotoagna famoazan'ny aviavy tamin'io. 14 Ary Izy nivolagna tamin-jany hoe: "Tsisy hihinagna ny taignany avy aminao eky barikidintany." Ary ny mpianany naharegny zany. 15 Nandaiha agny Jerosalema zareo, ary nitsôfotro tao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nantomboko nandroaka ny ampivarotro ndraiky ny ampivanga jiaby tao. Nalavony ny latabatr'ireo mpanakalo vola ndraiky ny sezin-jareo mpandafo pizigny. 16 Tsy nagnambaila na zôvy na zôvy nitondra raha zay manjary alafo hitsôfotro ny kianjan'ny tempoly Izy. 17 Dia nampianatra zareo Izy kay nivolagna hoe: "Tsy afa voasoratra moa hoe: " Ny tragnonaha dia hantsovigny hoe tragno fivavahagna ho an'ny firenena jiaby? Naifa natanareo ho tragno fivorian'ny mpangalatra." 18 Regnin-jareo lohan'ny mpisôrogno ndraiky zareo mpanoratra lalàgna zay nivolagniny, dia nizaha fomba hamonoagna Azy zareo. Fao natahotro Azy zareo satria ny vahoaka jiaby dia gaga tamin'ny fampianarany. 19 Koafa havy ny hariva, dia niala ny tanàgna zareo. 20 Koafa nandaiha zareo ny maraindraigny, dia nahita lehy kakazon'aviavy nalazo hatramin'ny vahany. 21 Ary Petera nahatsaro kay nivolagna hoe: ''Mpagnanatra ô, Nalazo lehy aviavy nihizôgninao." 22 Jesôsy namaly zareo hoe: "Manàgna finoagna an-Jagnahary. 23 Volagniky aminareo marigny tatôboe fao na zôvy na zôvy mivaolagana amin'ny tô tampon-tanety tô hoe; "Mitsangàna kay milavoa agny an-dranomasigny, koa tsisy fisalasalagna ao am-pôny fao mankatô fa hitranga aminy zay nambarany, dia karaha zany no hatan-Jagnahary. 24 Noho zany Zaho mivaolagna aminareo hoe: "Zay raha jiaby hivavahanareo ndraiky angahonareo, matokisa fao afa nahazo zany areo, dia ho azonareo zany. 25 Koafa mitsangagna ndraiky mivavaka areo, dia tsy maintsy magnambaila zay alahelo jiaby anagnanareo amin-jôvy na amin-jôvy areo, mbô ho ambailan'ny Babanareo Zay agny an-dangitry ihany koa ny fahotagnanareo. 26 [Fagnamariahagna: Ny fandikagna taigna tsara dia tsy magnano ny hoe (Zahavo ao amin'ny Mat.16: 15) MK. 11: 26 Koafa tsy mamotsotro heloka kosa areo, dia tsy hamôtsotro fahotagnanareo faogna eky ny Babanareo Zay agny an- dangitry."] 27 Dia niakatra hankagny Jerosalema ndraiky zareo. Ary koafa nandaihandaiha tao an-kianjan'ny tempoly Jesôsy, dia havy nagnatogno Azy lohandohan'ny mpisôrona, ny mpanoratra lalàgna, aveo zareo sojabe. 28 Nivolagna zareo taminy hoe: "Fahefagna avy aiza moa hagnanaovanao regny raha egny, aveo zôvy moa nagnamia nagnamia Anao fahefagna hagnano regny?" 29 Jesôsy nivolagna tamin-jareo hoe: "Hagnapaitraka fagnontaniagna araiky aminareo Zaho. Volagno Aminaha dia hambarako areo hoe fahefagna avy aiza moa anaovako regny raha regny. 30 Ny batisan'i Jaona, avy agny an-dangitry moa zany asa avy amin'y ôlogno? Valia zaho." 31 Nifampandiniky miaraka zareo sady nimalo ndraiky nivolagna hoe: "Koa valian-tsika hoe: "Avy agny an-dangitry, dia hivaolagna Izy hoe: "Fa nagnino ary moa tsy nankatô azy areo? 32 "Izy koa mamaly atsika hoe: "Avy amin'ny ôlogno,....." Natahotro ny ôlogno zareo, satria resy lahatra ny ôlogno jiaby fao Jaona mpagnazary tatôbe. 33 Avy eo namaly an'i Jesôsy zareo kay nagnano hoe: "Tsy hainay." Dia nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Zaho tô koa tsy hagnambara aminareo hoe fahefagna avy aiza no hagnanaovako regny raha regny."