Toko faha 12

1 Nanomboka nampianatra zareo tamin'ny fagnohoaragna Jeôsy. Nivaolagna Izy hoe: "Nisy lalahy nagnano tanim-boaloboka, nasiany vala magnodidigny zany, aveo, nagady famiazagna. Nanangagna tilikambo izy avakeo nampagnaofa lehy tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. Dia niala nadaiha lavitry izy aviteo. 2 Tamin'ny fotoagna manjary, dia nagniraka mpanompo andaiha amin'ny lehy mpamboly voaloboka izy mbô hangala amin-jareo zay tôkony ho anjarany amin'ny vokatra lehy tanimboaloboka. 3 Fao nisamborin-jareo izy, nipopohiny, avakeo niroahigny tsy hinday na ino na ino. 4 Nagniraka mpanompo hafa handaiha amin-jareo ndraiky izy, aveo nivakin-jareo tamin'ny lohany avakeo nalainy baraka. 5 Dia mbôla nagnandaifa hafa koa izy, ary nivonon-jareo io araiky io. Natan-jareo hotry zany reo maro hafa, nipopohigny ny sasany avakeo nivonogy reo hafa. 6 Mbôla nanagna ôlogno araiky hafa hirahigny izy, dia zanaka tiany. Izy no farany nalaifany tagny amin-jareo. Nivaolagna izy hoe: Mbô hagnaja ny zanako lahy zareo." 7 Kanaifa nifampivolagna zareo mpamboly voaloboka hoe: "Tô lehy mpandaova. Avia, alô hivonontsika izy, dia hohazontsika ny laova." 8 Nisamborin-jareo izy, dia novonoiny, ary natsipiny tagny ambailan'ny tanim-boaloboka. 9 Kay, ino ary no hatan'ny lehy tômpon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy handringagna reo mpamboly voaloboka ary hagnomia ny tanim-boaloboka amin'ny hafa. 10 Tsy nivakinareo moa zao Soratra Masigny zao? 'Ny vato zay nilavin'ny mpagnorin-tragno, no natao vato fehizoro. 11 Avy tamin'ny Tômpo zany, ary mahagaga akeo ankilantsika." 12 Nizaha ny hanambaoragna Jesôsy zareo, kanaifa natahotra vahoaka, satria hain-jareo fao hanohairagna zareo no nivolagnany zany fagnoragna zany. Kay navailan-jareo Izy ary lôsogno nandaiha zareo. 13 Dia nagniraka fariseo ndraiky Herodiana sasany handaiha Aminazy mbô hamandriky Azy amin'ny vaolagna zareo. 14 Koafa avy zareo, dia nivaolagna zareo taminy hoe: "Mpagnanatra ô, hainay fao tsy mikônty hevitrin'ny ôlogno Anao, avakeo tsy mizaha fiangaragna eo amin'ny ôlogno. Mampagnatra marigny ny lalan-Jagnahary Anao. Ara-dalàgna moa sa tsia ny magnaifa haitra amin'i Kaisara? Tôkony hagnaifa haitra moa zahay sa tsia? 15 Fao hain'i Jesôsy ny fiatsarambelatsihin-jareo kay nivolagna Izy tamin-jareo hoe: Nagnino moa areo mitsapa Zaho? Itongoaso denaria araiky Zaho mbô hizahavako zany." 16 Dia niotongoasan-jareo vola ariky Jesôsy. Nivolagna Izy tamin -jareo hoe: "Soran-jôvy tô sary ndraiky soratra tô?" Nivolagna zareo hoe: "Nihiny Kaisara." 17 Nivolagna Jesôsy hoe: "Amiazo Kaisara zay nihin'i kaisara, ary amiazo Zagnary zay an-Jagnahary." Dia gaga taminazy zareo. 18 Avakeo reo Sadoseo, zay mivaolagna fao tsisy fitsanganagna amin'ny maty, dia tonga taminazy. Nagnontany Azy zareo, nagnano hoe: 19 "Mpaagnanatra ô, nanaoratra zao taminay Mosesy hoe: 'Izikoa maty ny rahalahin'ny lalahy araiky avakeo nagnambaila vady izy, kanaifa tsy mbô nanan-janaka, tôkony manambady lehy vadiny rahalahiny lehy lalahy, kay hanagna taminga ho an'ny rahalahiny.' 20 Nisy fito mirahalahy, nanabady lehy voalohany aveo maty, tsy nagnambaila taminga. 21 Avakeo nangala azy ny faharoa dia maty, tsy nagnambaila taminga, dia mitôvy amin'zany koa lehy fahatelo. 22 Tsisy nagnambaila taminga izy fito. Lehy taigna farany, maty koa lehy ramotoa. 23 Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, koafa hitsangagna ndraiky zareo, dia ho vadin-jôvy izy? Satria samby nanambady azy jiaby izy fito mirahalahy." 24 Ary nivaolagna Jesôsy hoe: "Tsy zany moa no antony mahadiso hevitra areo, satria tsy hainareo na ny Soratra Masigny na ny herin-Jagnahary? 25 Satria raha mitsangagna amin'ny maty zareo, dia tsy hanambady na hatôlotro amin'ny fanambadiagna, fao mitôvy ny anjely agny andangitry. 26 Fao mahakasika ny amin'ny fitsanganan'ny taigna amin'ny maty, tsy nivakinareo moa ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagna mahakasika lehy voaroy, ny nikoragnan-Jagnahary taminazy kay nivolagnany hoe: 'Zaho no Zagnaharin'i Abrahama ndraiky Zagnahan'i Isaka avakeo Zagnaharin'i Jakoba'? 27 Izy dia tsy Zagnaharin'ny maty, fao nihin'ny velogno. Somary diso hevitra areo." 28 Nisy araiky tamin-jareo mpanaoratra lalàgna havy ary naharegny koragnan-jareo; hitany fa nivalian'i Jesôsy tsara zareo. Aveo nagnontany izy hoe: "Ino no didy taigna gaida amin'izy jiaby?" 29 Jesôsy namaly hoe: "Ny tegna gaida dia ny hoe: 'Mitandrignaisa, ny Tômpo Zagnaharintsika, ry Israely, araiky ny Tômpo. 30 Tsy maintsy mankatia ny Tômpo Zagnaharinao amin'ny fonao jiaby anao, amin'ny fagnahinao jiaby, amin'ny saigninao jiaby, avakeo amin'ny angôvonao jiaby. 31 Tô no didy faharoa: 'Tsy maintsy mankatia ny namanao mitôvy ny haigninao anao.' Tsisy didy hafa gaida mihoatra ankoatran'ny reo." 32 Ninainagna lehy mpanaoratra lalàgna hoe: "Tsara zany, Mpagnanatra! Voambaranao marigny fao Zagnahary dia araiky, avakeo tsisy ankoatran'ny Izy. 33 Ary ny mankatia Azy amin'ny fo jiaby ndraiky amin'ny saigny jiaby avakeo ny angôvo jiaby, avakeo mankatia ny namagna mitôvy amin'ny haigny, dia tsara mandilatra ny fagnatitry roagna jiaby." 34 Koafa hitan'i Jesôsy fa nagnamia valin-teny hendry izy, dia nivolagna taminy Izy hoe: "Tsy lavitry ny fanjakan-Jagnahary anao." Aveo tafaran'ny zany, dia tsisy ôlogno nahasaiky nagnapaitraka fagnontaniagna tamin'i Jesôsy eky. 35 Namaly Jesôsy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; Dia ninainagna Izy hoe: "Manankôry moa ivolagnan'ny mpanoratra lalàgna fao Kristy dia zanak'i Davida? 36 Davida haigniny, tamin'ny Fagnahy Masigny, nagnano hoe: 'Ny tômpo nivaolagna tamin'ny Tompoko hoe: mipitraha akeo an-tanako ankahery, mandram-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotroa.' 37 Davida haigniny aby nagnantso Azy hoe: 'Tompoko', kay ino maha zanaka'i Davida an'i Kristy?" Nitandregny Azy tamink-aravoagna reo vahoaka maro be. 38 Tamin'ny fagnanaragna Jesôsy dia nivaolagna hoe: "Mitandraima amin-jareo mpanoratra lalàgna, zay tia mandaiha amin'ny ankanjo lava ary tian-jareo ny fiarahabagna azon-jareo agny an-tsaina 39 ary tian-jareo ny mahazo sezy alaohaka agny amin'ny synagoga ndraiky toeragna alaohaka agny amin'ny fety. 40 Mandroba ny tranon-jareo mpitondran-taigna zareo, avakeo magnano vavaka lava be mbô ho hitan'ôlogno. Reo lalahy reo dia hahazo fagnamelohagna gaidagaida. 41 Aveo Jesôsy nidôko fanan-jôko ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nizaha reo ôlogno jiaby zay nandatsaka vola tao amin'ny vatandrakitry. Mpanakariagna maro no nandatsaka vola fôntry. 42 Dia nisy vaiavy mijaly mpitodrataigna araiky avy nandatsaka farantsahely aroa, zay hely ventim-bary aroa ohoarigny amin'ny iraimbilanja. 43 Dia nantsôviny reo mpianany avakeo ninainagna Izy tamin-jareo hoe: "Ambarako areo taigna marigny, fao tô vaiavy mijaly mitomdra taigna tô no nandatsaka maro mandilatra ny ôlogno zay nandatsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. 44 Satria ny jiaby dia namiany tamin'ny fanagnam-ben-jareo. Fao tô mpitondrataigna tô ndraiky, tamin'ny fijaliany, dia nandatsaka vola jiaby zay tôkony hivilaomany tao."