Toko faha 15

1 Naraindrain-dahy, dia nivôry ny mpisoronabe niaraka tamin-jareo sojabe ndraiky zareo mpanoratra làlagna ary ny Synedriona jiosy jiaby. Nitadian-jareo Jesôsy aveo nindesin-jareo niboaka. Natôlotro zareo teo amin'ny Pilato Izy. 2 Nangnontany Azy Pilato hoe: " Anao moa Mpanjakan'ny jiosy?" Nivaliany hoe: "Zaho tatô be." 3 Nivaolagna fiampangagna maro manohitry Jesôsy zareo lohan'ny mpisôrona. 4 Nagnintany Azy ndraiky Pilato hoe: "Tsy magnamia valin-teny moa Anao? Zahavo ny hamaroan'ny fiampangagna nindesin-jareo manohitry Anao!" 5 Fao tsy namaly an'i Pilato eky Jesôsy, dia nahagaga azy zany. 6 Ary tamin'ny andro firavoravoagna, dia namôtsotro gadra araiky hoan-jareo faogna Pilato, gadra lehy angatahin-jareo. 7 Niaraka tamin-jareo mpikomy tao an-gadra, tao amin-jareo mpamono ôlogno zay voatagna nohon'ny fandraisan-jareo anjara tamin'ny fikomiagna, dia nisy lalahy araiky antsôvigny hoe Barabasy. 8 Dia nandaiha tamin'i Pilato vahoaka kay nanomboko nangataka taminazy mbô hagnano amin-jareo karaha lehy fatany tagny talohaka. 9 Pilato namaly zareo kay nagnano hoe: "Tianareo moa raha ny Mpanjakan'i Jiosy no halaifako aminareo?" 10 Satria hainy fao fialaognagna no nanoloran'ny lohan'ny mpisôrogno an'i Jesôsy taminazy. 11 Fao nagnaintagna vahoaka zareo lohan'ny mpisôrogno mbô hangaiky mafy fao tôkony ho Barabasy sintrany no havôtsotro. 12 Dia namaly zareo ndraiky Pilato kay nagnano hoe: "Ino ary zany no tôkony hatako amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 Dia nangaikingaiky ndraiky zareo hoe: "Homboy Izy!" 14 Nivaolagna Pilato tamin-jareo hoe: "Ino moa ratsy natany?" Fao nangaiky mafy faogna zareo hoe: "Homboy Izy." 15 Tehagnano zay mahafa-pô zareo Pilato, koa dia nalaifany ho nihin-jareo Barabasy. Nipopohiny Jesôsy ary aviteo namiany mbô hombogny. 16 Nindesin-jareo miaramila ho akeo amin'ny banja Izy (zay agnivon-toeran' ny fanjakagna), ary nantsôvin-jreo aby ny antoko miaramila jiaby. 17 Nampisikinin-jareo lamba vôlomparasy Jesôsy, ary nitaly fehiloha fatsiky zareo kay nagnapaitraka zany taminazy. 18 Dia nanomboko niarahaba Azy zareo ary nivaolagna hoe: "Arabaigny, Mpanjakan'ny Jiosy!" 19 Nipopohin-jareo tamin'ny volotara ny lohany salakady nandrora taminazy. Dia nandongoalitry talaohany zareo mody nidaira Azy. 20 Koafa avy nankalaifaka Azy zareo, dia nalan-jareo taminazy ndraiky ny lamba vôlomparasy avakeo nampanaovin-jareo Azy ny fitafiany manokagna, ary dia nindesin-jareo niboaka Izy mbô hagnomboagna Azy. 21 Niteren-jareo ny mpandaiha araiky zay avy tagny an-tsaha mbô hilanja ny kakazofijaliagn'i Jesôsy, lalahy araiky antsôvigny hoe Simona Kyreniana baban'i Aleksandra ndraiky Rafôtsy. 22 Nindesin-jareo miaramila tagny amin'ny tany antsôvigny hoe Golgota Jesôsy (Zay midika hoe "Toeran'ny haran-doha"). 23 Namianjareo divaigny nifangaro miora Izy, fao tsy nigiaka zany Izy. 24 Dia nohomboan-jareo Izy ary nifampizaran-jareo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny lambany mbô hahaizagna zay ampahany raisin'ny miaramila tsiraikiraiky. 25 Tamin'ny laira fahatelo Izy no nohomboan-jareo. 26 Ary tamin'ny takailaka kakazo araiky no nanoran-jareo ny fiampangagna nanohitry Azy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy." 27 Dahalo aroa no niaraka nohomboan-jareo taminazy, ny araiky tamin'ny ankaheriny ary ny araiky koa tamin'ny ankaviany. 28 [Fagnamarihagna: Ireo fandikagna taloha taigna tsara dia tsy magnisy ny Marka 15:28 hoe: "Dia tantairaka ny Soratra Masigny magnano hoe: 'Natao ho agnisan'ny mpanota Izy.' (Ampitahafo ny Lioka 22:35)] 29 Ireo zay nandalo teo dia nagnaratsy Azy, nagnitokitodoha ary nagnano hoe: "Aha! Anao lehy afaka mandaravagna ny tempoly ary magnorigny zany ao agnatin'ny telo andro, 30 avaoto ny haigninao avakeo mijotsoà avy akeo amin'io kakazofijaliagna io!" 31 Ny lohan'ny mpisorona koa dia nankalaifaka Azy mitôvy zany, niaraka tamin-jareo mpanaoratra làlagna, ary nivaolagna hoe: "Nagnavotro ny hafa Izy, kanaifa tsy mahavotro ny haigniny. 32 Aoka lehy Kristy, lehy Mpanjakan'iIsraely, hirorogna avy akeo amin'ny kakazofijaliagna, biaka hitanay ary hinoanay," avakeo zareo nohomboagny niaraka taminazy koa dia nankalaifaka Azy. 33 Tamin'ny laira faha enigny, dia homby tamin'ny tany jiaby ny hizigny hatramin'ny laira fahasivy. 34 Ary tamin'ny laira fahasivy zany dia nangaiky tamin'ny feo mafy Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, lamà Sabakintany?" zay antsôvigny hoe: " Zagnahary, Zagnahary, nagnino moa Anao nahafo Zaho? 35 Ny sasany tamin-jareo zay nitsangagna teo naharegny vaolagnanazy kay nivaolagna hoe: "'Zahavo, magnantso an'i Elia Izy." 36 Nisy ôlogno araiky nihazakazaka, nagnidigny divaigny marikivy ny eponzy, ary nagnapaitaka zany tamin'ny volotara, dia nagnamia zany higiahiny. Lehy lalahy nivolagna hoe: "Ambilao ho hitanay asa ho avy hampirôrogno Azy akeo Elia." 37 Avakeo Jesôsy nangaiky tamin'ny feo mafy dia maty. 38 Triaka nizara aroa hatragny ambony sy bariko ambany ny lamban'ny tempoly. 39 Koafa hitan'ny lehy kapiteny zay nitsangagna salakady nifagnatitry tamin'i Jesôsy fao maty tamin'ny zany faomba zany Izy, dia nivolagna izy hoe: "Taigna Zanaka Zagnahary marigny io lalahy io." 40 Dia nisy vaiavy koa nizaha tagny lavitry tagny. Agnisan'izany Maria Magdalaina, Maria (Ninin'i Jakoba zandriny ndraiky Josesy), ary Salome. 41 Tamin'Izy tagny Galilia dia nagnaraka Azy aveo nanompo Azy zareo. Ary vaiavy maro hafa koa niara-niakatra taminazy tagny Jerosalema. 42 Koafa avy ny haligny, satria andro fiomanagna, zany hoe, andro alaohaka sabata io, 43 dia avy teo Josefa avy akagny Armatia. Mpikambagna hajaigny ao amin'ny Synedriona izy, zay nandigny ny Fanjakagnan-Jagnahary. Nanam-pahasahiagna izy nandaiha tagny amin'i Pilato hangaho fatin'i Jesôsy. 44 Gaga Pilato hoe afa maty edy Jesôsy; dia nantsoviny lehy kapiteny ary nagnontany azy izy raha maty Jesôsy. 45 koafa nahazo antoko tamin'lehy kapiteny izy fa maty jesôsy, dia namiany an'i Josefa ny fatiny. 46 Ary Josefa nividy hariry madiniky. Nampirôrogno Jesôsy teo amin'ny kakazofijaliagna izy, dia namono hariry madiniky Azy, avakeo nagnapaitraka Azy tamin'ny fasagna zay nilavahigny tao amin'ny vatolampy. Aveo namôdy vato teo amin'ny tamiam-pasagna izy. 47 Dia hitan'i Maria Magdalena ndraiky Maria renin'i Josesy ny toeragna nandivaignagna Azy.