Toko faha 14

1 Ary roa andro talôhan'ny Paska ndraiky ny Fankalazagna ny fihinanagna ny Môfo Tsisy Levira tamin'ny zany. Nizaha fomba hisambôragna an'i Jesôsy mangingigny reo lôhan'ny mpisôrogno sindriaky ny mpanoratra ny lalàgna ary hamono Azy aveo. 2 Ninainagna zareo hoe: "Aleo tsy atao amin'ny andro fety, mbô tsy hampitabataba ny ôlogno." 3 Koafa tagny Betania tao an-tragnon'i Simona boka Jesôsy, koafa nantotry teo an-databatra Izy, dia nisy vaiavy araiky nagnatogno Azy nitonga tavoangy alabastara misy mainaka lafo vidy, lehy narda tsy mifangaro. Nivakiny lehy tavoangy dia narabarabany teo amin'ny lôhany zany. 4 Nahavingitry ny ôlogno sanany kanaifa zany. Nifampikoragna zareo kay nagnan-jao: "Ino moa anton'ny zao fandanindaniam-poagna zao? 5 Io mainaka mangitry io dia nanjary navidy mandambin'ny vola telonjato, avakeo namiagna ny ôlogno mijaly." Dia nasiaka lehy vaiavy zareo aviteo. 6 Naifa nivaolagna Jesôsy hoe: "Ambilao izy. Nagnino moa areo magnano raha mampanahelo azy? Raha tsara no natany taminaha. 7 Ny mijaly dia tsy hiala aminareo, ary mahavita hagnano raha tsara amin-jareo fogna areo na amin'ny fotoagna ino na fotoagna ino, fa Zaho ndraiky tsy hipaitraka aminareo aky bariky haila. 8 Nagnano raha vitany izy: nagnôsotro zaho amin'ny fandivaignagna izy. 9 Ambarako areo marigny, na aiza na aiza hagnambaragna ny vaovao maharavoravo magnairan-tany, dia hambara ny raha natan'ny tô vaiavy tô, mbô hatsaroavagna azy." 10 Aveo Jodasy Iskariota, araiky tamin-jareo roambin'ny fôlo lahy, lôsogno nandaiha tagny amin-jareo lôhan'ny mpisôrogno hahavitany manôlotro Azy akeo amin-jareo. 11 Koafa naharegny zany reo lôhan'ny mpisôrogno, dia ravoravo zareo kay nampagnantaigna hagnamia vôla azy. Dia nanomboko nitsakaraka hiraka hagnamiazagna Azy amin-jareo izy. 12 Tamin'ny andro voalohan'ny fihinanagna ny môfo tsisy levira, koafa nagnano sôrogno ny ondrin'ny Paska zareo, dia nivaolagna reo mpianany taminy hoe: "Aiza no tianao homboanay hagnomoanagna hanigny, mbô hinanao ny hanignin'ny Paska?" 13 Dia nangniraka ny roa tamin'ny reo mpianany Izy kay nivaolagna tamin-jareo hoe: "Mandiana akagny an-tanàgna, aveo hoisy lalahy minday seho feno rano hifanôjy aminareo. Magnaraha Azy. 14 Lehy tragno hitsofaorany, magnaraha azy dia ambarao ny tômpin'ny zany tragno zany hoe: ' Nivaolagna ny mpagnanatra hoe: "Aiza ny hefitragno fandraisagna vahiny ahavitako miara-mihinagna ny Paska amin'ny reo mpianatranaha?'" 15 Hagnambara areo hefitragno giaida agnambon'ny rihana misy fitaovagna lehy efa vôgnogno tsara izy. Akao no atôvo ny fagnomanagna jiaby nihintsika." 16 Dia lôsogno ny mpianatra avakeo nandalo ny tanagna. Hitan-jareo araka lehy koragna nambarany zareo ny raha jiaby, dia nagnomagna ny hanign'ny Paska zareo. 17 Koafa haligny ny andro, dia tonga niaraka tamin'ny reo roa ambin'ny fôlo lahy Izy. 18 Koafa nantotry teo an-databatra sidraiky nihinagna zareo, dia novaolagna Jesôsy hoe: "Ambarako areo marigny, fao ny araiky aminareo lehy miara-mihinagna aminaha eto dia hamadiky Zaho". 19 Nalahelo fatatra zareo jiaby, kay nivaolagna taminazy ny tsiaraikiaraiky hoe: "Tsy zaho ndraiky zany? " 20 Jesôsy namaly kay nivaolagna zareo hoe: "Ny araiky aminareo roa ambin'ny fôlo zany, lehy miaraka magnajôbo môfo aminahy agnatin'ny kapila ze io." 21 Fao ny zanak'ôlogno dia handaiha amin'ny lalagna lehy afa nikoragnin'ny Soratra Masigny mahakasiky Azy. Fao loza ndraiky ho an'ny zany lalahy lehy mamadiky ny Zanak’ôlogno zany. Ny tsaratsara aminazy sintrany izy tsy natairaka." 22 Raha mboala teo am-pinanagna zareo, dia nangala ny môfo i Jesôsy, nagnamia misaotra, aveo nirasarasainy zany. Namiany zareo zany salakady nagnano hoe: "Alaivo, tô no vatagnanaha." 23 Dia nangala ny kapoaka Izy, nagnamia misaotra, avakeo nagnamia zany zareo, samy nigiaka tamin'ny zany zareo jiaby. 24 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Tô ny lion'ny fagnikiaiham-pihavanako, lio lehy alatsaka hamiagna ny maro. 25 Ambarako areo marigny, tsy higiaka tô vokatra ny voaloboko tô aky Zaho papiky havy koa ny andro zay higiahako zany akagny amin'ny Fanjakan-Jagnahary." 26 Koafa avy nihira hira fideragna zareo, dia nandaiha tagny an-tampontanetin'Oliva. 27 Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Hiala Zaho aby areo jiaby, fao voasoratra hoe: 'Hamango ny mpiambigny ondry Zaho avakeo hipariaka ny ondry.' 28 Koafa avy hatsangagna amin'ny maty Zaho,dia handaiha lôha lalagna areo akao Galilia." 29 Dia nivaolagna Petera Taminazy hoe: "Na dia hiala aby jiaby, zaho tsy mbô hiala." 30 Nivaolagna Jesôsy taminazy hoe: "Ambarako anao marigny, fao niany haligny, mboala tsy magneno indroa aby ny akôho, dia afa hiala Zaho in-telo anao." 31 Ninainagna Petera hoe: "Na tsy maintsy hiara-maty aminao aby zaho, tsy mbô hiala Anao." dia samy nampagnantaigna karaha zany aby zareo jiaby. 32 Ary tonga tagny amin'ny toairagna ato hoe Getsemane zareo, dia nivaolagna Jesôsy tamin'ny reo mpianany hoe: "Mantaira aketo raha mboala mivavaka Zaho." 33 Dia ninday an'i Petera, sindraiky Jakoba, avakeo Jaona niaraka taminazy Izy ary nanomboko nalahalo salakady taigna nijaly. 34 Dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nikorontagna loatra ny Fagnahinahy,karaha afa ho foaty. Mantaira aketo kay mivognôsa." 35 Nandaiha lavidavitry hely Jesôsy, nondriky tamin'ny tany, dia nivavaka Izy mbô raha koa manjary atao, dia hiala aminazy zany jaly zany. 36 Nivaolagna Izy hoe: "Aba, oa Baba, ny raha jiaby hainao atao. Alao aminaha tô kapoaka tô. Naifa tôkony tsy ny sitrapôko no hatao, fao Nihinao." 37 Nimpôdy Izy dia nahita zareo nandry, kay nivaolagna Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, mandry moa anao? Tsy nahavita niambigny fotoagna araiky aby moa anao? 38 Mivognôsa dia mivavaha mbô tsy hitsoforanareo akagny amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety taigna mazôto, fa ny nôfotro no malemy." 39 Dia lôsogno koa Izy nisintaka hely aveo nivavaka, ary dia nagnampôdy ny koragna natany taloha faogna. 40 Nimpôdy koa Izy dia nahita zareo nandry, fa navaisatra ny tôromaso ny mason-jareo ary tsy hain-jareo raha nikoragnigny taminazy. 41 Nagnatogno ampagnintelony Izy kay novaolagna zareo hoe: "Mboala mandry ndraiky mangala disaka faogna moa areo? Haoka aky zay! Afa tonga ny fotoagna. Zahavo! Ny Zanak'ôlogno nivadiahagna hamiagna akeo an-tagnagna mpanota. 42 Mitsangàna; ndahy handaiha atsika. Zahavo, afa marikitry lehy hamadiky Zaho." 43 Ary mboala teo am-pivolagnagna Izy, dia havy Jodasy, araiky amin'ny reo roambinifôlo lahy, niaraka tamin'ny vahoaka fôntry zay nilanja meso sindraiky sabôha, avy amin'ny reo lôhan'ny mpisôrogno, ny mpanôratra lalàgna, avakeo ny sojabe.v 44 Ary lehy mpamadiky Azy nagnamia famantaragna zareo, nivaolagna hoe: "Lehy rôfiky, Izy lehy Izy. Sambôro Izy dia iambaiso." 45 Koafa havy Jodasy, tonga dia nagnatogno an'i Jesôsy izy salakady nivaolagna hoe: "Mpagnanatra," ary niôroko Azy izy. 46 Aveo dia nisambôrin-jareo Jesôsy. 47 Fao nisy araiky tamin-jareo nitsangagna teo nagnaboaka ny meso ary namango lehy mpanompon'ny mpisoronabe kay nanapaka ny sôfiny. 48 Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Avy hanambotro Zaho, karaha ny hanambotro dahalo, miaraka amin'ny meso sindraiky sabôha moa areo? 49 Tamin'ny Zaho taminareo isan'andro ndraiky nagnanatra teo amin'ny fiangonagna , tsy nisambôrinareo. Fao natao zao mbô hagnatantairaka ny Saoratra Masigny." 50 Kay niala Azy aby reo jiaby niaraka tamin'i Jesôsy ary nipariaka. 51 Ary nisy tôvolahy araiky, tsy nitsabo lamba izy koa tsy lamba hariry faogna, nagnaraka Jesôsy. Koafa nisambôrin'ôlogno izy 52 dia nambailany teo ny akanjony kay lôsogno nilaifa tsy nisikigny izy. 53 Nindesin-jareo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niaraka nivôry taminazy teo aby ny mpisôrogno jiaby, sindraiky ny sojabe, avakeo reo mpanoratra lalàgna. 54 Ary Petera nagnaraka Azy avy akagny lavidavitry akagny, bariky amin'ny tokotan'ny mpisoronabe. Nantotry teo amin'ny reo mpiambigny izy, lehy namindro teo marikitry môtro. 55 Ary reo lôhan'ny mpisôrogno sindraiky ny Synedriona Jiosy dia nizaha tomoa manohitry an'i Jesôsy mbô hahavitan-jareo mamono Azy hofoaty. Kanaifa tsy nahita zareo. 56 Fa maro ny nagnambara vandy Aminazy, naifa na ny fagnambaran-jareo aby tsisy porofony aby. 57 Ary nisy ôlogno sanany nitsangagna kay navandy taminazy; nivaolagna zareo: 58 " Regninay Izy nivaolagna hoe: ' Haratiky tô tragno fiangonagna natao tamin'ny tagnagna tô, ary hafaka telo andro Zaho dia hagnatsangagna araiky hafa tsy natao tamin'ny tagnagna.'" 59 Fa mboala tsy nifagnaraka amin'ny zany faogna ny fagnambaran-jareo. 60 Ary ny mpisoronabe nitsangagna teo amin-jareo dia nagnontany an'i Jesôsy hoe: " Tsy managna raha hamaliagna moa anao? Ino zany hampangan'ny reto ôlogno reto Anao zany?" 61 Fao nangigny Izy salakady tsy namaly na ino na ino. Dia mboala nagnontany Azy koa ny mpisoronabe kay nagnano hoe: "Anao moa Kristy, Zanaka lehy voatahy? 62 Dia nivaolagna Jesôsy hoe: " Zaho tatô boeny; aveo ho hitanareo ny Zanak'ôlogno koafa mantotry akeo an-tagnagna ankaherin'ny angôvon-Jagnahary ndraiky avy akagny amin'ny rôndron-dangitry." 63 Ary ny mpisoronabe nagnatriaka ny lambany salakady nagnano hoe: "Mboala mila tomoa fogna moa atsika? 64 Afa regninareo ny fivolagnan-dratsy. Ino ny fanapahan-kevitriareo? Zareo jiaby dia samby nagnameloko Azy karaha ôlogno magniaiva hofoaty. 65 Ny sasany nanomboko nandrora Azy avakeo nandakotro ny soranazy kay namboko Azy ary nivaolagna taminazy hoe: "Maminagnia!" Ary reo manam-bogninahitry nangala Azy kay namboko Azy. 66 Ary raha teo ambany teo amin'ny banja Petera, dia nagnatogno azy ny araiky tamin-jareo mpanompo vaiavin'ny mpisoronabe. 67 Nahita an'i Petera nitsangagna namindro teo amin'ny môtro izy, dia nizahavany marikitry. Dia nivaolagna izy taminazy hoe: "Anao koa mbô niaraka tamin'ny lehy Nazarena Jesôsy." 68 Fao izy tsy nagneky zany, nagnano hoe : "Tsy haiky salakady tsy azoko raha koragninareo zany." Avakeo lôsogno niala ny banja izy. [Fagnamariahagna: reo fandikagna sanany magnampy hoe: "Dia nagneno ny akôho," fao reo fandikagna talôha tegna tsara dia tsisy io teny io.] 69 Fao lehy zaza vaiavy teo nahita azy dia nanomboko nivaolagna tamin-jareo ôlogno nitsangagna magnodidigny koa hoe: "Io lalahy io dia araiky amin-jareo! 70 Fao mboala tsy nagneky zany koa izy. Afaka tateky hely dia nivaolagna reo lehy nitsangagna narikitr'i Petera hoe: "Taigna araiky naman-jareo anao, satria anao koa mbô Galiliana." 71 Fao nanomboko nagnôzon-taigna sady nifanta izy hoe: "Tsy haiky zany lalahy koragninareo zany." 72 Ary niaraka tamin-jany dia nagneno ampagnindroany ny akôho. Avakeo dia nahatsiaro ny koragnan'i Jesôsy taminazy Petera hoe: "Raha tsy mboala magneno ampagnindrony ny akôho , dia hiala zaho in-telo anao," Dia nalahelo fatatra izy salakady nitomoagny.