Toko faha 16

1 Koafa tapitry ny andron'ny sabata, dia nivanga raha mangitry hisoragna amin'ny fatin'i Jesôsy i Maria Magdalena sindraiky Maria renin'i Jakoba, avakeo Salome nivanga hagnitry mbô handaiha aveo koa hagnôsotro ny fatin'i Jesôsy. 2 Vao miraizava tamin'ny andro voalohan'ny herigniandro, dia nandaiha tam-pasagna zareo koafa niboaka ny masôva. 3 Dia nifampivaolagna zareo hoe: "Zôvy moa hanokatra ny vato akeo amin'ny varavaram-pasagna mbô hidirantsika? 4 Koafa nianko lôha zareo, dia nahita fao nisaokatra niala ny vato, lehy taigna giaida aby. 5 Nitsôfotro tao am-pasagna zareo kay nahita tôvolahy nitsabo akanjo fôtsy, nantotry teo an-kahery, avakeo dia gaga zareo. 6 Dia nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Aza ambory. Mizaha an'i Jesôsy moa areo, lehy Nazarena, lehy nohombogny. Nitsangagna izy! Tsy aketo izy. Zahavo ny toairagna zay nambilan-jareo azy. 7 Fao mandihiana, koragno reo mpianany avakeo Petera fao handaiha alohak'areo agny Galilia Izy. Akagny no hahitanareo azy, araka lehy nivolagniny taminareo." 8 Niboaka zareo kay nilomoay niala ny fasagna; nangitakitaka salakady gaga zareo. Tsy nivaolagna na ino na ino tamin'ôlogno zareo satria taigna ambory fatatra. 9 [Fagnamariahagna : Ny fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka: 16: 9-20] Vao miraizava tamin'ny andro voalohan'ny herigniandro, tafarany Izy nitsangagna, dia niboaka tamin'i Maria Magdalena maloha izy, lehy nandroahany masantôko fito. 10 Kay lôsogno Maria avakeo nivaolagna ny vaovao tamin-jareo niaraka tamin'i Jesôsy, raha mboala nisaona aveo nitomoagny zareo. 11 Regnin-jareo fao velogno Izy avakeo nahita Azy izy, kanaifa tsy nankatô zareo. 12 [Ny fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka16: 9-20] Tafaran'ny reo raha reo Jesôsy dia niboaka tamin'ny fomba hafa tamin'ny aroa tamin-jareo, koafa nandaiha hankagny an-tanàgna zareo. 13 Dia lôsogno zareo, avakeo nivaolagna tamin'ny reo mpianatra tavaila, kanaifa tsy nankatô zareo. 14 [Fagnamariahagna: Ny fandikagna taloha taigna tsara dia ny magnala ny Marka16: 9-20] Tafara hely dia niboaka tamin'ny araiky ambinofôlo lahy Jesôsy raha mboala teo am-pihinanagna zareo, avakeo novaolagna mafy zareo Izy nohon'ny tsy finoagna avakeo hamafisan'ny fôn-jareo, satria tsy nankatô zareo zay nahita azy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty zareo. 15 Ary nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Mandihiana akagny amin'ny tany jiaby, avakeo ambarao amin'ny ôlogno jiaby ny vaovao maharavoravo. 16 Lehy mankatô ndraiky atao batisa no vonjegny, avakeo lehy tsy mankatô ndraiky dia ho sazigny. 17 [Fagnamariahagna: Ny fandikagna taloha taigna tsara dia magnala ny Marka 16: 9-20] Reto famantaragna reto dia hizôhy reo zay mankatô: Amin'ny agnaragnanaha no handroasan-jareo masantôko. Hivaolagna amin'ny fininagnagna tsy hainy zareo. 18 Hangala mainapitsoko amin'ny tagnagna zareo, avakeo koa migiaka raha mahafaty zareo, dia tsy hampagnino zareo zany. Hagnapaitraka tagnagna amin'ny marary zareo, dia hahivagna regny." 19 [Fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka 16: 9-20] Koafa avy nikoragna tamin-jareo ny Tômpo, dia nampiakarigny akagny an-dangitry Izy aveo nantotry akeo an-tagnagna ankaherin-Jagnahary. 20 Dia lôsogno reo mpianatra nitory teny tamin'ny tany jiaby, avakeo Tômpo niara-niasa tamin-jareo aveo nakamafy teny tamin'ny alalan'ny famantaragna zay niaraka tamin-jareo.