Toko Faha 6

1 Ary tamin'ny Sabata dia nandaiha nagnagny an-tanety Jesôsy aveo reo mpianatra nangala salohim-bary, nikôsoko zany tamin'ny tagnan-jareo aveo nihinagna ny voa. 2 Fao ny sasany tamin-jareo Fariseo ndraiky nivaolagna: "Nagnino areo magnano raha tsy ara-dalàgna ny mitsabo azy amin'ny andro Sabata?" 6 Aveo tamin'ny Sabata hafa dia nandaiha tao amin'ny Synagoga Izy dia nampianatra vahoaka tao. Nisy lalahy araiky maty tagnagna ankahery tao. 7 Nizaha marikitry Azy tsara reo mpanora-dalàgna ndraiky reo Fariseo mbô hahita raha hampahivagna ôlogno amin'ny Sabata Izy, mbô afahan-jareo mahita antony hagnambaragna Azy. 8 Naifa hainy zay tan-tsaignin-jareo aveo nivaolagna tamin'lehy lalahy zay maty tagnagna Izy nagnanjao: "Mitsangàna, avakeo avia aketo agnivon'ny ôlogno jiaby aketo." Koa nitsangagna lehy lalahy aveo nitsangagna teo. 12 Tamin'ny zany andro zany dia nandaiha nagnagny an-tanety Izy mbô hivavaka. Nitohizany nandritry ny aligny jiaby ny fivavahagna tamin-Jagnahary. 13 Koafa avy ny andro, nagnantso ny mpianany hoegny aminazy Izy, aveo nifidy aroa ambin'ny fôlo tamin-jareo Izy, zay nantsôvigny faogna koa hoe Apostoly. 14 Ny agnaragna reo Apostoly reo dia Simona (zay antsôvigny faogna koa hoe Petera) aveo ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanaka lahin'i Alfeo, Simona zay antsôvigny hoe Zelota, 16 Jodasy zanak'i Jakoba, avakeo Jodasy Iskariota, zay tonga mpamadiky. 20 Dia nizaha mpianany Izy, avakeo nivaolagna: "Sambatra areo zay mahay, fao nihinareo fanjakan-Jagnahary. 21 Sambatra areo zay tihinagna zeo, fao ho vôky areo. Sambatra areo zay mitomoagny zeo, fao himoehy areo. 22 Sambatra areo koafa malaigny areo ny ôlogno aveo koafa ahilikiliky zareo ndraiky haratsin-jareo areo, nohon'ny amin'ny Zanak'Ôlogno. 23 Miravoa amin'ny zany andro zany avakeo mibitaha an-karavoagna, satria azo antoko fao hahazo valisioa gaida akagny an-dangitry areo, fao mitôvy amin'ny zany no nindaisan'ny razan'ny reo mpagnazary. 24 Fao loza hoanareo zay manan-kariagna, fao afa azonareo zay mahafa-pô areo. 25 Loza hoanareo zay vôky zeo, fao mbôla ho tihinagna areo agny afara agny. Loza hoanareo zay mimoehy zeo, fao hisaona ndraiky hitomoagny areo agny afara agny. 26 Loza hoanareo, koafa mivaolagna tsara mahakasiky areo ny ôlogno jiaby, fao mitôvy amin'ny zany ny natan'ny razanareo tamin'ny reo mpagnazary sandoko. 27 Fao mivolagna aminareo zay mitandregny Zaho, tiavo ny fahavalonareo avakeo manaova ny tsara amin'ny zay malaigny areo. 28 Tahio zay magnôzogno areo avakeo mivavaha hoan'reo zay magnano tsinotsinona areo. 29 Koa misy manaifaka fifinao araiky dia amiazo azy koa ny hilany. Raha misy ôlogno mangala lambanao, aza mitagna na dia ny ankanjonao koa aby. 30 Amiazo zay jiaby mangataka aminao. Raha misy ôlogno mangala raha zay nihinao, aza mangataka ny hamiraignagna zany aminao. 31 Hotra zay tianao hatan'ôlogno aminao, dia tôkony hitsabonao amin-jareo koa zany. 32 Raha zay ôlogno tianao faogna no tiavinao, ino no tsara hoazonao amin'ny zany? Fao na ny mpanota aby mbô tia zay tia azy koa. 33 Raha amin'ny zay ôlogno magnano tsara anao faogna anao magnano tsara, ino no tsara ho azonao amin'ny zany? Fao ny mpanota aby dia magnano hotra zany. 34 Raha tsy mampindragna koa tsy amin'ny zay ôlogno handrasagna fao hagnam-pôdy zany aminao faogna anao, ino no tsara ho azonao amin'ny zany? Fao ny mpanota aby mampindragna ny mpanota, mbô hazahoagna hotra zany koa. 37 Aza mitsara, biaka tsy ho tsaraigny areo. Aza magnameloko, aveo tsy ho melohigny areo. Mamelà ny hafa, avakeo hoavela areo. 38 Magnamaiza, dia amiagna areo zany. Fahafoizagna fôntry—zay atafotafo, miara voahontsagna ary mitobaka—no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharagna areo hotra zany koa." 39 Aveo Izy nagnano fagnohoaragna tamin-jareo koa. "Moa ny ôlogno gila afaka mitariky ôlogno gila hafa? Raha magnano zany izy, dia mety hilatsaka agny andavaka zareo roa, sa tsia? 40 Ny mpianatra araiky dia tsy gaida noho ny mpampianany, fao zay jiaby nahatantairaka ny fiofagnagna dia hitôvy amin'ny mpampianany. 41 Fao nagnino anao mizaha ny tapa-kakazo hely zay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanaifa tsy mahazo onogno vatan-kakazo agnaty masonao? 42 Akôry no ivolagnanao ny rahalahinao hoe: 'Oa rahalahy, ano zaho hangala tapa-kakazo eo amin'ny masonao,' naifa tsy hitanao eky vatan-kazo eo amin'ny masonao? Mpiatsaravelatsihy! Alao eo amin'ny masonao alaoha ny vata-kazo, avakeo hahita tsara anao kay afaka hangala ny sombin-kakazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. 46 Fao magnino areo magnantso Zaho hoe: 'Tompo, Tompo,' kanaifa areo tsy mankatô zay raha volagniky? 47 Ny ôlogno jiaby mankatô Zaho ndraiky maharegny koragnanaha avakeo mankatô zany, dia ho ambarako areo hoe hotra ino izy. 48 Hotra ny ôlogno zay nagnorigny tragno izy, zay nandavaka laligny teo amin'ny tany aveo nagnorigny fôtotry ny tragno teo ambony vatolampy. Koafa tonga ny rano be, dia nandriaka nanohitry zany tragno zany ny rano be, fao tsy nampiontsagna azy, satria tsara jodigny lehy izy. 49 Aveo zay ôlogno maharegny koragnanaha naifa tsy mankatô zany, dia mitôvy amin'ny ôlogno zay nagnorintragno tamboniny tany kay tsy nagnisy fôtotro. Naifa nandriaka namely io tragno io ny rano be, dia lavo avy hatragny zany, ary ravagna tantairaka zany tragno zany."