Toko Faha 5

4 Koafa nijanogno nivaolagna Izy, dia nivaolagna tamin'i Simona Izy nagnanjao: "Ndeso amin'ny rano taigna laligny ny lakagna dia alatsaho ny haratonao mbô hazahoanareo hazandrano." 5 Simona namaly Azy kay nivaolagna: "Tompo ô, afa niasa ny aligny tontolo zahay, fao tsy nahazo na ino na ino, fao nohon'ny koragnanao, dia halatsako ny harato." 6 Koafa natan-jareo zany, dia navôry hazandrano maro taigna maro zareo, aveo natriaka haraton-jareo. 7 Koa nagnano fihetsiky tamin-jareo namany zay tao agnatilakagna araiky hafa zareo fao zareo fa tôkony hoavy avakeo hagnampy lakagna njareo. Dia havy zareo kay nameno ny lakagna aroa, kay afa hely hijibiky zareo. 8 Fao Simona Petera, raha voh nahita zany, dia niankaohaka teo amin'ny hongotro Jesôsy, nivaolagna nagnanjao: "Milao aminaha, fao lalahy mpanota zaho." 9 Fao gaga izy, ndraiky reo zay jiaby niaraka taminazy, nohon'ny hafotriran'ny hazandrano zay azon-jareo. 10 Tao agnatiny zany Jakoba ndraiky Jaona, zanak'i Zebedio, zay mpiara miasa amin'i Simona. Jesôsy nivaolagna tamin'i Simona nagnanjao: "Aza ambory, fao manomboko zao dia hagnarato ôlogno anao." 11 Koafa nindesin-jareo tagny an-tanety ny lakagnan-jareo, dia nagnambaila raha jiaby zareo kay nagnaraka Azy. 12 Dia nitranga zao raha mbôla tao amin'ny araiky tamin'ny reo tanagna Izy, dia nisy lalahy feno habokagna teo. Koafa nahita Jesôsy izy, dia niankaohaka taminazy avakeo niangavigny taminazy, nagnanjao: "Tompo, raha mety anao, dia afaka magnadio zaho." 13 Aveo namavatra tagnany Jesôsy ary nikasiky azy, nivaolagna: "Mety Zaho. Madiova." Samby teo dia afaka taminazy ny habokagna. 15 Kanaifa ny tatitry mahakasiky Azy dia niparitaka lavitry faogna, aveo vahoaka maro no niara-tonga mbô hitandregny Azy nampianatra avakeo mbô hahivagna amin'ny aretignin-jareo. 16 Kanaifa matetiky Izy dia niala nagnagny amin'ny tany foagna aveo nivavaka. 17 Ary tamin'ny andro araiky nampianarany, dia nisy Fariseo ndraiky mpanora-dalàgna nibidôko teo zay avy amin'ny tanagna samihafa ao amin'ny faritry Galilia ndraiky Jodia, avakeo koa avy ao amin'ny tanagnan'i Jerosalema. Ny angôvon'ny Tompo no tao aminazy mbô hagnasitranagna. 22 Fao Jesôsy, nahay zay nieritreretin-jareo, namaly aveo nivaolagna zareo nagnanjao: "Nagnino areo magnontany zany ao am-pônareo? 23 Ino no mora volagnigny: 'Voavaila ny helokoa' sa mivaolagna hoe: 'Mitsangana avakeo mandihiana?' 24 Naifa mbô hahaizanareo fao ny Zanak'Ôlogno dia manam-pahefagna hamôtotro heloko aketo antany, dia volagniky aminao, mitsangàna, ndeso ny fandriagnanao aveo mandihiana agny an-tragnonao." 25 Samby teo dia nitsangagna teo agnoloan-jareo izy ary nangala lehy fandriagna zay nandriany. Avakeo niala nagnagny antragnony izy, nagnamia vogninahitry Zagnahary. 26 Sondriagna jiaby aveo nagnamia vogninahitry Zagnahary zareo. Feno hamboriagna zareo, nivaolagna nagnanjao: "Nahita raha mahagaga atsika niany." 27 Tafaran'ny nitrangan'ny reo raha reo, dia niala teo Jesôsy kay nahita mpamôry haitra araiky zay antsôvigny Levy nidôko teo amin'ny tragno lain'ny mpamôry haitra. Nivaolagna taminazy Izy nagnanjao: "Magnaraha Zaho." 28 Dia nitsangagna i Levy kay nagnaraka Azy, ka nagnambaila ny raha jiaby. 29 Dia nagnano fagnasagna lehibe tao an-tragnony ho an'i Jesôsy i Levy. Fôntry reo mpamôry haitra ndraiky reo ôlogno hafa zay nipaitraka teo amin'ny latabatra aveo nihinagna niaraka tamin-jareo. 30 Naifa reo Fariseo ndraiky reo mpanora-dalàgna dia nitaraigny tamin-jareo mpianany, nivaolagna: "Nagnino anao mihinagna ndraiky migiaka miaraka amin'ny reo mpamôry haitra ndraiky reo mpanota hafa?" 31 Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Tsy mila dokotaira ny ôlogno salama; fao reo marary faogna. 32 Tsy tonga hagnantso ny ôlo-marigny ho amin'ny fibaibahagna Zaho, fao hagnantso ny mpanota hoamin'ny fibaibahagna." 33 Dia hoizy zareo taminazy: "Reo mpianatr'i Jaona mazagna mifady hanigny ndraiky mivavaka, aveo reo mpianatry reo Fariseo dia magnano hotra zany koa. Naifa ny mpianatrao dia mihinagna ndraiky migiaka." 34 Jesôsy nivaolagna zareo: "Moa misy ôlogno mahavita mampifady hanigny ny havan'ny mpampakatra raha aohatra mbôla mipaitraka eo amin-jareo ny mpampakatra? 35 Fa hoavy ny andro zay hangalagna ny mpampakatra eo amin-jareo aveo amin'ny zany andro zany dia hifady hanigny zareo." 37 Tsisy ôlogno magnisy divay vava agnatiny seho hôditry fa aila. Raha magnano zany izy, dia hagnatriaka hôditry lehy divay vava, avakeo ho raraka ny divay, aveo haratra lehy seho hôditry. 38 Fao ny divay vava tsy maintsy atao agnatin'ny seho hôditry vava. 39 Tsisy ôlogno avy nigiaka divay fa haila ka hagniry ny vava, fao hoizy hoe: 'Lehy talaoha no tsara."'