Toko Faha 7

9 Koafa naharegny zany Jesôsy, dia sondriagna taminazy Izy, aveo nitodiky tamin'ny reo vahoaka zay nagnaraka Azy dia nagnanjao: "Koragniky aminareo, fao na dia tagny Israely aby tsy nahitako finoagna hotra zao." 10 Koafa nimpôdy tagny an-tragno reo zay nirahigny, dia nahita fao salama tsara lehy mpanompo. 11 Tafaran'ny zany, dia nandaiha tagny amin'ny tanàgna atao hoe Naina Jesôsy, ary niaraka tamin'ny reo mpianany ndraiky reo vahoaka maro. 12 Raha narikitry ny varavaran'ny tanagna Izy, tô nisy lalahy araiky afa maty nindesigny niboaka, zanaka lahy taokan'ny nininy (zay mpitondra taigna), aveo vahoaka maro avy amin'ny tanàgna no niaraka taminazy. 13 Koafa nahita azy ny Tompo, dia naforaigny tantairaka azy kay nagnanjao taminazy: "Aza mitomoagny.'' 14 Avakeo niakatra Izy ary nikasiky lehy vata zay nitondran-jare lehy razagna, ary nijanogno reo nitondra zany. Nivaolagna Izy nagnanjao: "Oa tôvolahy, hoizy Zaho aminao, miaraigny.'' 15 Dia niarigny lehy maty kay nanomboko nivaolagna, aveo Jesôsy nanôlotro azy tamin'ny nininy. 16 Nandresy azy jiaby ny hamboriagna, kay nanôhy nidaira Zagnahary hatragny zareo, nivaolagna nagnanjao: "Mpagnazary lehibe no natsangagna aketo amintsika" Ary Zagnahary nitsinjo ny ôlognoanazy." 17 Tô vava mahakasiky Jesôsy tô dia niparitaka nagnairagna Jodia ndraiky reo faritry magnodidigny jiaby. 21 Ary tamin'ny zany fotoagna zany dia nampahivagna ôlogno maro tamin'ny aretigny ndraiky fahoriagna aveo fangirifiriagna avy amin'ny reo fagnahy ratsy Izy, aveo ôlogno gila maro no nampahitagna. 22 Jesôsy namaly kay nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Koafa avy nandaiha tamin'ny lalanareo areo, tatero amin'ny Jaona zay hitanareo ndraiky regninareo. Nahita ny gila, nandaiha ny malemy, nadio ny boka, naharegny ny maregnigny, nitsanga-ko velogno ny maty, aveo nitoriagna vava maharavo ny ôlogno agnantin'ny tsy fahampiagna. 23 Sambatra ny ôlogno zay tsy mijanogno mino Zaho nohon'ny atako." 24 Aveo koafa lôsogno reo irak'i Jaona, dia nanomboko nivaolagna tamin'ny vahoaka Jesôsy ny mahakasik'i Jaona nagnanjao: "Hizaha ino no niboahanareo tagny antany maty? Vôlotara nihôzongozôniny rivotro moa? 25 Fao hizaha ino no niboahanareo tagny? Lalahy misikigny lamba tsara moa? Zahavo, reo zay misikigny lamba lafo vidy ndraiky reo miaigny amin'ny fiainagna tsara dia ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26 Fao hizaha ino no niboahanareo tagny? Mpagnazary moa? Ia, hoizy Zaho aminareo, aveo mihoatra lavitry noho ny mpagnazary. 33 Fao Jaona mpagnano Batisa tonga tsy nihinagna môfo aveo tsy nigiaka divay, dia hoizy areo: 'Misy masantôko izy.' 34 Ny Zanak'Ôlogno tonga nihinagna ndraiky nigiaka, dia hoizy areo: 'Zahavo, fao tainda-kanigny ndraiky mpigiaka Izy, namany reo mpamôry haitra ndraiky mpanota!" 35 Fao ny fahindriagna dia voamarigny amin'ny zanany jiaby." 36 Aveo ny araiky tamin'ny reo Fariseo nagnasa Jesosy hinagna miaraka aminazy. Koafa avy niditry tao an-tragnon'lehy Fariseo Jesôsy, dia nipaitraka hihinagna teo amin'ny latabatra. 37 Tô, nisy vaiavy tao antanagna zay mpanota. Avakeo koafa nahatsikaritry izy fao nantotry teo amin'ny latabatra tao antragnon'ny lehy Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastra feno mainaka mangitry izy. 38 Aveo raha nitsangagna tafarany teo narikitry hongony izy, dia nitomoagny, kay nanomboko nandaiha ny hongony tamin'ny ranomasony, kay nifafany tamin'ny vôlon-daohany reo sady nagnôroko hongony aveo nagnôsotro reo tamin'ny mainaka mangitry. 39 Koafa nahita zany lehy Fariseo nagnasa Jesôsy, dia nieritreritry, nivaolagna nagnanjao: "Raha mpagnazary tô lalahy tô, dia tôkony ho hainy hoe karazagna vaiavy magnankôry io mikitikitiky Azy io, fao mpanota io." 40 Jesôsy namaly kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Simona, misy raha ho volagniky aminao." Hoizy: "Volagno zany, Mpagnanatra ô!" 41 Jesôsy nivaolagna: "Nisy mpagnampindram-baola nanagna mpitraosa aroa lahy. Ny araiky tôkony handoa diman-jato denaria, ny araiky dimam-pôlo. 42 Koafa tsy afaka nagnaifa zany taminazy zareo, dia samy nambailany izy roa lahy. Noho zany, zôvy amin'izy aroa lahy no ho taigna ho tia Azy?" 43 Simona namaly Azy kay nivaolagna: "Diniho fao lehy namoizany fôntry." Dia hoizy Jesôsy taminazy: "Marigny ny fitsaranao." 46 Tsy nisaoranao diloilo ny laohanaha, fao izy nagnôsotro hongotro tamin'ny mainaka mangitry. 47 Noho zany dia mivaolagna aminao Zaho, fao reo fahotagnanazy, zay maro, dia voavaila—satria izy gaida fitiavagna. Fao zay navôtotro hely, dia tia hely."