Toko Faha 22

1 Ary afa marikitry ny firavoravoagna amin'ny Môfo Tsisy Masirasira, zay antsôvigny hoe Paska. 2 Niady hevitry reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo mpanora-dàlagna ny amin'y fomba afahan-jareo momono Jesôsy, satria natahotro ôlogno zareo. 3 Aveo Satana niditry tamin'i Jodasy Iskariota, zay araiky tamin'ny reo tamin'reo aroa ambinifôlo. 4 Jodasy nandaiha tamin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo kapiteny avakeo niady hevitry tamin-jareo ny amin'ny fomba hamadihany Jesôsy eo amin-jareo. 10 Namaly zareo Izy nagnanjao: "Tandrignaiso, koafa miditry antanagna areo, dia hoisy lalahy araiky mitondra sehon-drano hifanôjy aminareo. Magnaraha azy agny amin'ny zay tragno itsofaorany. 11 Dia volagno ny tômpontragno hoe: ''Ny Mpagnanatra mivaolagna aminao hoe: 'Aiza ny efitragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako ny hanign'ny Paska miaraka amin'ny reo mpianatro?''' 14 Koafa tonga ny fotoagna, dia nantotry niaraka tamin'ny reo apstoly Izy. 15 Dia nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Nagniry mafy ny hihinagna tô paska tô miaraka aminareo Zaho alaohaka ny hijaliako. 16 Fao volagniky aminareo, tsy hihinagna tô eky Zaho, papiky tantairaka zany akagny amin'ny Fanjakan-Jagnahary." 17 Dia nalaka kapoaka Jesôsy, aveo koafa nigiaka Izy, dia nagnanjao: "Raiso tô, avakeo zarao aminareo. 18 Fao volagniky aminareo, tsy higiaka ny vokatry ny voaloboko eky Zaho, papiky havy ny fanjakan-Jagnahary." 19 Dia nandray môfo Izy, koafa nigiaka, dia nitapahiny zany, aveo namiany zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Tô ny haigninaha zay amiagna areo, Atôvy zao ho fahatsiarovagna Zaho." 20 Niraisiny hotra zany koa ny kapoaka koafa vita fihinanagna, dia hoizy Izy nagnanjao: "Tô kapoaka tô dia lehy fagnikiagna vava amin'ny linaha, zay nalatsaka hoanareo. 21 Fao mitandraima. Lehy araiky zay hamadiky Zaho dia miaraka Aminaha aketo andatabatra. 22 Fao ny Zanak'Ôlogno dia mandaiha tatôkitry araka zay voatendry. Fao loza ho nihin'ny zany lalahy zay hamadiky Zaho zany!" 23 Nanomboko nifangnontany zareo ny amin'ny araiky amin-jareo zay mety hagnano zany. 24 Dia nisy malomalo nitranga koa teo aminjareo mahakasiky zay hevirigny ho taigna gaida aminjareo. 25 Nivaolagna tamin-jareo Izy: "Reo mpanjakan'ny Jentilisa dia tomponjareo, avakeo reo zay managna fahefagna aminjareo dia atao ho hotra reo zay magnano tsara ho nihin'ny vahoakany. 28 Fao areo no ôlogno zay nanôhy niaraka Taminaha tao amin'ny fankam-panahy nahazo Zaho. 29 Amiako fanjakagna areo, hotra ny Iadako koa zay nagnamia fanjakagna Zaho, 30 mbô ho afaka hihinagna ndraiky higiaka akeo andatabatra agny amin'ny fanjakako areo, ary hipaitraka eo amin'ny dabilio fiandrianana hitsara ny fokon'ny Israely aroa ambin'ny fôlo areo. 31 Simona, simona, mitandraima, mitady ny hahazo areo Satana, mbô afahany misivagna areo hotra ny vary. 32 Fao nivavaka hoanao Zaho, mbô tsy hofoaty ny finoagnanao. Afaran'ny himpodianako indraiky, dia ampaheraizo reo rahalahinao." 35 Dia nivaolagna taminjareo Jesôsy: "Koafa nandaifa areo tsy niaraka tamin'ny fipitraham-bola, kitapombatsy, na kiraro Zaho, nisy raha tsy ampy areo moa? "Namaly zareo nagnanjao: "Tsisy." 36 Dia nivaolagna tamin-jareo Izy nagnanjao: "Fao zeo, zay managna fipitraham-bola, aoka izy halaka azy, na kitapom-batsy faogna koa. Zay tsy managna meso dia tôkony hiavarotro ny lambanazy aveo hividy araiky. 43 Dia nisy anjely avy tandangitry niboaka taminazy, nampahery Azy. 44 Tao agnatin'ny fangirifiriagna, nivavaka tamin-kafanam-pô taigna mafy Izy, avakeo ny hatsimbohany dia nanjary hotra lio nitete tamin'ny tany. 45 Ary koafa nitsangagna avy nivavaka Izy, dia nandaiha amin'ny mpianatra, avakeo nahita zareo nandry nohon'ny alahelon-jareo, 46 kay nagnontany zareo nagnanjao: "Nagnino mandry areo? Mitsangana avakeo mivavaha, mbô tsy hidiranareo amin'ny fakampagnahy." 49 Koafa nahita raha nitranga reo zay nagnodidigny Jesôsy, dia nivaolagna zareo nagnanjao: "Tompo, tôkony hamely amin'ny meso moa zahay? 50 Aveo ny araiky tamin-jareo namely ny mpanompon'ny mpisoronabe, avakeo nanapaka ny sôfiny ankahery. 51 Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Ampy zay!" Nikasihiny ny sôfiny, aveo nampahivagniny izy. 52 Jesôsy nivaolagna tamin'ny laohan'ny mpisôrona, tamin'ny reo kapitenin'ny tempoly, aveo tamin'ny reo sojabe zay tonga hanohitry Azy nagnanjao: ''Tonga hotra ny hanambotro mpangalatra moa areo, miaraka amin'ny meso ndraiky koboay? 53 Tamin'ny Zaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempolo, tsy nisambotro Zaho areo. Fao zao no fotoagnanareo, ndraiky fahefagnan'ny haizigny." 56 Nisy mpanompo vaiavy araiky nahita raha nidôko teo amin'ny fahazavagnan'ny môtro izy, ary nizaha mahitsy azy ndraiky nivaolagna nagnanjao: "Tô lalahy tô koa niaraka taminazy." 57 Fao Petera nandà zany, nivaolagna nagnanjao: "Oa vaiavy, tsy haiko Izy." 58 Afaka helihely dia nisy ôlogno hafa nahita azy, aveo niavaolagna nagnanjao: "Anao koa araiky aminjareo. "Fao Petera nivaolagna: "Oa lalahy, tsy izy Zaho." 63 Aveo reo lalahy niambigny Jesôsy dia nigaodangaodagna aveo namboko Azy. 64 Nasian-jareo sôrogno Izy avakeo nagnintany Azy zareo, nivaolagna nagnanjao: "Maminanaia! Zôvy lehy ôlogno zay mamboko Anao? 65 Nivaolagna raha hafa maro hanohitry Jesôsy zareo, nivaolagna ratsy Azy. 69 Fao manomboko zeo, ny Zanak'Ôlogno dia hidôko akeo an-tanagnagna ankaherin'ny ngôvon-jagnahary." 70 Izy jiaby nivaolagna nagnanjao: "Dia zanaka Zagnahary zany Anao?" Jesôsy nivaolagna tamin-jareo: "Voalazanareo fao Zaho no Izy." 71 Zareo nivaolagna: Nagnino mbôla mila antomoa atsika? Fa atsika lasite no nahiregny avy tamni'ny vavanazy."