Toko Faha 21

1 Jesôsy nanopy maso kay nahita reo lalahy manankariagna zay nadatsaka fagnatiry zareo tao amin'ny fandatsahan-drakitry. 2 Nahita mpitondra-tegna mijaly araiky nandatsaka farantsa aroa tao Izy. 3 Kay hoy Izy nagnanjao: Ambarako marigny aminareo, tô mpitondra-tegna mijaly tô dia nandatsaka fôntry noho izy jiaby. 4 Ireo jiaby ireo dia nagnamia fagnatitry araka ny hafontrizan'ny hariagnany. Fao tô mpitondra-tegna tô, tamin'ny fahantragnanazy, dia nandatsaka ny fivilaomany jiaby.'' 7 Koa nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Oa Mpagnanatra, afiriagna reo raha reo hiboaka? Ino no ahaizagna koafa hiboaka reo raha reo?" 8 Jesôsy namaly nagnanjao: "Mitandrema biaka tsy ho voafitaka areo. Fao maro no hoavy amin'ny agnarako, hagnano hoe: 'Izaho no izy,' ary, 'Efa marikitry ny fotoagna.' Aza magnaraka zareo. 9 Koafa maharegny ady ndraiky fikomiagna areo, dia aza mangorohoro, fao reo raha reo tsy maintsy hiseho alaohaka, fao ny farany dia tsy hiseho eo no eo.'' 10 Ary hoizy Izy taminjareo: "Ny firenena hitsangagna hanohitry firenena, aveo fanjakagna hanohitry fanjakagna. 11 Hoisy horohoro-ntany gaida, aveo tihinagna ndraiky areti-mandrignagna agny amin'ny toeragna samihafa. Hoisy raha mampatahotro avakeo famantaragna gaida avy agny andangitry. 12 Fao mialaoha reo raha reo, dia hanambotro areo zareo aveo hagnenjiky areo, hanôlotro areo akao amin'ny synagoga ndraiky figadragna, hitondra areo agnatraihanjareo fanjakagna ndraiky reo mpanapaka nohon'ny Agnarako. 13 Zany dia hagnomia fahafahagna ho amin'ny fitsanganagna antomoa. 20 Koafa hitanareo voakodidigny miaramila Jerosalema, dia diniho fao afa marikitry ny faharavany. 21 Dia aoka reo akagny Jodia hilaifa agny antanety, aveo aoka reo zay akagny agnivontanagna hilaifa, aveo aza ambaila hiditry akao zareo zay agny ambanivôlo. 22 Fao reo no andron'ny valifaty, mbô ho tô reo raha jiaby afa voasoratra. 23 Loza hoanareo zay mitondra vahoaka ndraiky hoan-jareo mampinono aminjany andro zany! Fao hisy fahoriagna gaida ao amin'ny tany, avakeo hatizairagna amin'io vahoaka io. 24 Ho lavon'ny bôriziny zareo aveo ho ndesigny ho babo agny amin'ny firenena jiaby, aveo Jerosalema dia ho voajibajiban-jareo Jentilisa papiky tantairaka ny andron'ny Jentilisa. 25 Hisy famantaragna agny amin'ny masaova, agny amin'ny volagna, ndraiky agny amin'ny lakintagna aveo aketo antany. Ho azom-pahoriagna reo firenena, hitaintaigny nohon'ny rimorimon'ny ranomasigny ndraiky reo daroba. 26 Hisy lalahy ho toragna hamboriagna ndraiky fiandrasagna reo raha zay ho avy eto an-tany. Fao ho voahôzongôzogno ny ngôvon'ny langitry. 27 Avakeo dia ho hitanjareo ny Zanak'ôlogno havy egny amin'ny zavogno miaraka amin'ny ngôvo ndraiky vogninahitry gaida. 28 Fao koafa manomboko miboaka reo raha reo, dia mitsangàna aveo ahingano ny lohanareo, satria afa marikitry ny fagnafahagna areo." 29 Nitsabo fagnohoaragna tamin-jareo Jesôsy nagnanjao: "Zahavo ny kakazon'ny aviavy, ndraiky reo kakazo jiaby. 30 Koafa manaroko reo, dia ho hitanareo manaokagna fao afa marikitry ny laohotaogno. 31 Hotra zany faogna koa, koafa hitanareo miboaka reo raha reo, dia diniho fao afa marikitry ny fanjakan-Jagnahary. 37 Koa nandritry andro dia nampianatra tao amin'ny Tempoly Izy, aveo ny aligny dia nandeha niboaka Izy aveo nijanogno teo an-tanetin'ny oliva. 38 Ireo vahoaka jiaby dia tonga letry marandrain-dratsy mbô hitandregny Azy tao amin'ny Tempoly.