Toko Faha 20

1 Ary andro araiky, raha nampianatra ny vahoaka tao amin'ny tempoly Jesôsy ary nitory ny vava maharavo, dia nagnatogno Azy zareo lohan'ny mpisôrogno ndraiky mpanora-dalagna niaraka tamin-jareo sojabe. 2 Nivaolagna zareo, nagnanjao: "Ambarao zahay hoe amin'ny fahefagna ino moa hagnanaovanao regny raha regny? Na koa zôvy no nagnamia Anao zao fahefagna zao?" 5 Niady hevitry zareo, nivaolagna nagnanjao: "Raha hamaly atsika: 'Avy agny andangitry dia hivaolagna Izy magnanjao: ''kay nagnino areo tsy nino Azy?' 6 Fao raha mivaolagna atsika magnanjao: 'Avy amin'ny ôlombelogno,' dia hanopy vato atsika ny vahoaka jiaby, satria zareo dia resy lahatra fao Jaona mpagnazary." 7 Noho zany dia namaly zareo fao tsy hainjareo zay niaviany. 8 Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Zaho tsy hagnambara aminareo zay fahefagna hagnanaovako zao raha jiaby zao." 9 Nivolagnin'ny tamin'ny vahoaka zao fagnohoaragna zao: "Nisy lalahy araiky nanagna tanim-boaloboko, nampagnaofa zany tamin'ny mpamboly voaloboko, aveo nandeha tagny amin'ny firenena hafa tagnatiny fotoagna aila. 10 Tamin'ny laira voatondro dia nagnandefa mpanompo izy ho agny aminjareo mpamboly voaloboko, fao tôkony hagnomia azy ny voankazon'ny lehy tanimboaloboko zareo. Nipopohinjareo mpamboly anefa izy, aveo nalaifany nimpôdy tagnam-pôlo. 11 Avakeo nagnandefa mpanompo hafa ndraiky izy ary nipopohindreo koa, nalainy baraka, aveo nalefanjareo tagnampôlo. 12 Mbôla nagnandefa fagnintelony izy aveo noratrainjareo koa izy, aveo niroahigny. 13 Noho zany dia nivaolagna ny tômpony lehy tanimboaloboko nagnanjao: 'Ino raha ataoko? Halaifako akagny ny zanako lahy tiako. Mety mbô hajainjareo izy.' 14 Fao koafa hitanjareo mpamboly voaloboko izy dia nikoragna zareo, nivaolagna nagnanjao: 'Io lehy mpandova. Alohy ho vonontsika izy, biaka ho hazontsika ny lôva.' 15 Niroahinjareo niala ny tanimboaloboko izy aveo nivononjareo. Ino aveo no ho ataon'ny tômpony lehy tanimboaloboko aminjareo? 16 Hoavy izy aveo hagnapotiky reo mpamboly voaloboko, avakeo hagnamia lehy tanimboaloboko amin'ny hafa. Koafa naharegny zany zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Sagnatria amin-Jagnahary!" 17 Fao nizaha zareo Jesôsy, nivaolagna nagnanjao: "Ino hevitry lehy voasaoratra hoe: 'Ny vato zay tsy nikehinjareo mpagnorintragno no nanjary vato fehizoro'? 18 Ny tsiaraikiaraiky zay lavo ake agnivon'ny vato io dia tôrotôro. Fao na zôvy na zôvy no lavo, dia ho potiky." 21 Nagnontany azy zareo nivaolagna nagnanjao: "Mpampianatra ô! Hainay Anao fao mivaolagna ndraiky mampianatra am-pahamarinagna, ary tsy voasariky ny hevitry zôvy na zôvy, fao Anao dia mampianatra ny fahamarinagna mahakasiky lalàn-Jagnahary. 22 Ara-dalagna aminay moa ny magnaifa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?'' 25 Nivaolagna Izy taminjareo nagnanjao: "Noho zany amiazo Kaisara ny raha jiaby nihin'i Kaisara, aveo amin'ny Zagnahary zay nihin-Jagnahary." 26 Tsy nahita tsigny tamin'izay nambarany teo agnatrehan'ny vahoaka zareo, fao dia gaga tamin'ny valin-teniny kay nangigny. 27 Koafa tonga teo aminazy ny sasany taminjareo Sadeseo, reo zay nivaolagna fa tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, 28 nagnontany Azy zareo, nivaolagna nagnanjao: "Mpampianatra ô, Mosesy dia nanaoratra amintsika fao raha maty ny rahalahin'ny lalahy araiky, manambady, aveo tsy mananjanaka, dia tôkony halaka vady an'ny lehy vadin-drahalahiny lehy lalahy, aveo hagnomia zanaka hoan'ny rahalahany. 29 Nisy mpirahalahy fito aveo ny voalohany nanam-bady, avakeo maty tsy nanan-janaka, 30 ary ny faharoa koa tôrotro zany. 31 Nagnampakatra azy ny fahatelo, aveo karaha zany aby izy fito samy tsy nanan-janaka, aveo maty. 32 Tafaran'ny zany dia maty lehy vaiavy. 33 Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, ho vadin-jôvy ary izy? Fao samy afavy nanambady azy izy fito." 34 Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: Zareo zanaka izao tontolo izao dia mampaka-bady ndraiky ampakarigny. 35 Fao zareo zay hita amin'ny zao andro zao fao magnaiva ny halaka ny fitsanganagna amin'ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarigny. 36 Tsy hofoaty eky zareo, satria mitôvy amin'ny reo anjely ndraiky reo zanaka Zagnahary, zay zanaka ny fitsanganagna amin'ny maty. 37 Fao ny maty dia natsangagna na Mosesy aza dia mampiseho, teo amin'ny lehy toeragna zay nisy voaroy, zay nagnantsaovany ny Tompo ho Zagnaharin'i Abrahama ndraiky Zagnaharin'i Isaka aveo Zagnaharin'i Jakoba. 38 Ary Izy dia tsy Zagnaharin'ny maty, fao nihin'ny velogno, satria ny raha jiaby dia velogno ao aminazy.'' 39 Ny sasany taminjareo mpanoradalagna namaly nagnanja: "Mpagnanatra ô, namaly tsara Anao." 40 Satria tsy nahasaiky nagnapetraka fagnintaniagna hafa taminazy eky zareo. 41 Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: ''Manankôry no agnambaranjareo fao Kristy dia zanaka lahin'i Davida? 42 Fao Davida vaokany no nivaolagna tao amin'ny bokiny salamo magnanjao: "Ny Tompo nivaolagna tamin'ny Tompoko: 'Mibidaoha akao antanagna ankaheriko, 43 papiky agnanaovako ny fahavalonao ho fambilagna hongotro.' 44 Noho zany Davida dia nagnantso Kristy hoe: 'Tompo,' kay manakôry no maha zanak'i Davida Azy?'' 45 Tagnatrehan'ny ôlogno jiaby dia nivaolagna taminjareo mpianany Izy nagnanjao: 46 "Mitandrema amin'ny mpanora-dalagna, zay magniry handaiha miaraka amin'ny ankajo lava, ndraiky tia fiarahabaagna manaokagna egny an-tsaina, aveo dabilio voalohany ao agnaty synagoga, aveo toeragna voalohany agny amin'ny fagnasagna. 47 Zareo koa mandany ny tragnonjareo mpitondra tegna, aveo magnano vavaka lavareny ho fisehosehoagna. Ny lalahy karaha zany dia hahazo fagnamelaohagna bahery gaida."