Toko Faha 19

1 Niditra Jesôsy aveo nandalo an'i Jeriko. 2 Tô, nisy lalahy zay antsôvigny hoe Zakaiosy teo. Izy dia lehiben'ny mpamôry haitra sady nanankariagna. 3 Niaizaka ny hizaha izy hoe zôvy Jesôsy, kanaifa tsy afaka nahita tao agnivon'ôlogno, satria fohy izy. 4 Kay nilomoay talaohaka reo ôlogno izy avakeo nagnaniky kakazon'aviavy araiky mbô hizaha Azy, satria handalo amin'ny zany lalagna zany Jesôsy. 11 Raha naharegny zany raha zany zareo, dia nanôhy ninainagna Izy avakeo nagnano fagnoharagna araiky, satria teo marikitry Jerosalema Izy, avakeo zareo nieritreritry fao hiboaka samby teo ny fanjakan-Jagnahary. 12 Noho zany Izy dia ninainagna nagnanjao: ''Nisy andriandahy araiky nandaiha tagny an-tany lavitry mbô hahazo fanjakagna ho an'ny haignianazy ndraiky himpôdy avakeo. 13 Nagnantso fôlo lahy tamin'ny reo mpanompo azy izy, avakeo nagnamia farantsa fôlo zareo, avakeo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: ''Manaova raharaham-barotro papiky zaha himpôdy.'' 14 Kanaifa reo fokon'ôlogno nalaigny azy salakady nagnandaifa solontaigna nagnaraka azy, nivaolagna nagnanjao: ''Tsy ilainay ny hanjakan'io lalaha io aketo aminay.'' 15 Avakeo koafa nimpôdy ndraiky reo mpagnaradia azy lehy namiany vaola mbô ho akeo aminazy izy, mbô hahaizany zay tômbony azon'njareo tamin'ny fanaovagna raharaham-barotro. 16 Havy teo alaohakanazy ny voalohany, nivaolagna nagnanjao: 'Tompo, ny farantsanao dia nahazo tômbony farantsa fôlo mihoatra.' 17 Ninainagna azy lehy tandapa nagnanjao: 'Tsara zany, mpanompo tsara. Noho anao natoky tamin'ny hely taigna hely, dia hanagna fahefagna amin'ny tagnàgna fôlo anao.' 18 Havy lehy faharoa, nivaolagna nagnanjao: 'Ny farantsagnao, Tompo, dia nahaifa farantsa dimy.' 19 Avakeo ninainagna tamin'ny lehy tandapa nagnanjao: 'Hikarakara tanàgna dimy anao.' 20 Havy ny araiky hafa, nivaolagna: 'Tompo, tô ny farantsagnao, zay nakajiky tsara tao agnatin'ny lamba, 21 fao natahotro anao zaho, satria lalahy masiaka anao. Kay mangala zay tsy napaitrakao, avakeo mijinja zay tsy nafafinao.' 22 Nivaolagna taminy lehy tandapa nagnanjao: 'Amin'ny koragnanao manaokagna no hitsarako anao, anao mpanompo ratsy totry. Hainao fao zaho dia lalahy masiaka, malaka zay tsy napaitrako, avakeo mijinja zay tsy nafafiky. 23 Kay nagnino moa tsy napaitrakao tagny amin'ny mpikajy vaola ny vaolanaha, kay koafa nimpôdy zaho dia ho nangala zany niaraka tamin'ny zanany?' 26 Zaho mivaolagna aminareo, fao zay jiaby managna dia hamiagna mihoatra, fao zay tsy managna, na dia zay hely anagnany dia halaigny. 27 Fao reo fahavaloko, zareo zay tsy nagniry zaho hanjaka akeo aminjareo, hento atô zareo ary vonoy eto ankilako.''' 28 Koafa avy nagnambara regny raha regny izy, dia nandaiha talaohaka, nakatra hoagny Jerosalema. 29 Ary koafa tonga akeo mariny betifaga ndraiky Betania Izy, teo amin'ny tanety antsovigny hoe oliva, dia nagniraka aroa tamin'ny reo mpianany Izy, 30 nivaolagna nagnanjao: "Mandihiana akagny amin'ny tanagna hafa. Koafa miditry areo, dia hahita zanaboriky araiky mbôla tsary nitikinin'ôlogno lasitekiny. Vahao zany aveo hento atoy aminaha. 31 Raha misy magnontany areo magnanjao: 'Magnino moa vahanareo zio?' dia ambaranareo magnanjao: 'Misy ilavan'ny Tompo azy.' 32 Zareo zay nirahigny dia nandaiha akagny nahita lehy zana-boriky araka ny nivolagnin'ny Jesôsy taminjareo. 33 Raha teo ampamahagna zanaboriky zareo, dia hoizy zareo tompony taminjareo nagnanjao: "Nagnino vahanareo ny zana-borikinaha?" 34 Nivaolagna zareo:"Misy ilavan'i Tompo azy." 35 Nihentinjareo tagny amin'ny Jesôsy zany, avakeo napetraka zareo teo ambonin'ny zana-boriky ny lambany aveo nampatotry Jesôsy akeo amboniny. 36 Raha nandaiha igny Izy, dia nivilarinjareo teo amin'ny làlagna ny lambanjareo. 41 Koafa nagnatogno tanagna Jesôsy, dia nitomoagny azy, 42 nivaolagna nagnanjao: "Raha mbô hainareo moa amizeo andro zeo, egny anao, reo raha zay mitonga fiadanagna hoanao! Naifa amizeo regny dia mivôny amin'ny masonao. 43 Fao hoavy aminareo andro, zay hampitsanganan'ny fahavalo manda magnodidigny anao, aveo hagnodidigny anao, ary hanery anao amin'ny lafiny jiaby. 44 Zareo dia handavo anao amin'ny tany miaraka amin'ny Zanakao. Tsy hagnapetraka na vato araiky mifampitikigny aza zareo, satria anao tsy nahay zany fony Zagnahary niezaka ny hamonjy anao.'' 47 Aveo nampianatra isanandro tao am-piangonagna Jesôsy. Zareo laohan'ny mpisôrogno ndraiky zareo mpanora-dalagna aveo zareo mpitariky ny vahoaka dia hagnano hamono Azy, 48 fao tsy nahita fomba hanaovagna zany zareo, satria navila nitandregny Azy aby ny vahoaka jiaby.