Toko Faha 16 17

3 Mitandraima. Raha manota ny rahalahinareo, volagno mafy izy, aveo raha mibebaka izy, mamelà azy. 4 Raha manota aminao impito ao agnatin' ny andro araiky izy, kay impito mimpôdy aminao izy, mivaolagna fao: 'Mibebaka zaho,' dia tsy maintsy mamela azy anao!" 5 Zareo apostoly nivaolagna tamin'ny Tompo magnanjao: "Ampitomboy ny finoagnanay." 6 Ny Tompo nivaolagna: "Raha managna finoagna karaha voatsinampy areo, dia afaka mivaolagna amin'io vôrivôrinkakazo io hoe: 'Miongota, avakeo maniria an-dranomasigny,' dia hagneky areo izy. 7 Fao zôvy aminareo, managna mpanompo miasa tany na miambigny ondry, kay hivaolagna aminazy koafa tonga avy akagny an-tsaha izy magnanjao: 'Avia malaky aveo mantaira mbô hihinagna'? 8 Fao tsy hivaolagna aminazy moa izy magnanjao: 'Karakaray raho hoanigny zaho, kay atôvy fehimboko magnodidigny ny ankanjonao dia manompoa zaho mandrapahalanin' ny hanigny naha aveo figiahagnanaha. Dia aveo anao mihinagna ndraiky migiaka'? 9 Tsy misaotra lehy mpanompo izy satria nagnao regny zay nibikoagna azy izy, sa misaotra magnomia fisaoragna izy? 10 Na dia areo koa aza, koafa nahavita regny raha jiaby zay nandidiagna regny areo, dia tôkony hivaolagna magnanjao: 'Zahay dia mpanompo tsy mendriky. Zay tôkony nitsabonay faogna no nitsabonay.'" 11 Aveo raha nandaiha ho agny Jerosalema Izy, dia nandaiha teo amin' ny sisin-tany akeo agnailagnailan'i Samaria ndraiky Galilia. 12 Koafa niditra akao amin'ny tanàgna araiky izy, dia nisy boka fôlo lahy nitratro taminazy tao. Nitsangagna lavitry Azy zareo 13 aveo nagnampakatra agnambo ny feonjareo, nivaolagna nagnanjao: "Jesôsy, Tompo ô, mamindrà fô aminay." 14 Koafa nahita zareo Izy, dia nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Mandihiana dia aboaho aminjareo mpisôrogno ny haigninareo." 15 Raha igny lôsogno igny zareo dia nadio. Koafa nahita ny araiky taminjareo fao nahivagna izy, dia nimpôdy, niaraka tamin' ny feo agnambo nankalaza Zagnahary. 16 Niankohoko teo an-tongotr'i Jesôsy izy, nanôlotro fisaoragna Azy. Izy dia Samaritana. 17 Ary Jesosy nivaolagna nagnanjao: "Tsy afa madio moa zareo fôlo? Fao aiza ny sivy? 18 Tsisy hafa nimpôdy hagnomia vogninahitra Zagnahary moa? afa tsy tô vahiny tô?" 19 Ary hoizy Izy taminazy: "Mitsangàna, kay mandihiana. Ny finoagnanao no nankaivagna anao." 20 Raha nagnontonianjareo Fariseo nagnanjao: "afiriagna ny fanjakan-Jagnahary no ho tonga, dia namaly zareo Jesosy kay nivaolagna: "Tsy hita-maso ny faviagnan' ny fanjakan-Jagnahary. 21 Tsy hivaolagna koa zareo magnanjao: 'Zahavo, tô lehy izy!' na hoe: 'Igny lehy izy!' Fao tô, ny fanjakan-Jagnahary dia akao agnatinareo." 22 Hoizy izy taminjareo mpianatra: "Avy ny andro hagnirianareo ny hahita ny araiky amin'ny andron'ny Zanak'ôlogno, fao tsy hahita zany areo. 23 Ary zareo nivaolagna aminareo fao: 'Zahao, atoy!' Fao aza miboaka na magnindry zareo, 24 fao karaha ny sinkelatra mazava koafa mitaratra avy akagny amin'ny ilany ny lanitra kay tonga akagny amin'ny ilany araiky, dia karaha zany ny Zanak'ôlogno amin'ny andronazy. 25 Fao voalaohany dia tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro Izy ho tsy ikehin'ny tô taranaka tô. 26 Karaha zay nandalo tamin'ny andron'i Noa, no hoisy koa amin' ny andron'ny Zanak'ôlogno. 27 Nihinagna zareo, nigiaka, nanambady, natôlotro ho ampakarigny mandra-pahavian' ny andro zay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara—ary tonga Safo-drano kay nandripaka zareo jiaby. 28 Karah zay niboaka tamin'ny andron'ny Lota—nihinagna sady nigiaka zareo, nividy ndraiky nivarotro, namboly ndraiky nitsabo tragno. 29 Fao tamin'ny andro zay niboahan'i Lota avy tao Sodoma, dia môtro ndraiky solifara no nilatsaka avy t'an-dangitry kay nandripaka azy jiaby. 30 Dia karaha zany koa ny amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'ôlogno. 31 Amizany andro zany, aza misy ambaila halaka regny entagna ho agny ambailan'ny tragno zay akagny amin'ny tômpontragno; aveo aza ambaila himpôdy zay agny an-tsaha. 32 Tsaroano ny vadin'i Lota. 33 Na zôvy na zôvy mitady hagnavotro ny haigniny dia hahavery azy, fao na zôvy na zôvy hahavery ny haigniny dia hamonjy azy. 34 Magnambara aminareo Zaho, fao amizany aligny zany dia hoisy ôlogno aroa akeo ambonon'ny fandriagna araiky. Ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa. 35 Ary hoisy aroavavy miaraka mandisa vary. Ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa." 36 [Fagnamarihagna: regny fandikagna tegna tsara dia magnala ny andininy faha 36 magnanjao: "Hoisy arolahy agny an-tsaha; ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa."] 37 Nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Aiza Tompo?" ary Izy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Zay hamitrahagnan'ny faty, dia akagny koa no hoisy vôtoro hiaraka mivôry."