Toko Faha 16

1 Dia hoizy koa Jesôsy taminjareo mpianany: "Nisy lalahy mpanakariagna araiky nanagna mpitantagna, ary nitarigny tagny aminazy fao io mpitantagna io no nandany ny fanagnany jiaby. 2 Koa nampagnantso azy lehy lalahy mpanan-kariagna aveo nivôlagna taminazy nagnanjao: 'Ino zany regniky mahakasiky anao zany? Magnamaiza tatitra mahakasikin'ny asa fitantanagnao, fao anao tsy ho afaka ny ho mpitandri-panagnagna eky.' 3 Ary lehy mpitandrim-panagnagna nivaolagna tagny an-tsainy nagnanjao: ''Ino eky no tôkony atako, fao magnala zaho amin'ny asa tantaniky ny tompoko? Tsy manan-kery hiasagna tany zaho, avakeo maignatra ny hangataka zaho. 4 Haiky ny ho atako, koafa alagna amin' ny asa fitantanagna zaho, dia hampandroso zaho ao an-tragnonareo ny ôlogno.' 8 Aveo lehy tompo dia nidaira lehy mpitantagna tsy marigny satria niasa tamin-kafitsiagna izy. Fao tegna fetsy ny zanaka zao tontolo zano ny amin' ny fifagnarahagna aminjareo samy ôlogno noho ny zanaka ny fahazavagna. 9 Mivaolagna aminareo Zaho, mizahava namagna amin'ny alalan'ny vola tsy marigny, amizay koafa lany zany, dia mety halainjareo amin' ny fitoeragna bariky dintany areo. 10 Zay mahatoky amin'ny hely dia mafatoky amin' ny maro koa, aveo zay tsy marigny amin'ny hely dia tsy marigny amin' ny maro koa. 11 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasagna vaola tsy marigny areo, zôvy no hatoky areo amin'ny hariagna marigny? 12 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasagna ny vaolan' ny ôlogno hafa areo, zôvy no hagnomia vaola hoanareo zeraiky? 13 Tsisy mpanompo afaka manompo tompo roa, fao na izy halany ny araiky dia ho tia ny araiky, na koa izy hanôlotro haigninazy ho an'ny araiky dia hagnano tsinontsinona lehy hafa. Tsy afaka manompo zagnahary ndraiky hariagna areo." 14 Aveo Fariseo, zay tia vaola, koafa naharegny zany raha zany, dia nagnamavo Azy zareo. 15 Nivaolagna taminjareo Izy nagnanjao: "Areo dia magnamarigny ny haigninareo akeo imason' ny ologno, fao Zagnahary mahay ny fônareo. Fao zay hampakarigny eo amin'ny ôlogno dia halanareo ekeo imasin-Jagnahary. 19 Ary nisy mpanankariagna araiky zay nisikigny lamba vôlomparasy ndariky rongôny misikigny aveo nankamamy isan'andro harem-beny. 20 Nisy mpangataka araiky antsôvigny hoe Lazarosy nibidôko akeo amin' ny vavahadiny, feno bày, 21 aveo nagniry mbô hinagna zay latsaka avy eo amboniny latabatra lehy lalahy mpanan-kariagna. Fao na ny amboa aza tonga ndraiky nilailatra ny bàiny. 25 Fao Abrahama nivaolagna nagnanjao: 'Zanaka, tsaroavy fao tamin'ny androm-piainagnao dia nahazo raha tsara anao, aveo ny an'i Lazarosy ndraiky raha ratsy. Fao amizeo izy atoy dia voatambitamby, ary anao akao amin'ny fangirifiriagna. 26 Ankoatra zany jiaby zany, dia nisy taivagna gaida napaitraka, mbô tsy ho afaka hitsaka zay tihitsaka avy atoy hankagny aminareo, ary tsy afaka hitsaka avy agny handaiha aminay.' 29 Fao Abrahama nivaolagna: 'Managna an' i Mosesy ndraiky ny mpagnazary zareo; aoka regny hitandrignaisanjareo.' 30 Ary namaly lehy lalahy mpanam-kariagna nagnanjao: 'Tsia, Abrahama Iada, fao raha misy avy amin' ny maty mankagny aminjareo, dia hibebaka zareo.' 31 Fao Abrahama ndraiky nivaolagna nagnanjao: 'Raha tsy mitandregny an' i Mosesy aveo regny mpagnazary zareo, dia tsy ho resy lahatra faogna na misy ôlogno mitsangnagna amin'ny maty aza.'"