Toko Faha 15

1 Aveo reo mpamôry haitra jiaby ndraiky reo mpanota sasany dia havy teo amin'i Jesôsy mbô hitandregny Azy. 2 Nifampimonimonigny reo Fariseo ndraiky reo mpanora-dàlagna, nivaolagna nagnanjao: "Io lalahy io dia mandray mpanota, avakeo miara-mihinagna amin-jareo lasiteo aby." 3 Jesôsy nitsabo zao fagnohoaragna zao tamin-jareo, nivaolagna nagnanjao: 4 "Zôvy aminareo, raha managna ondry zato izy ary aveo very ny araiky amin'ny ziregny, no tsy hagnambaila ny sivy amby sivy fôlo agny an-tany maty, aveo handaiha hizaha lehy araiky very mandra-pahitavany azy? 5 Aveo koafa hitany zany, dia availany eo an-tsarony aveo miravo izy. 11 Aveo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Nisy lalahy araiky nanan-janaka aroa lahy, 12 aveo ny faralahy tamin-jare nivaolagna tamin'ny iadany nagnanjao: 'Iada a, amiazo zaho ny anjara hariagna zay tôkony ho ninaha.' Koa dia nizaraigny tamin-jareo ny fanagnany. 17 Fao koafa tonga saigny lehy faralahy, dia nivaolagna izy nagnanjao: 'Firy amin'ny reo mpanompony iadako no managna hanigny mihoatra ny saha, aveo tô zaho, matin'ny tihinigna! 18 Hingiako eto kay ho agny amin'ny iadako zaho, aveo zaho hivaolagna aminazy magnanjao: "Iada a, afa nanota tamin'ny langitry zaho, ndraiky tamin'ny masonao. 19 Tsy magnaiva antsôvigny hoe zanakao eky zaho; atôvo hotra ny araiky amin'ny reo mpanompo zaho." 20 Noho zany nandaiha lehy faralahy kay nandaiha amin'ny iadany. Raha mbôla lavitry izy, dia hitan'ny lehy iadany, aveo tôhigny nangoraka, kay nihazakazaka, aveo nitôlogno sady nagnôroko azy. 21 Lehy zanany lalahy nivaolagna nagnanjao: 'Iada a, afa nanota tamin'ny langitry ndraiky tamin'ny masonao zaho. Tsy magnaiva antsôvigny zanakao zaho.' 22 Lehy iada nivaolagna tamin'ny mpanompony nagnanjao: 'Ndeso malaky reo ankajo taigna tsara, kay ampiakanjoa azy, avakeo asio pairatra ny tagnany, ndraiky kiraro ny hongony. 23 Avakeo ndeso lehy zanaka aomby matavy kay vonoy zany. Alôhy atsika hankalaza amin'ny lagnonagna! 24 Satria ny zanako lahy dia maty, ary zeo velogno ndraiky.' Very izy, avakeo zeo hita indraiky.' Aveo dia nanomboko nikoragna zareo. 28 Vingitry lehy lahimatoa, aveo tsy nety niditry, dia niboaka iadany, aveo niangavy azy. 29 Fao namaly lehy lahimatoa avakeo nivaolagna tamin'ny iadany nagnanjao: 'Zahavo, afa antagnony maro no nanompoako anao, aveo mbôla tsy nandika ny lalànao zaho, aveo anao tsy mbôla nagnamia na dia zanak'osy nafahako nikoragna niaraka tamin'ny reo namako aby, 30 kanaifa koafa tonga ny zanakao lahy, zay nandriatra fanagnanao tamin'ny mpivaro-taigna, dia nivononao hoazy lehy zanak'aomby nafahy.' 31 Hoizy lehy iada taminazy: 'Zanako, anao dia miaraka aminaha faogna, avakeo zay jiaby nihinaha dia nihinao. 32 Kanaifa rariny amintsika ny mikoragna sady miravo, satria tô rahilahinao dia maty, avakeo zeo dia velogno indraiky; very izy, aveo zeo dia hita indraiky."'