Toko Faha 14

1 Aveo tamin'ny Sabata araiky, koafa nandaiha amin'ny tragnon'ny araiky tamin'ny reo mpitariky ny Fariseo hihinagna môfo Izy dia nagnaramaso Azy narikitry zareo. 2 Tô, teo agnatraihany nisy lalahy araiky zay nampijalin'ny edema. 3 Jesôsy nagnontany reo manam-pahaizagna amin'ny lalagnan'ny Jiosy ndraiky reo Fariseo nagnanjao: "Azo atao moa mampahivagna amin'ny andro Sabata, sa tsia?" 4 Fao zareo dia nangigny. Noho zany dia niraisin'ny Jesôsy izy, aveo nampahivagniny, dia nalaifany handaiha. 5 Hozizy tamin-jareo: "Zôvy aminareo zay manan-janaka lalahy na aomby latsaka agnaty vôvo amin'ny andro sabata tsy hisintogno azy avy hatragny?" 6 Zareo dia tsy nahavita nagnamia valiny amin'ny reo raha reo. 12 Jesôsy faogna koa dia nivaolagna tamin'ny lehy lalahy nagnasa Azy nagnanjao: "Koafa magnamia hanigny na fagnasagna anao, dia aza magnasa reo namanao na reo rahilahinao na reo marikitry anao na reo mpanankariagna magnodidigny anao, amin'ny mety hagnasany anao koa ho takalony zany, aveo ho voavaly anao. 13 Fao koafa magnano fagnasagna anao, asao ny mijaly, ny managna antsa, ny mandringa, aveo ny gila, 14 dia ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly anao zareo. Fao anao dia ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marigny." 15 Koafa naharegny reo raha reo ny araiky tamin'ny reo niray latabatra tamin'i Jesôsy, dia nivaolagna taminazy izy nagnanjao: "Sambatra zay hihinagna môfo ao amin'ny fanjakan-Jagnahary!" 16 Fao Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: ''Nisy lalahy araiky nikarakara hanigny lehibe aveo nagnasa ôlogno maro. 17 Koafa voakarakara ny hanigny, dia nagniraka mpanompony izy hivaolagna zareo zay nasaigny nagnanjao: 'Mandrasa, fao raha jiaby dia afa vôgnogno.' 18 Izy jiaby dia nitôvy saigny avakeo nanomboko nagnano fialan-tsigny. Lehy voalaohany nivaolagna taminazy: 'Nividy saha zaho, kay tôkony hiboaka zaho aveo hizaha zany. Miala tsigny zaho.' 19 Araiky hafa nivaolagna: 'Nividy aomby fôlo zaho, avakeo andaiha hamantatra zareo. Miala tsigny zaho.' 20 Aveo nisy lalahy araiky hafa nivaolagna nagnanjao: "Voh avy nampaka-bady zaho, aveo noho zany dia tsy afaka ny hoavy zaho.' 21 Dia tonga lehy mpanompo avakeo nivaolagna tamin'ny tômpony reo raha reo. Aveo lehy tompon-tragno vingitry kay nivaolagna tamin'ny lehy mpanompony nagnanjao: "Mandihiana malaky egny amin'ny reo harabe ndraiky antsaifantsaifa-dalagna eto antanàgna ny mahantra, ny mandringa, ny gila, aveo ny kilemaigny.' 22 Nivaolagna lehy mpanompo nagnanjao: 'Tompo, afa vita zay nibikonao, fao mbôla misy toeragna faogna.' 25 Avakeo vahoaka maro no nandaiha niaraka taminazy, aveo nitodiky Izy ary nivaolagna zareo nagnanjao: 26 "Raha misy aminareo magnatogno Zaho aveo tsy malaigny babany, nininy, vadiny, zanany, reo rahilahy ndraiky reo rahavaviny, avakeo na ny fiaignany aby, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy. 27 Na zôvy na zôvy tsy mitondra ny kakazofijaliany aveo magnaraka Zaho dia tsy afaka ny ho mpianatra naha. 31 Na koa mpanjaka ino, raha handaiha hifanehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipaitraka alaoha avakeo hangala hevitry raha miaraka amin'ny lalahy ray aligny dia afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa zay tonga manohitry azy miaraka amin'ny lalahy roa aligny? 32 Raha tsy zany, raha mbôla lavitry ny tafiky hafa, dia mandaifa antoko izy aveo mangataka fepaitra ho amin'ny fihavanagna. 33 Kay noho zany, na zôvy na zôvy aminareo tsy mahafoy zay jiaby hanagnany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy. 34 Tsara ny sira, fao raha very ny tsiron'lehy sira, akôry no himpodianany hasira indraiky? 35 Tsisy ilain'ny tany azy na dia zezi-tany aby. Ariagna faogna zany. Zay manan-tsôfigny ho antigny mitandregny, aoka izy hitandregny."