Toko Faha 4

1 Noho zany, aoka hitandrigny tsara atsika mbô tsy hoisy aminareo tsy afaka hahatakatra ny vaolagna fampanantenagna nambaila hoanareo mbô hidiranareo ao amin'ny fitsaharan-Jagahary. 2 Fao atsika dia nagnambaragna vava maharavo hotra zareo reo. Fao zany hafatra zany dia tsisy tagnambo amin-jareo zay tsy nipaitaka tao amin'ny finoaga niaraka taminy reo zay nankatô . ('Fagnamarihagna: ny dikan-teny sasany dia mivaky hotra zao: "Fao zany hafatra zany dia tsisy tômbony hoanareo zay nitandregny azy tamin'ny tsy finoagna.") 3 Fao atsika zay nino dia reo zay hiditry amin'ny zany fitsaharagna zany, araka zay afa nikoragnigny nagnanjao: "Tôrotro ny nifantako tamin'ny havingiragnako, dia tsy hiditry velively amin'ny fitsaharako zareo." Fao na zany koa aby, ny asa famoraonagna dia vita tamin'ny fagnoraignagna izao tontolo zao. 4 Fao izy nivaolagna tagny hoagny mahakasiky ny andro faha fito magnanjao: "Zagnahary nijanogno tamin'ny andro fahafito tamin'ny asa jiaby." 5 Aveo mbôla nivaolaga ndraiky izy: ''Zareo dia tsy hiditry velively ao amin'ny fitsaharako." 6 Noho zany, satria mbôla voataokagna hoany sasany ny fidiragna ao amin'ny fitsaharagna nazy, avakeo satria maro reo Israelita naharegny vava maharavo tsy niditry tao nohon'ny tsy fagnikaihagna, 7 dia nagnambaila andro araiky idraiky nantsôvigny hoe: "Niany" Zagnahary. Tafarany andro maro, dia nikoragna tamin'ny alalan'ny Davidy Izy, karaha zay nivolagniny talaoha magnanjao: "Niany raha mitandregny feonazy areo, dia aza magnamafy fônareo." 8 Fao raha Josoa no magnamia fitsaharagna zareo, dia tsy nikoragna mahakasiky ny andro araiky hafa Zagnahary. 9 Noho zany dia mbôla misy Sabata fitsaharagna voataokagna hoany vahoakan-Jagnahary. 10 Fao zay miditry ao amin'ny fitsaharan-Jagnahary dia nijanogno tamin'ny asany faogna koa, hotra ny natan-Jagnahary taminazy. 11 Noho zany aoka atsika hazôto hiditry amin'ny zany fitsaharagna zany, biaka tsy hoisy na araiky aby ho tafilatsaka amin'ny karazagna tsy fagnikaihagna zay natanjareo. 12 Fao ny vaolagna Zagnahary dia velogno aveo mandaitry aveo marangitry noho ny meso aroa lailany. Zany dia manindrogno hatramin'ny fagnasarahagna ny aigny amin'ny fagnahy, ndraiky ny tognogno amin'ny tsoka lasite. Kay afaka fantarigny menimeny ny fô ndraiky reo fikasagnany. 13 Tsisy famoraonagna nivôny teo agnatraihan-Jagnahary. Fao naifa, ny raha jiaby dia mibaribary ndraiky misaokatra eo imason'ny lehy araiky zay tsy maintsy hagnaboahantsika. 14 Noho zany, satria atsika dia managna mpisoronabe goalahy zay lôsogno namaky langitry, Jesôsy zanaka Zagnahary, dia nandaiha atsika hipaitaka mafy amin'ny finoagnantsika. 15 Fao atsika dia tsy managna mpisoronabe zay tsy mahatsapa fangorahagna amin'ny fahalimiagnantsika. 16 Fao naifa, atsika dia managna ôlogno araiky zay afa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba jiaby hotra atsika, naifa Izy tsisy ota. Aoka atsika andaiha amin'ny fahatokisagna hoagny amin'ny dabilio fiandrianan'ny fahasoavagna, mbô handraisantsika famindram-pô ndraiky hahita fahasoavagna hagnampy amin'ny fotoagna ilagna zany.