Toko Faha 3

1 Noho zany, rahalahy masigny, nandrasa ny antson'ny langitry areo. Diniho ny momban'i Jesôsy, ny apostoly ndraiky mpisoronabe zay kehintsika. 2 Izy dia nahatoky Zagnahary, zay nagniraka Azy, hotra Mosesy zay nahatoky tao antragnon-Jagnahary faogna koa. 3 Fao Jesôsy afa niraisigny magnaiva ny voagninahitry lehibe noho Mosesy, satria zay magnorigny tragno no taigna manan-kaja ohoarigny amin'ny lehy tragno. 4 Fao ny tragno jiaby zay nahorigny dia nisy ôlogno nagnorigny, fao ny araiky zay nagnorigny raha jiaby dia Zagnahary. 5 Amin'ny lafiny araiky, Mosesy dia natokisagna karaha mpanompo tao atn-tragnon-Jagnahary araiky manontolo. Izy no antomoa mahakasiky reo raha zay tôkony afa nikoragnigny amin'ny hoavy. 6 Fao Kristy no Zanaka bariky dintany ny tragnon-Jagnahary. Atsika no tragnony raha aohatra kay mitagna mafy ny angôvom-pô ndraiky ny fahatokisantsika atsika. 7 Noho zany, zany dia hotran'ny koragnin'ny Fagnahy Masigny magnanjao: ''Amizeo, raha mitandregny feonazy areo 8 dia aza magnamafy fônareo hotra ny tamin'ny fikomiagna, tamin'ny fotoagnan'ny fitsapagna agny antany maty. 9 Karaha zany ny razambenareo koafa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapagna Zaho, ary koafa, nandritry ny aifapôlo taogno, dia hitan-jareo ny asanaha. 10 Noho zany dia tsy ravoravo Zaho amin'io taminga io. 11 Hoizy izy Zaho: 'Zareo dia voatariky lalandava akagny amin'ny lalan-diso ao am-pônazy. Tsy nahay lalagnanaha zareo. Hotra zany no nifantako tamin'ny fahavignirako nagnanjao: 'Tsy hiditry ao amin'ny fitsaharako velively zareo."' 12 Mitandraima, rahalahy, biaka tsy hoisy na araiky aminareo aza hanagna fô ratsin'ny tsy finoagna, fao zay miala amin-Jagnahary velogno. 13 Fao ndraiky, mifampahereza isan'andro, raha mbôla misy ny antsôvigny hoe: "Niany," mbô tsy hoisy aminareo ho mafy fô amin'ny alalan'ny vandy ny fahotagna. 14 Fao atsika dia tonga mpiara-miasa amin'i Kristy raha aohatra kay mitagna mafy ny fahatokisantsika Azy hatragny amboalaohany kay zisiky amin'ny fiafaragna: 15 Fao ny mahakasiky zany dia afa nivolagniky nagnanjao: "Zeo, Raha mitanregny feonazy areo, dia aza magnamafy ny fonareo hotra ny amin'ny fikomiagna." 16 Zôvy zay afa naharegny Zagnahary kay nikomy? Fao tsy reo jiaby zay niboaka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy moa zany? 17 Zôvy no nahavingitry azy nandritra ny aifa-pôlo tagno? Tsy reo zay nanota moa, zay lavo tagny antanaty maty ny fatin-jareo? 18 Ho nihinjôvy no nifantany fao tsy hiditry ao amni'ny fitsaharagna zareo, raha tsy hoanjareo zay tsy nankatô Azy? 19 Hitantsika fao tsy afaka niditry tao amin'ny fitsaharany zareo nohon'ny tsy finoagna.