Toko Faha 2

1 Noho zany atsika dia tsy maintsy mitandrigny taigna mafy amin'ny zay regnintsika, mbô tsy hagnara-drenirano amin'ny zany atsika. 2 Fao raha marigny ny hafatra zay nikoragnigny tamin'ny alalan'ny reo anjely, aveo ny fandikan-dalagna jiaby ndraiky ny tsy fankatoavagna dia mangala sazy ara-drariny, 3 dia akôry ary no hafahantsika milaifa raha tsy miraharaha zany famonjiagna goalahy loatra zany atsika? Io no famonjiagna zay nambarany Tompo voalaohany ndraiky namafisin-jareo zay naharegny zany tamintsika. 4 Tamin'io fotoagna io faogna Zagnahary dia nagnaprofo zany tamin'ny famantaragna, fahagagagna, aveo asa mafy isankarazany, avakeo tamin'ny fizaragna reo fagnomaizam-pahasoavan'ny Fagnahy Masigny araka ny sitrapôny. 5 Fao tsy tamin'ny anjely no nampagnikaihany Zagnahary izao tontolo zao hoavy, momba zay koragnintsika. 6 Fao ndraiky, nisy ôlogno nitsangagna ho antimoan'ny zany tagny hoagny, magnanjao: "Ino ny ôlogno, no mandiniky azy anao? Na ny zanak'ôlogno, no mikarakara azy anao? 7 Anao nagnano ôlogno ambany hely noho reo anjely; nisatrohanao satro-bogninahitry tamin'ny vogninahitry ndraiky daira izy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny sasany talaoha dia magnampy: "Ary anao nagnapaitraka azy ambonimbonin'ny reo asan'ny tagnagnao.''] 8 Ny raha jiaby nampagnikaihinao eo ambanin'ny hongony." Fao hoazy no nampagnikaihan-Jagnahhary raha jiaby. Tsy nagnambaila na ino na ino izy kay tsy nampagnikaihany azy. Fao zeo atsika tsy mbôla mahita raha nampagnikaihagna azy. 9 Fao atsika mahita lehy araiky zay nitsabony ambany noho reo anjely nandritrany fotoagna fohy: Jesôsy, zay, nohon'ny fijaliany ndraiky ny fahafataisany, dia nisatrôhagna satrobogninahitry tamin'ny vogninahitry ndraiky daira. Kay zeo tamin'ny alalan'ny fahatsaran-Jagnahary, no nagnandramany fahafataisagna hoan'ôlogno jiaby. 10 Fao mety amin-jagnahary zany, satria raha jiaby dia misy ho Azy avakeo amin'ny alalany, mbô hitondra zanaka maro hoagny amin'ny vogninahitry. Mety aminazy ny hahatonga mpitariky ny famonjiagna zareo ho feno amin'ny alalan'ny fijaliagna. 11 Fao na ny ôlogno zay magnamasisgny na reo zay voamasigny dia managna laoharano araiky. Noho zany dia tsy maingatra magnantso reo hoe rahilahy Izy. 12 Nivaolagna Izy magnanjao: "Hagnambara ny agnaragnao amin'ny reo rahilahiko Zaho, hihira mahakasiky anao avy ao agnatin'ny fivondronagna Zaho." 13 Avake koa, "Hatoky azy zaho." Ary koa: "Tô, aketo zaho ndraiky reo zanaka zay namianjagnahary zaho.'' 14 Noho zany, satria nôfo aman-drà reo zanaka Zagnahary, dia nirasa raha karaha zany niaraka tamin-jareo faogna Jesôsy, mbô hoamin'ny alalan'ny fahafataisagna no hagnafoagnany ny araiky zay managna ny ngôvon'ny fahafataisagna, dia ny devoly zany. 15 Zany dia mbô hahafahany reo jiaby zay nohon'ny tahotro ny fahafataisagna dia niaigny fiaignan'izy jiaby reo tao amin'ny fagnandevozagna. 16 Fao mazava hoazy fao tsy reo anjely no vonjegny; fao naifa, ny taranak'i Abrahama. 17 Noho zany dia magnaiva Azy ny atao hotra reo rahilahiny amin'ny fomba jiaby, mbô ho mpisoronabe feno famindram-pô ndraiky fahatokisagna Izy amin'ny fifandraisagna amin'ny reo rahan-Jagnahary, aveo mbô hitondra momban'ny fambilagna reo fahotagnan'ôlogno. 18 Satria Jesôsy lasite no nijaly ndraiky nalaigny fagnahy, dia afaka magnampy reo zay alaim-pagnahy Izy.