Toko Faha 5

1 Fao ny mpisoronabe jiaby, voafidy avy tamin'ny ôlogno, dia nitindregny mbô hiasa amin'ny agnaran'ny ôlogno amin'ny reo raha mahakasiky Zagnahary, kay mbô hanolorany fagnomaizagna ndraiky fagnatitry hoan'ny ota. 2 Izy dia afaka mifagnaraka mora amin'ny tsy mahay ndraiky ny maniasia satria izy haigniny faogna koa dia voadidin'ny fahalemiagna. 3 Noho zany, izy faogna koa dia nitakiagna hanôlotro sôrogno hoan'ny reo otany manaokagna, karaha ny natany hoan'ny reo otan'ny ôlogno. 4 Tsy hoan'ny haigniny no handraisan'ôlogno zany vogninahitry zany. Fao naifa, izy dia nantsôvin-Jagnahary, karaha Arona. 5 Dia hotra zany, Kristy tsy mbô nagnamia haja ny haigniny lasite tamin'ny fagnanaovagna ny haigniny ho mpisorognobe. Fao naifa, lehy araiky zay nivaolagna taminazy nivaolagna nagnanjao: "Zanako Anao; niany dia tonga Iadanao Zaho." 6 Karaha zany faogna koa no nivolagnany tagny amin'ny toeragna hafa: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany araka ny fomban'i Melkizedeka." 7 Nandritran'ny reo andron'ny nôfony, Kristy nanôlotro vavaka ndraiky fangatahagna niaraka tamin'ny haiky mafy ndraiky ranomaso amin'ny Zagnahary, lehy araiky zay afaka magnavotro Azy amin'ny fahafataisagna. Regny Izy nohon'ny fangorahany. 8 Na dia zanaka aby Izy, dia nianatra fankatoavagna tamin'ny reo raha zay niaraitany. 9 Natao ho tonga lafatra Izy kay tonga, hoan'ny ôlogno jiaby zay magneky Azy, lehy laoharanon'ny famonjiagna bariky dintany. 10 Dia nitindren-Jagnahary hotra ny mpisoronabe Izy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11 Managna raha volagnigny maro mahakasiky Jesôsy zahay, fao sarotro ny magnazava zany hatramin'ny nahalalindalaovana ny fandrignaisanareo. 12 Fao amin'ny zao fotoagna zao dia tôkony ho mpampianatra areo, areo dia mbôla mila ôlogno hampianatra areo reo fitsipiky fôtotry ny hafatra Zagnahary. Ronono no ilainareo, fao tsy ventinkanigny! 13 Fao ny ôlogno zay migiaka ronono faogna dia tsy ampy traikaifa amin'ny hafatry ny fahamarignagna, satria izy dia mbôla zaza madiniky. 14 Fao ny ventinkanigny dia hoan-jareo gaida. Reo dia zay voahaofagna tamin'ny fagnavahagna ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoran-jareo.