Toko Faha 5

1 Noho zany aoka mbô ho mpangala tahaka Zagnahary, hotra ny zanaka tiagna. 2 Ary mandihiana amin'ny fitiavagna, araka ny nitiavan'i Kristy atsika faogna koa ndraiky ny nagnamaizany ny haigniny hoantsika, fagnatitry manim-pofogno ndraiky sôrogno hoan-Jagnahary. 3 Fao tsy tôkony hisy na dia koragna fijangajangagna na karazagna fahalotoagna na tsy fahononan-taigna aza eo aminare, fao tsy magnaiva ny ôlo-masin-Jagnahary re. 4 Aoka tsy hoisy mamoafady, koragna laifadaifaka, ary sangisangy tafahoatra_ fao tsy magnaiva jiaby amin'ny re. Fao ndraiky tôkony hoisy fankasitrahagna. 5 Fao afaka mahazo antoko ny amin'ny zao are, fao tsy hoisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigny_ zany hoe, mpanompy sampy_ managna laova ao amin'ny fanjakan'i Kristy ndraiky Zagnahary. 6 Aoka tsy hoisy hamitaka are amin'ny koragna foagna, satria noho re raha re dia tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavagna ny hatizairan-Jagnahary. 7 Noho zany, aza mikambagna amin-jare. 8 Fao mahizigny are fahigny, fao zao are dia fahazavagna ao amin'ny Tompo. Mandihiana hotra ny zanaky ny mazava, 9 (fa ny vokatry ny fahazavagna dia ao amin'ny fahatsaragna jiaby, fahitsiagna, ndraiky fahamarignagna). 10 Avake tadiavo zay mahafinaritry Tompo. 11 Aza mikambagna amin'ny re asa tsy mamokatry ny hizigny, fao ampibaribario ndraiky re. 12 Fao mahamaingatra na dia manognogno re raha tsabon-jare agny amin'ny miafigny aby. 13 Fao koafa hazavain'ny fahazavagna ny raha araiky, dia manjary mibaribary. 14 Fao ny raha jiaby zay mibaribary dia fahazavagna. Noho zany dia koragnigny hoe: "Minjóna, ana mandry, ary mitsangàna amin'ny toairan'ny maty, dia hamiratra amina Kristy." 15 Mitandraima amin'ny fomba fiagnanà_ tsy hotra ny tsy hendry fao hotra ny hendry. 16 Ararôty ny fotoagna satria zao andro zao dia ratsy. 17 Noho zany, aza adaladala, fao takaro hoe ino no sitrapôn'ny Tompo. 18 Ary aza magnano mamon'ny divay, fao mintondra agny amin'ny faharatsian-toaitra zany. Fao ndraiky aoka ho finoan'ny Fagnahy Masigny, 19 mifampikoragnà aminare samby are amin'ny salamo ndraiky fihiragna ary hiram-pagnahy, mihirà avake mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fônare jiaby. 20 Misaora lalandava amin'ny raha jiaby, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika ho amin-Jagnahary lehy Iada, 21 mifanolaora taigna amim-pagnajagna hoan'i Kristy. 22 Ry vaiavy, magnikaiha ny vadinare, hotra ny amin'ny Tompo. 23 Fao ny lalahy no laohan'ny vaiavy hotra Kristy koa laohan'ny fiangonagna, ary Kristy haigniny no mpagnavotro. 24 Fao hotra ny hagnikaihan'ny fiangonagna nihin'i Kristy, dia mitôvy zany koa no tôkony hagnikaihan'ny vaiavy ny vadiny amin'ny raha jiaby. 25 Ry lehilahy, tiavo ny vadinà, mitôvy ny nitiavan'i Kristy ny fiangonagna ndraiky nagnamaizany azy ny aigny. 26 Nanôlotro ny haigniny hoan'ny fiangonagna Kristy mbô hafahany magnamasigny azy, tamin'ny fagnadiovagna azy tamin'ny rano fanasagna amin'ny koragna, 27 mbô hahafahany mampiboaka azy ho gaida vogninahitry eo aminazy, tsisy tasy na ketrogno na raha hotra zany, fao masigny sady tsisy diso. 28 Hotra zany faogna koa ny lalahy dia tôkony ho tia vadin-jare avy hotra ny haignin-jare. Izy zay tia ny vadiny dia tia ny haigniny faogna koa. 29 Tsy mbôla nisy nalaigny ny haigniny, fao mamahagna ndraiky mikarakara zany tsara, mitôvy Kristy mamahagna fiangonagna ndraiky mikarakara azy faogna koa, 30 satria atsika dia ratsan-kaigniny. 31 Noho zany antony zany ny lalahy dia handà iada ndraiky nininy kay hikambagna amin'ny vadiny, ary izy aroa dia hanjary nôfo araiky faogna." 32 Gaida zany fahamarignagna mivôny zany_ fao Zaho dia mivaolagna mahakasik'i Kristy ndraiky ny fiangonagna. 33 Kanaifa, ny tsiaraikiaraiky aminare faogna koa dia tôkony ho tia vadiny avy hotra ny haigniny, ary ny vaiavy dia tôkony hagnaja vadiny.