Toko Faha 4

1 Noho zany, zaho, amin'ny maha gadran'ny Tompo zaho, dia mampirisiky are mbô handaiha am-pahindriagna amin'ny antso zay nagnantsaovagna are. 2 Mampirisky are zaho mbô hanagna fanitrian-taigna gaida ndraiky fahatsoragna ave faharaitagna, mifandefitry amin'ny fitiavagna. 3 Magnanaova zay faran'ny angôvonare mbô hikajianagna ny firaisan'ny Fagnahy amin'ny fehim-piavahavanagna. 4 Araiky faogna ny vatagna ary araiky faogna ny Fagnahy, hotra ny nagnantsaovagna are tao amin'ny fanantenan'ny fagnantsaovagna are araiky faogna koa. 5 Ary araiky faogna ny Tompo, araiky ny finoagna, araiky ny batisa, 6 ary araiky faogna Zagnahary ndraiky ny iadan'ny raha jiaby, zay agnambony raha jiaby ary amin'ny raha jiaby. 7 Atsika tsiaraikiaraiky avy dia namiagna fahasoavagna araka ny hagidasin'ny fagnomaizan'i Kristy. 8 Araka ny koragnin'ny Saorata Masigny zany hoe: "Koafa nakatra tagny agnambo Izy, dia ninday reo babo hoamin'ny fahababoagna, ave natôlotro fagnomaizagna hoan'ny vahoaka Izy." 9 Ino ny hevitry ny hoe: "Nakatra Izy," raha tsy hoe nijôtso tagny amin'ny faritry ambanin'ny tany faogna koa Izy? 10 Izy lehy nijôtso faogna lehy ôlogno nakatra ambony tagny an-dangitry, mbô afahany magnamia raha jiaby. 11 Kristy dia nanôlotro ny sasany ho apostoly, ny sasany ho mpagnazary, ny sasany ho evanjelista, ave ny sasany ho pasitaira ndraiky mpampianatra. 12 Nagamia re asa re Izy mbô hagnampiagna re vahoakany masigny ho amin'ny asa fanompoagna, amin'ny fagnorainagna ny vatan'i Kristy. 13 Manôhy magnorigny ny vatany Izy mandra-pahatakarantsika jiaby ny firaisam-ponoagna ndraiky ny fahaizagna ny Zanaka Zagnahary, ave mbô hahatonga atsika ho matotro kay mbô hahatakatra ny hagidasan'ny fahafinoan'i Kristy. 14 Magnorigny atsiaka Kristy mbô tsy hotra ny zaza zay atopitopon'ny onja eky atsika, ary tsy hoentin'ny rivotro ny fampianaragna ndraiky ny hafitsian're ôlogno amin'ny tetiky feno vandy. 15 Fao atsika ndraiky, amin'ny filazagna ny fahamarignagna amin'ny fitiavagna, dia tôkony hitômbo amin'ny fomba jiaby ao amin'Izy zay laoha, zany hoe, Kristy. 16 Kristy dia manangagna ny haigny jiaby, ave nakambagna ndraiky natambatra tamin'ny isan-toniny zany, ary koafa miasa miaraka re, dia mahatonga ny vatagna hitômbo mbô hampiorigny ny haigniny amin'ny fitiavagna. 17 Noho zany, dia mivaolagna ave manindry mafy zany ao amin'ny Tompo zaho, mbô tsy hiaigny tôrotro ny jetilisa eky are, amin'ny fahafinoan'ny fisaignan-jare. 18 Mahizigny ny fahaizagnan-jare, tafisaraka amin'ny fiainan-Jagnahary nohon'ny tsy fahaizagna ao amin-jare nohon'ny hamafisam-pônjare. 19 Tsy mahay maingatra zare ave nanôlotro ny haignin-jare hoamin'ny nôfo, ary manôhy magnano zao karazam-pahotagna jiaby zao. 20 Fao tsy zany no fomba nianaranare ny mahakasik'i Kristy. 21 Inoako fao naharegny ny mahakasiky Azy are, ary nampianarigny tao aminazy, satria ny fahamarignagna dia ao amin'i Jesôsy. 22 Nampianarigny are mbô hagnary ny fomba fiagnanare talaoha, mbô hagnary ny toaitra talaoha. Lehy toaitra talaoha zay naratra nohon'ny fitaka ny filany. 23 Nampianarigny are mbô hihava ao amin'ny fagnahin'ny saigninare, 24 ary hitafy lehy ôlom-bava zay namboarigny araka ny endrk'i Zagnahary—ao amin'ny taigna fahamarignagna ndraiky fahamasinagna. 25 Noho zany, ialà ny vandy, ary aoka ny tsiaraikiaraiky aminare hifampivaolagna ny marigny amin'ny namany, satria isan'ny rantsan'ny jiaby atsika. 26 Mivignira fao aza manota. Aza ambaila ho taka'ny masaova jibiky ny hatizairagna. 27 Aza magnamia toairagna hoan'ny devoly. 28 Zay nangalatra dia tsy tôkony hangalatra eky. Tsy maintsy miasa izy, magnano asa tsara amin'ny tagnany, mbô hanagnany raha ho zaraigny hoan'ny re ao agnatin'ny tsy fahampiagna. 29 Aza ambaila hoisy koragna maloto hiboaka avy amin'ny vavanare. Mampisà koragna zay ilaigny amin'ny fagnoraignagna ny hafa, araka zay ilain-jare, mbô taigna hagnampy re zay mitandregny are ny koragnanare. 30 Ary aza mampalahelo ny Fagnahy Masin-jagnahary, fao avy aminazy no nagnanaovagna tombo-kase are ho amin'ny andron'ny fagnavaotagna. 31 Ialà ny lôlom-pô jiaby, haromontagna, ny hatizairagna, ny fifamaliagna, ave ny fifampivaolan-dratsy, miaraka amin'ny re karazan'asa ratsy jiaby. 32 Manàgna halimaizam-pagnahy amin'ny tsiaraikiaraiky avy, fahatsoram-pô, mifamotsaora heloko, hotra ny namotsaoran-Jagnahary are tao amin'i Kristy.