Toko Faha 3

1 Noho zany, zaho Paoly, dia gadran'i Kristy Jesôsy aminare Jentilisa. 2 Atako fao naharegny ny fitantanagna ny fahasoavan-Jagnahary zay namiagna zaho hoanare are. 3 Manaoratra araka ny fagnambaragna nampahafantarigny zaho zaho. Zany no marigny mivôny mahakasiky zay nisoroatako fohifohy taminare. 4 Koafa mamaky zany are, dia hoafaka ny hahazo ny fomba fahazoako zany marigny mivôny mahakasik'i Kristy zany. 5 Tamin'ny re taminga hafa dia tsy nata hain'ny zanak'ôlombelogno zany marigny zany. Fao avaizo ndraiky zany dia nambara tamin'ny alalan'ny Fagnahy tamin're Apostoly ndraiky re mpagnazary zay voataokagna ho amin'tô asa tô. 6 Zany marigny mivôny zany dia mivaolagna fao re jentilisa dia mpiara-madaova, ndraiky mpiara-miômbogno amin'ny vatagna, ary mizara ny fampanantenagna ao amin'ni Kristy Jesôsy amin'ny alalan'ny vava maharavo zare. 7 Fao nanjary mpanompon'ny zany vava maharavo zany zaho tamin'ny fahasoavan-Jagnahary namiagna zaho tamin'ny alalan'ny fiasan'ny angôvonazy. 8 Namian-Jagnahary zaho zany fagnomaizagna zany, na dia zaho aby no farany hely amin'ny re ôlomasin-Jagnahary. Zany fagnomaizagna zany dia ny mbô hitoriako amin're Jentilisa ny vava maharavon'ny angôvon'i Kristy saro-tadiavigny. 9 Ny fagnomaizam-pahasoavan-Jagnahary ho ninaha dia ny hindaisako fagnazavagna amin'ny ôlogno jiaby ny fandaharan-Jagnahary, lehy nagnano ny raha jiaby, nandritrany tagno maro talaoha. 10 Nampahafantarigny tamin'ny fiangonagna zany fandaharagna zany biaka hahatonga re mpanapka ndraiky re manam-pahefagna agny an-dangitry hahay ny toaitra maron'ny fahindrian-Jagnahary. 11 Niboaka araka ny fandaharagna bariky dintany zay tanterany tao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika zany. 12 Fao ao amin'i Kristy no anangantsika fahisahiagna ndraiky lalagna am-pahatokiagna nohon'ny fagnantsaovagna Azy. 13 Noho zany miangavigny are zaho mbô tsy ho kivy nohon'ny fijaliako hoanare, zay vogninahitry are. 14 Noho zany dia mandongoalitry eo agnatraihan'ny Iada zaho, 15 zay nameno agnaragna ny fianakaviagna jiaby agny an-dangitry ndraiky eto an-tany. 16 Mivavaka zaho mbô hamiany are, araka ny hariagnan'ny vogninahiny, mbô hatanjaka amin-gôvo amin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny zay ao aminare. 17 Mivavaka zaho mbô hidôko ao am-pônare amin'ny finoagna Kristy, mbô hifôtotro ndraiky hiorigny ao amin'ny fitiavany are. 18 Hahazo ngôvo anie are kay hoafa-mahatakatra, miaraka amin'ny re mpino jiaby, ny ampohony, ny halavany, ny hambaosany, ary ny halalignany, 19 avake mbô hahay ny fitiavan'i Kristy, zay mihoatra ny fahaizagna jiaby, kay mbô ho finoan'ny fahafinoan-Jagnahary jiaby are. 20 Ary nihinazy zay mahavita magnano mandokoatra zay jiaby angatahintsika na eritreretintsika, araka ny ngôvo zay miasa ao agnatintsika, 21 ho nihinazy ny vogninahitry ao amin'ny fiangonagna ary ao amin'i Kristy Jesôsy zisikin'ny taminga jiaby bariky dintany. Amena.