Toko Faha 2

1 Ary mahakasiky are, dia maty tao agnatin'ny fahadisaovanare ndraiky ny fahotanare are. 2 Tao amin'ny regny fahadisaovagna regny no niaignanare talaoha araka ny fomban'ny zao tontolo zao. Niaigny araka ny mpanapaka re fahefagna egny amin'ny rivotro are, lehy fagnahy zay miasa ao aminare zanaky ny tsy fankatoavagna. 3 Niaigny teo amin'ny regny ôlogno regny jiaby atsika talaoha, nagnatantairaka re filan-dratsin'ny nôfontsika, ary nagnatantairaka ny fagnirian'ny nôfo ndraiky ny saigny. Afa voahary ho zanaky ny fahatizairagna, hotra ny zanak'ôlombelogno tavaila atsika. 4 Fao, manankariagna famindram-pô Zagnahary noho lehy fitiavany gaida zay nitiavany atsika. 5 Tamintsika mbôla maty tao agnatin'ny fahadisoagna, dia nivilôminy niaraka tamin'i Kristy—tamin'ny fahasoavagna no nagnavaotagna are. 6 Niara-natsangan-Jagnahary atsika, ary niara-nambailany tao an-dangitry ao amin'i Kristy Jesôsy, 7 mbô afahany mampiboaka atsika amin'ny vagnim-potoagna hoavy ny hagidasan'ny hariagnan'ny fahasoavany zay tsy azo rifesigny aboakany amin'ny hatsaram-pagnahiny amintsika ao amin'ni Kristy Jesôsy. 8 Fao tamin'ny fahasoavagna no nagnavaotagna are tamin'ny alalan'ny finoagna, ary tsy avy aminare zany, fao fagnomiazan-Jagnahary. 9 Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavagna mbô tsy hoisy hiraiharaiha. 10 Fao asan-Jagnahary atsika, niforôniny tao amin'i Kristy Jesôsy mbô hagano asa zay fandaharan-Jagnahary afa haila hoantsika, mbô handihianantsika ao amin'ny re. 11 Noho zany tsarôvo fao Jentilisa tao amin'ny nôfo are talaoha. Are dia antsôvigny hoe "tsy voafora" eo amin'ny re zay antsôvigny hoe "voafora" ao amin'ny nôfo natan'ny tagnan'ôlombelogno. 12 Satria mbôla tafisaraka tamin'i Kristy are tamin'ny zany fotoagna zany. Mpivahiny are teo amin'ny vahoakan'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny fagnikian'ny fampanantenagna are. Tsy mbôla nanagna fanantenagna ny amin'ny hoavy are. Tsy niaraka tamin-Jagnahary are teto amin'i zao tontolo zao. 13 Fao avaizo ao amin'i Kristy Jesôsy are zay lavitry Zagnahary talaoha dia nampagnatôgnigny tamin'ny lin'i Kristy. 14 Satria Izy no fihavanantsika. Izy nahatonga ny aroa hoaraiky. Tamin'ny nôfomy no nandravagnany ny riiban'ny fanohairagna zay nampizarazara atsika. 15 Zany hoe, nifoagnany ny lalàn'ny didy ndraiky fitsipiky mbô hagnanaovany ôlom-baovao araiky ao Aminazy, ndraiky mbô hanaovagna fampihavanagna. 16 Kristy dia mampihavagna ny vahoaka aroa tonta ho vatagna araiky amin-Jagnahary amin'ny alalan'ny kakazo fijaliagna, kay mamono ny fanohairagna. 17 Fao avy Jesôsy avake nitory fihavanagna ho are zay lavitry ave fihavanagna hoan're zay marikitry. 18 Fao amin'ny alalan'i Jesôsy no hanagnantsika aroa tonta fifandraisagna amin'ny Fagnahy araiky mankagny amin'ny Iada. 19 Noho zany, tsy vahiny ndraiky mpivahiny eky are Jentilisa zao. Fao vao maika aza mpiray firenena miaraka amin'ny re zay ôlomasin-Jagnahary are salakady agnisan'ny fianakaviagnan-Jagnahary. 20 Afa najodigny teo amin'ny fôtotro fagnoraignan'ny re apostoly ndraiky re mpagnazary are, avake Kristy Jesôsy lasite no vato fehizoro. 21 Ao Aminazy no hitambaran'ny fagnoraignagna jiaby ary hitombaosany hotra ny Tempoly ao amin'ny Tompo. 22 Ao Aminazy faogna no hananganagna are miaraka ho fitoairagna ho amin-Jagnahary ao amin'ny Fagnahy.