Toko Faha 6

1 Ry zanaka, magnikaiha ray amandreninare ao amin'ny Tompo, satria mety zany. 2 "Hajay iadanà ndraiky ny nininà" (Zany no didy voalaohany misy fampanantenagna), 3 "Mbô hahita tsara anà avake mbô ho lava andro hiaignagna aketo ambony tany." 4 Are iada, aza mitondra zanakare ho amin'ny fahitizairagna. Fao ndraiky, tizay amin'ny fitsipiky ndraiky re fampianaran'ny Tompo zare. 5 Ry mpanompo, mankatoava ny tomponare aketo an-tany amin'ny haja ambony ndraiky fangovitagna, amin'ny fahatsoran'ny fônare. 6 Mankatoava zare mitôvy ny fankatoavanare Kristy. Mankatoava tsy ake amin'ny mason'ny tomponare mbô hankasitrahin-jare. Fao ndraiky, mankatoava hotra ny mpanompon'i Kristy, zay magnano ny sitraka Zagnahary amin'ny fônare jiaby. 7 Manompoa amin'ny fônare jiaby, hotra ny hoe manompo ny Tompo are fao tsy ôlogno, 8 satria haintsika fao na ino na ino asa tsara tsabon'ôlogno tsiaraikiaraiky, dia handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo izy na ôlon-kafa. 9 Are Tompo, manaova hotra re raha re faogna koa amin'ny mpanomponare. Aza mampihôrohôro zare. Hainare fao Izy zay sady Tomponare no Tompon-jare dia agny an-dangitry, ary tsisy fiangaragna ao Aminazy. 10 Farany, mahiraiza ao amin'ny Tompo ndraiky amin'ny tanjaky ny angôvony. 11 Itafià ny fiadian-Jagnahary jiaby, mbô afahanà mitsangagna manohitry re tetiky devoly. 12 Avake mivavaha zaha, mbô hoisy hafatra hamiagna zaho koafa manaokatra vavako zaho. Mivavaha mbô afahako mampahay amin'ny fahasahiagna ny fahamarignagna mivôny momban'ny vava maharavo. 13 Hoan'ny vava maharavo no maha ambasadaoro voafehy amin'ny gadra zaho, biaka afahako magnambara zany am-pahasakiagna, raha tsy maintsy hivaolagna zaho. 14 Mijoroa, noho zany, koafa avy nagnano ny fehikibon'ny fahamarignagna ndraiky ny fiarovan-tratran'ny fahitsiagna are. 15 Ary hotra ny kiraro hoan'ny hongotro, dia apitaho ny fahavognaosagna hitory ny vava maharavon'ny fihavanagna. 16 Amin'ny karazan-draha jiaby dia raiso ny ampingan'ny finoagna, zay afahanare manohitry re zana-tsipika mirehitry môtron'ny lehy ratsy. 17 Ary alaivo ny aro-laohan'ny famonjiagna ndraiky ny mesony Fagnahy, zay koragnan-Jagnahary. 18 Amin'ny vavaka ndraiky fangatahagna jiaby, dia mivavaha amin'ny Fagnahy amin'ny fotoagna jiaby. Amin'ny zany fomba zany, dia miambaisa lalandava amin'ny faharaitagna jiaby, raha manôlotro vavaka amin'ny re ôlo-masin-Jagnahary are. 19 Avake mivavaha zaha, mbô hoisy hafatra hamiagna zaho koafa manaokatra vavako zaho. Mivavaha mbô afahako mampahay amin'ny fahasahiagna ny fahamarignagna mivôny momban'ny vava maharavo. 20 Hoan'ny vava maharavo no maha ambasadaoro voafehy amin'ny gadra zaho, biaka afahako magnambara zany am-pahasakiagna, raha tsy maintsy hivaolagna zaho. 21 Tykiko, lehy rahalahy tiagna ndraiky mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampagnambaragna are ny raha jiaby, mbô hahaizanare zay tsaboky. 22 Nirahiky taminare izy nohony io tanjogno io, mbô hahaizanare reo raha mahakasiky zahay, ary mbô afahanay mampahery ny fônare. 23 Fiadanagna hoamin'ny re rahalahy, avake ny fitiavagna miaraka amin'ny finoagna avy amin-Jagnahary Iada ndraiky Tompo Jesôsy Kristy. 24 Ny fahasoavagna anie hoamin'ny zay jiaby tia Jesôsy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavagna tsy maty bariky dintany.